Kamerona : Resabe Momba Ny Fahasalaman'ny Filoha Mivady

Capture d'écran du couple Biya revenant à Yaoundé

Dikasary tamin'ny fiverena'i Biya mivady tao Yaoundé

Ho an'ireo olom-pirenena sy mpanaramaso manaraka tsara ny zava-misy ara-politika ao Kamerona dia loharanom-panontaniana hatrany ireo fivahinianana tsy tapaka ataon'i Paul Biya, filohan'i Kamerona hatramin'ny 1982, sy ny vadiny any Eoropa. Fa tamin'ny fiandohan'ity taona 2015 ity, ivon'ny resabe ny fahasalaman'ny filoha sy ny vadiny, miaraka amin'ny lazaina ho fikasàna hanongana ny filoha Kamerone kononkononin'ny hery mpanjanaka azy fahiny, Frantsa.

Lahatsoratra iray, lohateny telo

Ny 13 Martsa 2015 no manomboka ny tantara, rehefa injay ny “Le Monde Afrique”, zana-tsampana ho an'i Afrika ao amin'ny tranonkalan'ilay gazety frantsay mpivoaka isanandro “Le Monde”, namoaka lahatsoratra iray nomeny lohateny voalohany hoe “Nandao ny firenena ny filoha mivady ary ratsy ny toe-pahasalamany”. Ao anatin'io dika voalohan'ilay lahatsoratra io, nozaraina tety anaty tambajotra sosialy, indrindra fa avy amin'i Bergeline Domou, vehivavy kamerone mpikatroka mafàna fo, dia nanoratra toy izao ny famoahana ao amin'ny “Le Monde Afrique” :

Hatramin'ny 2 Martsa, dia manao “fivahinianana manokana any Eoropa” ny filohampirenena kamerone, hoy ny fanambaràna avy amin'ny lapan'i Etoudi, foiben-toeran'ny fiadidiana ny lapam-panjakana, fa tsy nolazainy ny toerana haleha.  Saingy avy amin'ny loharano hafa, dia any aminà toeram-pitsaboana iray ao Zeneva no misy an'i Paul Biya amin'izao fotoana izao, toerana anarahany fitsaboana aretimpo sy homamiadan'ny praostaty, hoy ihany ireo loharano ireo manampy fanazavana.  82 taona– ka 33 tamin'ireo laniny teo amin'ny fitondrana – misalasala tsy miroso amin'ny fandidiana kasain'ireo mpitsabo hatao aminy « ilay olona liona », araka ny anaram-bositra nomen'ny ao Kamerona azy.

Loharano iray tsara toerana any anatin'ireo fikambanana sy zanaka ampielezana kamerone no manamafy fa tsy ela akory izao dia nasaina naka andro tsy fiasàna ireo mpitsabo sy mpiasa hafa na manana fiaviana kamerone miasa ao amin'ny HUG (Hôpitaux universitaires de Genève, an'ny fanjakana saingy manana kalitao ambony izay matetika alehan'ireo filoha afrikana hitsabo tena) “

Nesorina ao anatin'ny dika vaovaon'ilay lahatsoratra hita ety anaty aterineto amin'izao fotoana ireo vaovao ireo. Hafa ihany koa ny lohateny: Ny hoe Nandao ny firenena ny filoha mivady ary ratsy ny toe-pahasalamany”  dia nosoloina ny hoe “Niondrana hikarakara ny toe-pahasalamany ny filoha mivady”, talohan'ny nahalasa azy indray ho “Ao Zeneva mikarakara ny toe-pahasalamany ny filoha mivady”, araka izay azo vakiana eto amin'ireto dikasary ireto, nalaina tao amin'ny Bilaogin'ilay kamerone, Allain Jules :

Captures d'écran par le blogueur camerounais Allain Jules - http://allainjules.com/2015/03/15/cameroun-france-journal-le-monde-contre-biya-cameroun-pays-dinsulteurs-et-de-faineants/ Dikasary avy amin'ilay kamerone bilaogera, Allain Jules

 

Tsiambaratelon'ny fitsaboana ary ezaka fanakorontanana an'i Kamerona

Niteraka fanehoankevitra marobe ilay lahatsoratra, avy amin'ireo kamerone mpifidy. Voalohany dia nipetraka ny fisian'ny tsiambaratelon'ny fitsaboana. Ho an'i Allain Jules, nanontanian'ny tranonkala “Cameroon Infot Net”, ny olona rehetra, ka isan'izany ny mpiasam-bahoaka dia manan-jo hanana ny fiainany manokana sy ny tsiambaratelo momba ny fitsaboana :

Na misy marina aza, dia tafiditra ao anaty fiainany manokana izany. Satria, malalaka ny hitàna ny tsiambaratelo momba ny fitsaboana azy ny tsirairay. Ary koa, ny mpitsabo. Fototra iray ao amin'ny fitsaboana malalaka ny tsimbaratelon'ny fitsaboana ary ny fanitsakitsahana azy dia faizin'ny lalànan'ny fitsaboana ho an'ny daholobe sy ny lalàna famaizana.

Fijery iray nozarain'ny governemanta kamerone : raha nahazo fanasàna tao amin'ny sehatra fifanakalozan-dresaka anaty fahitalavitra kamerone iray,  manamafy ny Mpanaramaso avy amin'ny Ministeran'ny Fifandraisana fa :

zo ihany koa ho an'ny filoha kamerone hanajàna ny fiainany manokana, tsy lazaina ny fanànany sata hoe olom-panjakana.

Ny artikla faha-9 ao amin'ny lalàna famaizana  frantsay dia milaza fa «zon'ny tsirairay ny hanajàna ny fiainany manokana», hoy izy nampahatsiahy. Nasongadin'ny Pr. Albert Mbida ihany koa ny didy fanapahana navoakan'ny Fitsarana mpandrava didy tamin'ny 1998 izay mizotra ho amin'izay làlana izay ihany.

Ho an'i Abdelaziz Moundé, mpanao fandalinana, dia miteraka fanontaniana goavana ny raharahana'ilay lahatsoratra tao amin'ny “Monde” :

Ho sorona amin'ny tsy maintsy hisian'ny fiovana maoderina ve ny asa maha-filoha? : fanambaràm-pananana araka ny Lalàm-panorenana sy filazana momba ny fahasalamany, antoky ny fandraisana andrakitra sy ny mangarahara.

Ny resaka tsiambaratelo amin'ny fitantanana raharaham-panjakana dia tsy manana intsony ny toetra iraisany amin'izay nisy tamin'ny taona 60. Mivoatra miaraka amin'izay takian'ny vanim-potoana ny fiainana politika

Ankoatry ny resaka tsiambaratelon'ny fitsaboana, misy tohankevitra miverina matetika ihany koa rehefa mamaky ny fanehoankevitr'ireo kamerone : raha ny marina dia toa asa fanaovana gazety mitongilana ho amin'ny fanakorontana kononkononina avy any ivelany atao an'i Kamerona ny ” Le Monde Afrique”. Amin'ny fitanisàna loharano iray tsy mitonona anarana, ny tranonkala 237online manoratra hoe :

Avoakan'izany ny karazana tsikombakomba ataon'ny Quai d’Orsay, ampandaloviny amin'ny asa fanaovana gazety, hamelezany ny fitondrana ao Yaoundé, ao anatin'ny fotoana anombohan'ny Paul Biya mahazo ny fitokisan'ny rehetra, na avy ao anatinìny fireneny izany na avy any ivelany, hoy ny mpandalina iray. Toa maha-te hiteny hoe tantaran'adala ilay izy, satria matetika manao fizahana fahasalamana i Paul Biya, izay nahafa-po hatrany ny valny azo. Raha misy aretina lazaina ao anatin'ity raharaha ity, dia azo lazaina fa ny gazety “Le Monde” no marary mila ampidirina hopitaly fa tsy ny filoham-pirenena kamerone. Mamofompofona familiviliana saina ity raharaha ity

 Tsy vaovao ireo tohankevitra momba ilay lazaina ho fikirakiràna ataon'ny hery mpanjanaka azy taloha mba hanakorontanana an'i Kamerona, izay mampiaina fotoan-tsarotra tokoa ireo 30 taona niainana am-pilaminana, noho ny ataon'ny Boko Haram any Avaratry ny firenena.

Ny 28 Febroary 2015, nandritry ny diabe iray natao tao Yaoundé ho fanohanana ny vahoaka any avaratra izay mizaka ny fanafihan'ny Boko Haram, sy ireo miaramila izay miady manohitra ireny mpanani-bohitra ireny, nihorahan’ireo mpandray anjara ny masoivohon'i Frantsa ao Kamerona, Ramatoa Christine Robichon, tamin'ny hiakiaka hoe “Tsy mila ady, Tsy mila Boko Haram, Tsy mila Frantsa!”

Tao amin'ny tambajotra sosialy Twitter, mpampiasa iray no mamehy hoe  :

Ce sentiment anti français qui continue de se propager partout au Cameroun… Le monde Afrique a pas aidé avec son article c'est sûr

— Ottou Sydney Olivier (@sydneyolivierO) March 16, 2015

mitohy miparitaka manerana an'i Kamerona io toepo tsy tia frantsay io …tsy mandamina mihitsy ny lahatsoratry ny “Le Monde Afrique”, azo antoka ny amin'io

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.