Natsinkafon'ny Media Sosialy Ny Filoha Gambiana Noho Ny Nampiasàny Ny Taratasin'i Obama Ho Toy Ny Fampielezankevitra

President of the Gambia Yahya Jammeh addresses United Nations General Assembly on 24 September, 2013. UN photo by Erin Siegal. Used under Creative Commons license BY-NC-ND 2.0.

 Yahya Jammeh , filohan'i Gambia miteny manoloana ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana natao ny 24 Septambra 2013. Sarin'ny Un avy amin'i Erin Siegal. Nampiasàna ny lisansa Creative Commons license BY-NC-ND 2.0.

Voalaza fa nolavin'ny tomponandraikitra Amerikana iray ny filazàna fa nisy taratasy iray nalefa ho an'ny Filohan'i Gambia , Yahya Jammeh, ho fankatoavana ny fitondràny an'ity firenena bitika ao andrefan'i Afrika ity. Ilay taratasy, izay nanamarika fa “manan-javatra betsaka ho hankalazaina” ny Gambiana, dia nalefan'ny Filoha Barack Obama noho ny faha-50 taonan'ny fahaleovantenan'i Gambia.

Nitatitra ilay gazety Daily Observer mpomba ny fanjakàna fa “Barack Obama, filohan'i Etazonian'i Amerika , dia nandefa taratasy fiarahabàna ny filoha Gambiana, ny Sheikh Profesora Hajaina Alhaji Dr Yahya AJJ Jammeh.”

Kanefa, tomponandraikitra iray ao amin'ny fitantànana no niteny tamin'ny masoivohom-baovao AFP hoe “Ny vahoakan'i Gambia ihany no notoloranay fiarahabana fa tsy Jammeh.”

Niteny misimisy kokoa ilay tomponandraikitra hoe “Mitohy manana tsy fitoviankevitra be amin'ny governemanta ao Gambia izahay mikasika olana maro, anisan'ireny ny fampiharany ny resaka zon'olombelona.”

Malaza ratsy amin'ny famoretana ny mpanohitra sy ny mpampahalala vaovao ny Filoha Jammeh. Ao anatin'ny tatitra nataony ho an'ny “Universal Periodic Review (UPR)” ao Gambia, ny fikambanana mpiaro zon'olombelona “Amnesty International” nilaza fa “Hatramin'ny famoahana ny tatitra voalohany momba an'i Gambia tao amin'ny Universal Periodic Review (UPR) taona 2010, nikororosy be ny resaka zon'olombelona tao amin'io firenena io. Mitohy manakenda ny fahalalahana maneho hevitra sy manao fanitsakitsahana ireo zon'olombelona hafa amin'ny endriny tsimatimanota ny governemanta.”

Notanisain'ny gazety Nizeriana “The Vanguard” i Jeffrey Smith avy amin'ny Foibe Robert F. Kennedy ho an'ny Rariny sy ny Zon'olombelona ao Washington DC, izay nilaza fa efa elabe i Jammeh no niezaka nanatsaratsara ny sary ahitàna azy tamin'ny alàlan'ny fitadiavana fankatoavana avy any ivelany.

Hoy izy, “Tena ratsy laza ao amin'ny fireneny (izy), ary manerana ny faritra, noho izany mazàna izy no mikatsaka fankatoavana ny fitondràny amin'ny fanehoana hoe izao tontolo izao, isan'izany i Etazonia, dia manaiky ny herisetra ampiasainy hitazonana ny fahefana.”

Hatreo dia naka ny media sosialy ireo mpikatroka mafàna fo mba hanalàna baraka ny filoha Jammeh sy ilay gazety mpomba ny fitondràna, miaraka amin'ireo sasantsasany miampanga an'i Jammeh ho manandrana mividy “laza tsy misy vidiny”.

Sulayman Makalo, Gambiana mpanao gazety any an-tsesitany, dia nanoratra tao amin'ny rindriny Facebook hoe :

Amin'ny fo tsy miangatra, tsy henatra fotsiny ho an'i #Gambia i Jammeh, fa koa ho an'i #Africa manontolo, ho azy dia tsy mahamenatra ny mamorona taratasy iray noho ny fitiavana  hahazo fankatoavana foronin'ny tenany ihany – fankatoavana avy amin'ny vahoaka izay nataony tsinontsinona hatrizay.

Sam Phatey, Gambiana iray any Etazonia, dia nandefa tao amin'ny pejiny Facebook ny “taratasy fanasàna azy avy amin'i Obama” tamin'ny filazàny hoe :

Satria i Obama manoratra ho an'ny olona tsirairay ho fiarahabana azy ireny (kohaka kely), dia nanoratra ho ahy koa izy ary nandefa izany tao amin'ny fandraisako hafatra ao amin'ny Facebook , TPT! Raha tsy naharay ny anao ianao, dia ilazao aho fa hilazako izy ary fotoana fohy monja dia ho azonao ny anao. Mirotsaha ao amin'ilay fanentanana atao amin'ny Twitter  mba hanehoana ny famoahana sandoka avy amin'i Jammeh momba ilay taratasy izay tsy nosoratan'i Obama velively. #RealLetterFromObama.

A screenshot from Sam Phatey Facebook page of "invitation letter" from Obama to a Gambian citizen Sam Phatey.

Dikasary avy amin'ny pejy Facebook-n'i Sam Phatey , ilay “taratasy fanasàna” avy amin'i Obama ho anà teratany Gambiana iray, Sam Phatey.

Fatu Camara, vahivavy Gambiana mpanao gazety mpiteny amin'ny onjampeo ao Etazonia, koa dia nibitsika ny “taratasy fanasàna” azy, ka ao anatin'izany ny Filoha Obama no miteny fa mikasa ny hiara-hihinana cupcakes aminy izy :

Misaotra ry @BarackObama, miandry fatratra ny hiaraka hihinana cupcakes aminao aho

Sainey MK Marenah koa nandefa ny “taratasy fanasàna” azy avy amin'i Obama. Hoy izy :

Na dia ny boaikely avy aminà tanàna iray ao Kudang aza mba nahazo fanasàna avy amin'i Obama, filohan'i Etazonia ho any amin'ny Trano Fotsy mba hitafatafa fohy momba ny toe-draharahan'ny fahalalahana manao gazety ao Gambia. Ity ny taratasiko avy amin'i Obama!

Amin'ny fanaovana ho ohatra ny filazàn'i Jammeh hoe mitsabo ny VIH/SIDA izy, nanontany i James Chikonamombe hoe :

O ry Yahya a…ahoana no olona iray nahita ny fanafodin'ny SIDA ka dia hidina hirefarefa amin'ny tany toy izany.

Navoitran'i Fatu Camara fa :

Fahombiazana goavana! Tsy noresahana tao amin'ny TV-mpanjakana ny “taratasin'i” Obama ho an'i Jammeh, izay tokony ho tantara nitàna laharana #1 raha tsy nopehantsika mianakavy

Raha i Foday Justice Darboe kosa nampitodika ny bitsika avy aminy ho any amin'ny vadin'ny filoham-pirenena :

@ZinebJammeh iangaviana ianao hiteny amin'io vadinao mpanao jadona io hampitsahatra ny lainga atao amin'ny Gambiana. Ampy izay ny 20 taona nandaingàny

Jeffrey Smith nanamarika fa nahasarika ny sain'ny olona ny tenifototra #RealLetterFromObama :

Faly fa nahasarika ny saina ny #RealLetterFromObama. Miteny/manao zavatra ireo mpanao jadona toy ilay iray ao #Gambia satria ny tsy firaharahian'ny olona no itokiany. Tsy tamin'ity indray mitoraka ity kosa.

Ny sasany tamin'ireo mpikatroka mafàna fo aza tonga hatramin'ny fiampangana ilay gazety mpomba ny fanjakana ho namoaka taratasy sandoka avy amin'i George W. Bush. Araka ny loharanom-baovao, taorian'ny fanatsinkafonana ny tena taratasy nalefan'i Obama, dia ireo mpikatroka mafàna fo ihany no nanao taratasy, nolazaina fa avy amin'ny Filoha Bush ary nandefa azy io ho an'i Jammeh.

Navoakan'ny gazety “The Daily Observer” ilay taratasy lazaina fa avy amin'ny filoha taloha tao Etazonia ho fisaorana an'i Jammeh tamin'ny “zavabitany ho an'ny vahoaka Gambiana sy ny ezaka nataony hiantohana ny hoavy mamiratry ny firenena.”

Raha mirehidrehitra ny adihevitra ety anaty media sosialy, tsy isalasalàna fa handinika ny fihetsika ho ataony aminìny hoavy ireo manampahefana Gambiana, ao anatin'izany ny fanapahankevitra tsy hamaly an'io. Ary ho an'ny The Daily Observer, ny tena safidy azony raisina dia ny famafàna ilay “taratasy”  amin'ny fampanarahana toetrandro ny tranonkalany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.