Mampitodika any Amin'ny Zanakalahy ny Fandraràna ilay Horonantsary “Zanakavavin'i India”?

India marked the one-year anniversary in 2013 of the brutal rape of a young university student, which plunged India into a period of self-reflection and mourning whilst thousands took to the streets of Delhi in protest against gender-based violence.

India nanamarika ny herintaonan'ny herisetra fanolanana ilay tanora mpianatry ny oniversite tamin'ny 2013, izay nampiditra an'i India tao anatin'ny fotoanan'ny fandinihan-tena sy fisaonana ary an'arivony ireo nidina an-dalambe tao Delhi mba hanohitra ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy.

Nipoaka indray ny adihevitra manodidina ny resaka fanolanana ao India, noho ilay horonantsary fanadihadiana ‘India's Daughter (Zanakavavin'i India)‘ notontosain'ilay britanika mpamokatra horonantsarimihetsika Lesley Udwin mikasika ny fanolanana tambambe feno herisetra niafara tamin'ny famonoana ilay mpianatra ho mpitsabo Jyoti Singh Pandey tamin'ny taona 2012 tao Delhi.

Nasehon'ilay horonantsary ny iray amin'ireo mpanolana voampanga, Mukesh Singh nilaza fa ny vehivavy no tompon'andraikitra kokoa amin'ny fanolanana noho ny lehilahy, ary tsy tokony hitsipatsipaka ny vehivavy rehefa aolana. Hita ao ihany koa ny mpisolovavan'ny voampanga roa namoaka eritreritra mpanambaty vehivavy sy maherisetra amin'ny vehivavy ao India tahaka izany.

Na dia tsy mbola navoaka akory aza dia efa niatrika fiampangana ho mapiseho ny endrika ratsin'i India ny horonantsary, fa  natao tamin'ny tsiro matsatso izany na niresaka an-kasahiana ilay olana. Niantso izany ho hosoka mihitsy aza ny sasany

Niditra an-tsehatra ny Antokon'ny fitondrana ao amin'ny elatra havanana Bharatheeya Janata notarihin'ny Praiminisitra Narendra Modi ary nahazo didim-pitsarana mandràra ny famoahana azy ao India noho ny filazana fa “tsy azo ekena ny vontoaty”. Tany am-boalohany, nikasa hamoaka an-kalamanjana ny horonantsary fanadihadiana nandritra ny andro iraisam-pirenena hoan'ny vehivavy tamin'ny 8 Martsa ny BBC saingy nampandroso ny famoahana azy tamin'ny 4 Martsa indray ary namoaka ny horonantsary manontolo tao amin'ny YouTube. Nangataka avy eo ny governemanta Indiana mba hakaton'ny YouTube ny fidirana amin'ny horonantsary ao amin'ny firenena, ary nanaiky ny habaka.

 @IndiasDaughter no zavamisy mampalahelo indrindra raha misonenika isika milaza hoe ny andron'ny vehivavy [“mahafaly”] …ny heloka ao an-tsaina… ao an'eritreritra. TOKONY hovaintsika izany !

Mifantoka betsaka amin'i Mukesh Singh, izay niakatra fitsarana sy voaheloka hahantona noho ny fandraisana anjara tamin'ny fanolanana an'i Jyoti Singh Pandey tao anaty fitateram-bahoaka teo am-pandehanana tamin'ny 16 Desambra 2012 ny horonantsary. Namoy ny ainy i Jyoti Singh tapa-bolana tatỳ aoriana noho ny ratra mafy nahazo azy. Ahitana antsafa niaraha tamin'ny ray aman-dreniny sy ny mpisolovavan'ny arovana azy ihany koa ny horonantsary.

Ankilan'ny tsikera, nipetraka manerana ny media sosialy ny fanontaniana mikasika ny antony nandràran'ny governemanta ny horonantsary fanadihadiana.

Mba hanoherana ny fandraràna, efi-jery maintimainty nandritra ny adiny iray no hita tamin'ny fantsom-baovao malaza NDTV izay tokony hamoaka ilay horonantsary tamin'ny 8 Martsa, daty voatondro mialoha handefasana azy.

Manazava ny antony tsy nandefasan'ny fantsona fandaharana hafa ny talen'ny famoahana Sonia Singh nisioka hoe:

Tsy Hitabataba izahay saingy ho re, amin'ny 9 ka hatramin'ny 10 alina

Olana tokoa ao India ny heloka mihatra amin'ny vehivavy. Araka ny filazan'ny Biraon'ny Fandraketana Ny Heloka Bevava ao amin'ny firenena (National Crime Record Bureau), vehivavy iray no voaolana ao India isaky ny 20 minitra. Hatramin'ny 2010, niakatra 7,1 isanjato ny heloka bevava voalaza fa nihatra tamin'ny vehivavy.

Mandritra izany fotoana izany, tsy tonga lafatra ilay horonantsary. Nanamarika ireo madilana fototra tsy ampy tamin'ny fitantarana ao amin'ny horonantsary tao amin'ny tranokalam-baovao Quartz ny mpikambana iray ato amin'ny GV Annalisa Merilli:

The documentary lacks the strength to point to the roots of the problem. Take the title, India’s Daughter. Why? Isn’t that a quintessentially patriarchal label to give Jyoti Singh? She wasn’t India’s daughter. She was India’s promising medicine student. She was Delhi’s fierce citizen, who would stop a policeman from beating up the kid who just stole her purse. She was the fearless woman who stood up against the men who would then kill her—because she would not take being bullied, she would not just do as she were told.

Tsy ampy tanjaka hanondro ny fototry ny olana ilay horonantsary fanadihadiana. Raiso ny lohateny, Zanakavavin'i India. Nahoana? Tsy marika mampanjaka ny fanjakazakan'ny ray omena an'i Jyoti Singh ve izany? Tsy zanakavavin'i India izy. Mpianatra mpitsabo nisandratra tao India izy. Olom-pirenena Delhi hiringiringiny izy, izay te-hanakana ny polisy tsy hidaroka ny ankizy nangalatra ny poketrany fotsiny izy. Vehivavy tsy mba nana-tahotra izy ary nijoro hanohitra ireo lehilahy mitady hamono azy – satria tsy te-iharan'ny fanaratsiana izy, tsy nanaiky hanao izay nibaikoana azy izy.

Kunjila Mascillamani, mpianatra fanatontosana horonan-tsarimihetsika ao amin'ny Ivom-pampianarana Horonan-tsarimihetsika sy Fahitalavitra Satyajit Ray ao Kolkata, nanoratra tao amin'ny bilaoginy fa na dia tsy tonga lafatra aza ny horonantsary, tsy antony handraràna azy izany:

Nothing artistic about it. Moreover it is somewhat like Slumdog Millionaire in that it looks at India as a third world nation sinking in poverty and anti-social activities. A country which needs reformation. Glee at an opportunity to criticize a former colony is rather evident. India of slums, youth dropping out of school to earn a living, women who only seek protection from husbands- the sketch is just perfect.

[…]

I am not India's daughter. I don't think Jyoti Singh was either. India is in fact Mukesh Singh. I cannot adhere to anything which originates there. Neither as a woman nor as a human being. In this festival colours [I] am with a ‘foreign’ film. A mediocre one which posed threat to state, a film which made me part of a conspiracy. Jyoti Singh, today, [I] miss you.

Tsy ahitana kanto momba azy. Fanampin'izany, somary misy itovizana amin'ilay Slumdog Millionaire mijery an'i India toy ny firenena andalam-pandrosoana milentika ao anaty fahantrana sy tsy mandala ny fiaraha-monina izany. Firenena izay mila fanavaozana. Somary hita miharihary ihany koa ny fahafinaretana manararaotra mitsikera ilay zanatany teo aloha. Indian'ny ambany tanàna, tanora miala an-daharana an-tsekoly mba hitady vola, vehivavy izay tsy mitady afa-tsy fiarovana amin'ny vadiny, tonga lafatra ny kihanihany.

     […]

Tsy zanakavavin'i India aho. Ary mino aho fa tsy izany ihany koa i Jyoti Singh. India ny tena marina dia i Mukesh Singh [ilay iray amin'ny mpanolana]. Tsy afaka hiombo-kevitra amin'izay zavatra avy ao aho. Na amin'ny maha-vehivavy na amin'ny maha-olombelona. Amin'ity fetibe maro loko ity, dia miaraka amin'ny horonan-tsarimihetsika “vahiny” aho. Ilay tsy tsara hiteraka tahotra hoan'ny fanjakana, horonantsary izay nahatonga ahy ho ao anatin'ny tsikombakomba. Jyoti Singh, malahelo anao aho amin'izao fotoana izao.

Raha notopaza-maso ny tahan'ny fanamelohana noho ny fanolanana, dia mitsangana am-pireharehana amin'ny isanjato “mahatalanjona” 24,2 (2012) i India raha oharina amin'ny Angletera 7 isanjato sy Soeda 10 isanjato. Koa nahoana no mbola mitoetra ho olana ny fanolanana?

Miranirany ny tsy fitovian-jon'ny lahy sy ny vavy ao India, araka ny nosorotan'i Anjali Joshi tao amin'ny Huffington Post: “Tsy misy ny aretina lalina fanomezan-tsiny ny niharam-boina. Novolena tao amin'ny kolontsaina Indiana izany fomba fisainana izany noho ny vokatry elanelana teo amin'ny lahy sy ny vavy nandritra ny fiainan-taranaka maro. Tsy “voankazo lò ao amin'ny barika” ireo mpanolana ireo, fa tsy lavitry ny fenitra ara-kolontsaina ao India ny fomba fisainan'izy ireo.”

Tokony hapetraka isaky ny sarangam-piarahamonina Indiana ny fanontaniana mikasika ny fomba hialan'i India amin'ity elanelana eo amin'ny lahy sy ny vavy ity izay mifikitra mafy hatrany amin'ny fakany. Aiza no hanombohana azy? Nisioka teny vitsy mikasika ny tokony atao amin'ny maha-fiarahamonina ilay mpiantsehatra malaza  iray Twinkle Khanna:

Manomboka amin'ny fanafoanana ny fanalan-jaza vavy sy ny fanolanana ary ny famonoana vehivavy izany. Manabe ny lehilahin'ny ampitso ao an-tranontsika isika anio. Tezao amin'ny marina ireo [ry] India.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.