Mai Ro: Hihira Ny Hiran'i Yadiko

Aurelio Kuiru en 1980. Foto de Jorge Gasché.

Aurelio Kuiru tamin'ny taona 1980. Sary avy amin'i Jorge Gasché.

Rotɨmɨe (mpihira sady mpamoron-kira): Aurelio Kuiru 1989
Fandikana, famoronan-kira, sy dikanteny ho amin'ny teny Espaniola: Ever Kuiru
Mpandray anjara: Laura Areiza y Selnich Vivas

Feo hafa:

Noraketin'ilay mpampianatra sady mpikaroka Fernando Urbina Rangel tamin'ny taona 1989, izay miara-miasa amin'ny kolontsaina indizeny ao Kolombia nandritra ny dimampolo taona mahery ireo hira ireo. Tamin'izany fotoana izany, vonona nanangana anáneko (trano lehibe) vaovao ny raiko, tompony sy mpandova ny vondrona.

Roapolo taona taorian'ny nahafatesan'ny raiko, mbola afaka mihaino ny feony sy ny feon'ny olona niaraka taminy tamin'izany fotoana izany izahay. Noho ireo mpikaroka maro sy ny fahalalan-tanan'izy ireo, nahavita nanangona raki-peo marobe an'ireo olona izay efa tsy miaraka aminay intsony ny fokonay. Ity tetikasa ity no ahafahanay manentana ny fiarahamonina hihaino ny feo sy ny fahalalan'ireo ray aman-dreninay sy ray aman-drenibenay.

Ireo no hira “nauifeirua jibarua”, izay midika ara-bakiteny hoe hira tsotra mialoha masoandro mody. Azo hiraina araka ny safidin'ny tarika mpihira izany. Amin'ny fotoana vao hanombohan'ny dihy, mbola mifoha ny olona ao anaty ala. Mbola eo amin'ny tontolo iainana ny hery ratsy. Eto izahay hanolotra hira roa (hira miadana momba an'i yadiko) sy yɨkuiyarua (haingana sy mampitsambikina), satria tokony ho hita mandritra ny lanonana izy ireo.

ÑUERA YADIKOZA
ɨkobe ñuera yadikoza
ɨkobe fɨgora yadikoza
Bie izai
Kaɨri monai taka a bii
Jiyakɨaɨ dɨnema arɨ
Ameona bitɨ okaina
Kaɨri monai taka a bi
Jiyakɨaɨ dɨne arɨ
Jairifona bitɨ okaina
Kaɨri monai takabi
Bie izai
Kaɨri monai takabi
Ekobe ñuera yadikoza
ɨkobe fɨgora yadikoza
Bie izai
Kaɨri monai taka a bi
Jiyakɨaɨ dɨnena
Ameona bitɨ okaina
Kaɨri monai takabi bie izai
Bie izai
Kaɨri monai taka a bi
Jiyakɨaɨ dɨnena
Amenoa bitɨ okaina
Kaɨri monai tabaki
Bie izai
Kaɨri monai taka a bi
Ekobe ñuera yadikoza
Ekobe fɨgora yadikoza
Bie izai
Kaɨri monai taka a bi

Yadiko mahafatifaty
Yadiko tsara
Tahaka ity iray ity
Mazavaratsy ny andro ao aminay
Avy eny ny fanombohana avy any ambony
Avy amin'ny rivotra no niavian'ny biby
Ao aminay, miposaka ny andro
Avy ao ny fanombohana avy any ambony
Yadiko mahafatifaty
Yadiko tsara
Tahaka ity iray ity
Ao aminay, miposaka ny andro
Yadiko mahafatifaty
Yadiko mahafatifaty
Yadiko tsara
Tahaka ity iray ity
Mazavaratsy ny andro ao aminay
Avy eny ny fanombohana
Avy amin'ny kotrokorana no nahatongavan'ny biby
Ao aminay, miposaka ny andro
Tahaka ity iray ity
Mazavaratsy ny andro ao aminay
Avy amin'ny rivotra no nahatongavan'ny biby
Mazavaratsy ny andro ao aminay
Tahaka ity iray ity
Mazavaratsy ny andro ao aminay
Yadiko mahafatifaty
Yadiko tsara
Tahaka ity iray ity
Ao aminay, miposaka ny andro

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.