Tovovavy Dimy Mpiaro Ny Vehivavy Ao Shina, Mbola Tsy Hita

Five young women have been missing for more than a week. Photo from Free Chinese Feminists Facebook group.

Efa ho iray herinandro mahery no tsy hita ireo tovovavy dimy mpiaro vehivavy. Sary avy amin'ny vondrona Facebook “Free Chinese Feminists” (Avotsory ireo Shinoa mpiaro ny vehivavy).

Efa ho iray herinandro mahery izao no tsy hita ireo vehivavy nosamborin'ny polisy Shinoa talohan'ny Andro Erantany Ho An'ny Vehivavy. Ny 12 Martsa dia notànana izy ireo noho ny fihiahiana azy ho nanao heloka bevava “namorona fifandirana sy nihantsy korontana”, nefa lavin'ny polisy ny hanome fampahafantarana misimisy kokoa.

Hanao hetsi-panoherana ho an'ireo solontena ao an-tanàna avy amin'ny governemantan'ny tanibe Shinoa ireo vondron'olontsotra ao Hong Kong, amin'ny 21 Martsa izao, hitakiana ny famotsorana azy ireo.

Ireo dimy mpikatroka mafàna fo amin'ny fiarovana zo dia ry: Wu Rongrong, Wei Tingting , Wang Man, Zheng Churan ary Li Tingting, fantatra ihany koa amin'ny hoe Li Maizi. Tsy afaka nifandray tamin'izy ireo ny fianakaviany sy ny mpisolovava azy ireo hatramin'ny nitànana azy, ary mandà tsy mety manome vaovao momba ny fisamborana azy ireo ny polisy.

Samy naneho ny ahiahiny mikasika ny amin'izy Dimy ireo, na i Etazonia na ny Fiombonambe Eoropeana. Nokianin'ny masoivoho Amerikana ao amin'ny Firenena Mikambana, Samantha Power, ireo manampahefana ao Shina tamin'ny nisamboran-dry zareo azy Dimy noho ny fiahiahiana azy ireo ho nikotrika korontana:

“Famoronana korontana” ny fitenenana momba ny sotasota ara-nofo ao Shina. Ny fanakorontanana dia ny fanaovana teritery an'ireo ONG miady ho amin'ny zo iraisana

Tokony havotsotry ny manampahefana Shinoa avy hatrany ireo “Beijing+20 Five”. Fisainana mampalahelo momba ny “zon'olombelona ny zon'ny vehivavy”

Nanao fanambaràna iray ihany koa ny mpitondra teny iray ho an'ny Raharaham-Bahinin'ny Fiombonambe Eoropeana sy ny Politikan'ny Fandriampahalemana, nanainga an'i Shina hamotsotra ireo tovovavy mpiaro ny vehivavy sy hanome azy ireo fahafahàna miaro tena araka ny lalàna.

A woman worker from mainland China holding a placard and calling for the release of the Five. Photo from Free Chinese Feminists.

Vehivavy iray mpiasa avy any amin'ny tanibe Shina mitàna sorabaventy ary mitaky ny famotsorana ireo Dimy. Sary avy amin'ny “Free Chinese Feminists”.

Na eo aza ny tontolo politika mampivarahontsana, tohizan'ireo fikambanam-behivavy, mpianatra ary mpiasa avy any amin'ny tanibe Shina ny fampiakaram-peo ho famotsorana ireo Dimy, amin'ny alàlan'ny fampakàrana sary ao amin'ny media sosialy sy fanaovana fanangonan-tsonia.

Ary ny manampahefana Shinoa indray manohy ny fitiliana ireo anarana ao anatin'ilay fanangonan-tsonia. Nitatitra ao amin'ny Twitter i @swye105 hoe :

Voalaza fa miatrika teritery avy amin'ny tomponandraikitry ny sekoly izao ireo mpianatra izay nanao sonia ilay fanangonan-tsonia ho famotsorana ireo mpikatroka mafàna fo mpiaro ny zon'ny vehivavy

Any ivelan'i Shina, samy nanameloka ilay famoretana an-kerisetra nataon'ny manampahefana Shinoa avokoa ireo vondrona mpiaro vehivavy sy sivily avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao. Nanomboka pejy iray fanentanana ao amin'ny Tumblr ny Amnesty International ary nampiasa ny tenifototra #FreeTheFive ao amin'ny Twitter hanangonana ireo hafatra fanohanana sy sary avy amin'izao tontolo izao.

Ny vondrona “Ad hoc” mpiaro ny vehivavy, Free Chinese Feminists, dia nanomboka fanentanana fanangonana sonia sy fanentanana amin'ny karatra fandefa paositra. Nanainga ireo mpanohana azy ilay vondrona mba handefa karatra fandefa paositra ho an'ny polisy ao Beijing hitakiana ny famotsorana ireo Dimy.

Send a postcard to Beijing Police demanding the release of the Five. Photo from Free Chinese Feminists.

Mandefasa karatra fandefa paositra ho an'ny polisy ao Beijing hitakiana ny famotsorana ireo Dimy. Sary avy amin'ny “Free Chinese Feminists”

Any Malezia, firenena iray be teratany Shinoa, fikambanana 26 avy amin'ny fiarahamonim-pirenena no niaraka nanasonia fanambaràna iray manameloka ny manampahefana Shinoa sy maneho ny ahiahiny momba ny fiarovana/fiahiana ireo tanora mpiaro vehivavy.

Naneho ny hatezerany momba ilay fisamborana ireo vondrona mpiaro vehivavy ao Taiwan ary nanainga ny filohan-dry zareo, Ma Ying Jeou, hampiditra ireo olana mifandray amin'ny zon'olombelona sy ny miralenta ho ao anaty fandaharam-potoanan'ny fifanakalozan-kevitry ny mpiray helodrano.

Satria mitohy manao be marenina amin'ireo fanakianana ny manampahefana Shinoa, nanapaka hevitra ireo vondrona sivily maromaro ao Hong Kong hanao hetsi-panoherana min'ny 21 Martsa izao eo anoloan'ny Birao Fifandraisan'ny Governemanta Foiben'ny Vahoaka, ary hanolotra fanambaràna iray nosoniavin'ireo vondrona sivily 50 tao an-toerana sy olontsotra 2.500.

Amin'izao fotoana izao, ny fivoriana faha-59 ataon'ny Kaomisiona momba ny Satan'ny Vehivavy no atao ao amin'ny Foiben'ny Firenena Mikambana ao New York mba hijerena indray ireo fanamby atrehana amin'ny fampanjakàna ny Fanambaràn'i Beijing sy ny Sehatra Fanatanterahana azy, izay mjoro ho an'ny fitoviana lenta sy fandrisihana ny vehivavy. Lasa tranga adihadiana amin'izao fotoana izao momba ny sakàna tsy ahatongavana amin'ireny tanjona ireny ny fitànana ireo dimy mpiaro vehivavy ao Beijing.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.