Ginea: Manakaiky Ny Fifidianana, Milaza Ny Ahiahiny Ny Mpanohitra

« Conakry palais du peuple ». Sous licence CC BY 2.5 via Wikimedia Commons -

« Conakry, lapan'ny vahoaka ». Nampiasàna ny lisansa CC BY 2.5 tao amin'ny Wikimedia Commons -

Mihazakazaka be manatona ny fetrandro farany ho amin'ny fifidianana, manosika mafy ny fanafainganana ny fandehan'ny fikarakarana ireo fifidianana solombavambahoaka sy filoham-pirenena ny mpanohitra ao Ginea. Alpha Condé, mpanohitra nanan-tantara tamin'izany fotoana, no nandresy tamin'ny fifidianana filohampirenena farany natao ny 2010, nahazoany vato 52.5% tamin'ny fihodinana faharoa nanoloana ilay praiminisitra fahiny, Cellou Dalein Diallo.

Ho an'ny maro dia nisoratra ho tantara ny fifidianana ho filohampirenena tamin'ny 2010 satria io no voalohany indrindra ho an'i Ginea, hatramin'ny nahazoany ny fahaleovantenany tamin'ny 1958, nahafahany nifidy tamin'ny fomba demaokratika ny filohany. Nizotra tao anaty filaminana ny fihodinana voalohany tamin'ilay fifidianana, izay natao teo ambany fanaraha-maso iraisampirenena (fa nisy tranganà herisetra nandritry ny fihodinana faharoa) ary olona efatra ambiroampolo no nirotsaka hofidiana ho filoha faratampon'ny mpanao lalàna. 

Nampisalasala ireo roalahy mpirotsaka hofidiana ny tsy fitanilàn'ny kaomisiona nisahana ny fifidianana amin'ny fihodinana faharoa, ary dia nihalohalo teto ny hanaovan'ireo solombavambahoaka latsabato. Mampanahy ireo mpanaramaso ny mety hiverenan'ny sakana tahàka izany amin'ireo fifidianana ho avy.  

« Cellou Dalein Diallo-Ancien Premier Ministre et Chef de file de l'opposition guinéenne » par Alpha Boubacar Bah — Travail personnel. Sous licence CC BY-SA 4.0 via Wikimedia Commons -

« Cellou Dalein Diallo- Praiminisitra taloha ary mpitarika ny fanoherana ao Ginea » avy amin'i Alpha Boubacar Bah — Asany manokana. Nampiasàna ny lisansa CC BY-SA 4.0 tao amin'ny Wikimedia Commons -

Raha tsy jerena ny ahiahin-dry zareo hatramin'ny 15 Martsa, dia mandrahona ny hanao fihetsiketsehana hanemorana azy io ny mpanohitra. Noraisina tanaty kajikajy io fandrahonana fanairana io, satria hatramin'ny omaly, dia ao Kindia ireo kaomisera ao amin'n CENI, afa-tsy ireo mpanao tatitra sy ny talen'ny fandrindràna asa (tsy eo an-toerana noho ny antony ara-pahasalamana) hiteny amin'ny mpanohitra mba hanapoka rano (ho tony) ny “Djidjan” -ndry zareo (divay amin'ny fiteny any an-toerana). 

Ity atrikasa fandrindràna ny resaka fifidianana ity dia tokony hanomboka ny 06 ka haharitra hatramin'ny 10 Martsa. Ary tao anatin'ny kabariny, ny filohan'ny CENI dia nampahatsiahy fa andraikitr'ireo kaomisera sy ny mpiasan'ny CENI ny manao ny fomba rehetra hamaliana ny hetahetan'ny vahoaka izay tsy manana faniriana afa-tsy ny hifidy am-pilaminana, ao anaty rafi-pifidianana malalaka, mangarahara ary tsy mitanila.

Eo ampiresahana ny ezaka vitan'ny CENI, navoitran'i Bakary Fofana, ankoatry ny zavatra hafa, ny famantarana sy ny fanitsiana ireo tsy fetezana mifandray amin'ny resaka sarintany misy ireo biraom-pifidianana, hatramin'ny lisitry ny mpifidy sy ny fametrahana any amin'ny foiben-toerana ireo angon-drakitra voatahiry mba hitondrana fanavaozana ny tahiry ankapobeny momba ny mpifidy tsirairay.  Ankoatra izay, manome toky i Bakary Fofana fa fanambin'ny andrim-panjakana misy azy ny hikarakarana fifidianana mangarahara sy handraisan'ny rehetra anjara ary tsy mitanila. Milaza ho feno toky ny filohan'ny CENI amin'ny fanaovana sy ny fandaniana ny fandaharam-potoana hanatontosàna ireo fifidianana solombavambahoaka sy filohampirenena. Hahatongavana amin'izany, manentana ireo mpikambana ao amin'ny CENI i Bakary Fofana mba hiara-hihetsika ao anatin'ny fifandrindràn'ny samy departemanta. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.