Nakatona Vonjimaika Nandritra Ny Fihaonamben'ny Hoavin'i Ejypta Ny Habaky Ny Mpanaramaso Ny Zon'Olombelona

A screenshot shows that Human Rights Watch website is blocked in Egypt for wifi users at the "Egypt of the Future" Conference held in Sharm El Sheikh. Photograph shared by @S_Elwardany on Twitter

Pikantsary mampiseho fa nakatona hoan'ireo mpisera wifi nandritra ny fihaonamben'ny “Hoavin'i Ejypta” notontosaina tao Sharm El Sheikh ny habaka mpanaramaso ny Zon'olombelona. Sary nozarain'ny @S_Elwardany tao amin'ny Twitter

Noesorina ny fanakatonana ny habaky ny Mpanaramaso ny Zon'olombelona tamin'ny fihaonambe ara-toekarena tao Ejipta rehefa nandefa fanairana tao amin'ny Twitter ny mpanao gazety iray.

Nisioka tamin'ireo mpanjohy azy 80k tao amin'ny Twitter ilay mpanoratra gazety Ejypsiana Salma Elwardany fa nakatona ny habaky ny mpanaramaso ny Zon'olombelona nandritra ny Fihaonambe momba ny Fampandrosoana Ara-toekarena Ao Ejypta, fantatra amin'ny hoe Ny Hoavin'i Ejypta, izay nifarana omaly tao Sharm El Sheikh:

Nakatona tamin'ny wifi an'ny fihaonamben'ny hoavin'ny Ejypta ny habaky ny mpanaramaso ny zon'olombelona

Hoy izy nanamarika:

Hoy ny voalaza “voaràra noho ny politikan'ny EEDC ny rohy”

Nandritra ny fihaonambe naharitra telo andro, miliara dolara no narotsaka ho fanohanana ny toekaren'i Ejypta. Saingy maro ireo niahiahy fa mety ho tafiditra ao anatin'ny drafitrasan'ny hoavin'i Ejypta ihany koa ny fanakatonana sy ny fanivanana habaka.

Nisioka i Elwardany avy eo fa efa niverina ny habaka:

Efa mandeha ao amin'ny wifi-n'ny EEDC ankehitriny ny habaky ny mpanaramaso ny zon'olombelona

Ary nampiany:

Hofafako ny sioka teo aloha rehefa mandeha ao amin'ny wifi-n'ny EEDC ankehitriny ny habaky ny mpanaramaso ny zon'olombelona ary nilaza ny mpikarakara fa olana ara-teknika no niseho ary efa tafaverina amin'ny laoniny izany ankehitriny

Nanambara i Ejypta vao haingana fa nanangana vaomiera hitady fomba hanakatonana habaka mifandray amin'ny “fampihorohoroana” i Ejypta araka ny voalazan'ny Ahram Online

Hoy ny voalazany:

Egypt's premier Ibrahim Mahlab is forming a committee to study possible amendments to national security laws in order to remove websites linked to “terrorism”, cabinet spokesperson Hossam Kawish has told Ahram Online.

The committee's recommendations will help courts to issue verdicts to remove any content on the Internet that is related to “terrorism”, Kawish explained.

Nanangana vaomiera handinika izay fanovana azo atao amin'ny lalànan'ny fiarovam-pirenena ny praiminisitr'i Ejipta Ibrahim Mahlab mba hanesorana habaka mifandray amin'ny “fampihorohoroana”, nilaza izany tamin'ny Ahram Onbline ny mpitondra tenin'ny kabinetra, Hossam Kawish.

Hanampy ny fitsarana amin'ny famoahana didim-pitsarana hanesorana izay vontoaty ato amin'ny aterineto mifandray amin'ny “fampihorohoroana” ny tolo-kevitry ny komity, araka ny fanazavan'i Kawish.

Ary hoy ny tatitra nanampy:

In early February, Egypt called on the international community to “monitor extremist websites that incite violence and terrorism, and to halt broadcasting channels linked to the Muslim Brotherhood.”

Tamin'ny fiandohan'ny volana Febroary, niantso ny fiarahamonina iraisam-pirenena i Ejypta mba “hanaramaso ny habaka  extremista (mahery fihetsika) mandrisika herisetra sy fampihorohoroana, ary hampitsahatra ireo fantsona misy ifandraisany amin'ny Mpirahalahy Miozolomana.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.