Vietnamiana Mpaka Sary Fanao An-gazety Manohy Mitokona Tsy Mihinan-kanina Taorian'ny Efatra Taona Nifonjàny

Tanora mpaka sary fanao an-gazety i Minh Man Dang Nguyen, nitokona tsy nihinan-kanina nandritry ny fotoana lavabe tato anatin'ny volana vitsivitsy mba hanoherany ny fitondra tsizarizary atao amin'ny fitànana am-ponja azy ao Vietnam. Vokatry ny fitokonana miverimberina tsy hihinan-kanina, tsy ela akory izay dia 35kg monja no lanjany.

Man Minh. Photo used with permission.

Minh Man. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Efatra taona lasa teo izay i Minh Man no nosamborina fa naka sary ny soratra rangodrangotry ny mafàna fo nandritry ny fihetsiketsehana iray nanoherana an'i Shina nitranga tao an-tanànan'i Ho Chi Minh. Ny Janoary 2013, voaheloka izy niaraka taminà bilaogera sy mpikatroka hafa 13 fa hoe nanao “hetsika nikendry ny hanongana fanjakana” izay tao anatin'izany no namaritana ny hoe fanozongozonana politika goavana indrindra teo amin'ny firenena tao anatin'ny taona maro. Nohelohina valo taona an-tranomazina izy ary dimy taona tazonina aminà toerana tsara ambina. Na teo aza ireo antso ho famotsorana azy, mbola any am-ponja foana i Minh Man. 

Ho fanampin'ny sazy famonjàna mandritry ny fotoana lava sy ny fihazonana azy tamina toerana tsara ambina, mbola niharan'ny endrika sazy hafa ihany koa i Minh Man: fomba fitondra faran'izay tsy rariny sy manavakavaka atao any am-ponja. 

Hatramin'ny Novambra 2014, fitànana manoka-monina aminà faritra mihataka ao amin'ny fonja no itazonana an'i Minh Man, toerana toy ny fonja faran'izay tsara aro indrindra. Tsy mazava ny anton'izany, saingy ilay “faritra fampanarahana fitsipika” ao amin'ny fonja izay itazonana azy dia voalaza fa vao naorina natao fotsiny ho an'ireo fonjaina noho ny feon'ny fieritreretany.

Tsy toy ireo hafa voafonja, fa sakanana i Minh Man tsy handray anjara amin'ireo fampiasana vatana sy fanazaran-tena. Tsy azo atao ny fifaneraserana amin'ireo mpifonja tsy noho ny resaka politika. Matetika iharan'ny fihantsiana sy famelezana am-bava koa ireo voagadra noho ny antony politika. Mba haharatsy kokoa ny raharaha, indraindray koa no feperana ny zon'i Mihn Man tsy ho azo tsidihana. Ohatra, vao haingana ny reniny, izay efa gadra noho ny feon'ny fieritreretany ihany koa, no nosakanana tsy hifandray tamin'ny zanany vavy. Ireny hetsika rehetra ireny dia samy nikendrena daholo ny hampakarana ny tsindry ara-tsaina ateraky ny fanokana-monina  sy hamoronana tontolo feno tahotra sy aretin-tsaina mampirediredy.

Ampahany aminà fironana lehibe kokoa io fomba fitondra an'i Minh Man io. Tao anaty tatitra iray tamin'ny 2013 momba ireo gadra noho ny feon'ny fieritreretany ao Viet Nam, nomarihan'ny Amnesty International fa marobe ireo gadra noho ny politika no tazonina amin'ny fomba faran'izay henjana, izay efa azo ampitoviana amin'ny fomba fitondra lozabe, tsy manaja ny maha-olona sy manimba. Iharan'ny fomba fitondra tsy mendrika ry zareo, isan'izany ny ataon'ireo gadra hafa, izay jeren'ireo mpiambina fonja fotsiny. Nandeha lavidavitra kokoa aza ny Amnesty International tamin'ny tatitra nataony fa hoe mazàna izy ireny no tànana aminà toerana fanokàna-monina na atokana mihitsy mandritry ny fotoana lavabe ho toy ny saziny. Nanamafy an'io ireo efa nogadraina noho ny feon'ny fieritreretany ary nitatitra fa efa niharan'ny fanokàna-monina ary nahazo faniratsiràna am-bava ry zareo, tsy navela hamaky boky na hahazo izay sakafo sahaza na hisotro rano, izay niteraka olana ara-pahasalamàna fanampiny ho azy ireo. 

Araka ny nanasongadinan'ny Kaomisionan'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'Olombelona azy sy ny mpitondrateny manokan'ny Firenena Mikambana momba ny fampijaliana, ny fanokanà-monina mandritry ny fotoana maharitra, indrindra fa afangaro amin'ny tsy fahafahana mifandray amin'ny tontolo ivelany, dia azo ampitoviana amin'ny fampijaliana na fitondra hafa tsy misy antra, tsy manaja ny maha-olombelona ary manimba. 

Nanampy an'i Minh Man amin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina i Ta Phong Tan, manamboninahitra fahiny tao amin'ny polisy sady mpikambana mpanorina ny Klioban'ny Mpanao Gazety Malalaka, izay manefa sazy folo taona ao amin'ny fonja misy an'i Minh Man. Ny Jolay 2012, maty noho ny ratra nanjo azy ny renin'i Ta Phong Tan taorian'ny nandoroany tena teo anoloan'ny biraon'ny governemanta ho fanoherany ny fitànana am-ponja ny zanany vavy. 

Nitondran'ny Hetsika Ho Fiarovana Araka Ny Lalàna ny Media fanavaozam-baovao ho an'ny Vondron'ny Firenena Mikambana Miasa mandinika ny Fitazonana tsy misy Fitsarana, ny momba ny fiharatsian'ny toe-draharahan'i Minh Man taorian'ny nahafenoan'ny fanangonan-tsonia natao teo aloha teo natao ny Desambra 2014, niaraka tamin'ny fanantenana hoe mba hanampy ny ady feno fahasahiana ataony io ho fanatsaràna ny fomba fitànana am-ponja azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.