Rahonan'ny Roscomnadzor Hakatona Tanteraka Ny Rakipahalalàn'ny RuNet

Images mixed by Tetyana Lokot.

Sary nafangaron'i Tetyana Lokot.

Hanomboka hanakana ny Lurkmore ny Roscomnadzor, alika mpiambina ny fifandraisana Rosiana. Lurkmore dia rakipahalalàna an'ny Aterineto Rosiana Iore manontolo. Nataon'ny votoatin'ity tranonkala ity ho ao anatin'ny lisitra maintin'ny RuNet izy tany aloha, saingy tamin'ity fotoana ity kosa dia ny resaka protocols fiarovana ny fifandraisana no notanisain'ireo mpanivana aterineto ho antony fanampiny hanakanana manontolo ny Lurkmore ao Rosia.

Ao anaty fanambaràna iray ao amin'ny pejy ofisialin'ny VK, nilaza ny Roscomnadzor fa efa tany amboalohany no efa nikasan–dry zareo hanakana pejy sasantsasany tao amin'ilay tranonkala , izay araka ny fijerin-dry zareo dia miresaka momba ny “fampiasàna zava-mahadomelina sy ny filàna ara-nofo atao amin'ny ankizy.”

Nefa noho ny tranonkala Lurkmore mampiasa ny protocols https fiarovana fifandraisana, hoy ilay fanambaràna, dia tsy vitan'ireo ISP (mpanome tolotra aterineto) ny manakana fotsiny ireo pejy mandika lalàna, satria ry zareo tsy afaka manivana azy ireny, noho izany dia ilay tranonkala manontolo no tsy maintsy hobahanan-dry zareo.

Ny olan'ny Roscomnadzor amin'ny Lurkmore dia miainga avy any anatin'ny lalàna Federaly “momba ny fiarovana ny ankizy amin'ireo vaovao mety hanohintohina ny fahasalamany sy ny fivoarany” ary ilay tolodalàna fameperana ny aterineto nanitsiana azy io, nolaniana tamin'ny 2012. Lazain'ilay fanitsiana fa ilay lalàna dia tokony hampiharina amin'ireo tranonkala manana votoaty miresaka vetaveta atao amin'ankizy, mampiroborobo ny fampiasàna zava-mahadomelina ary mandrisika ho amin'ny famonoana tena.

Nilaza i Dmitry (David) Homak mpanorina ny Lurkmore fa “karazana antsojay” ilay fanalàna baraka imasom-bahoaka ataon'ny Roscomnadzor ary niteny tamin'ny TJournal ry zareo fa nihoatra ny vala koa tamin'ny fandefasana antso ho an'ny daholobe tety anaty tambajotra sosialy, fa tsy nandefa mailaka manokana miaraka amin'izay fangatahna fanesorana tiany hatao. Nolazainy ihany koa fa tsy mbola notanterahana aloha ny fanapahankevitra hanakatona ny pejy.

Да чего-то руки не дошли. Ну, закроем, наверное. Я не понимаю, чего добиваются в РКН, поэтому не уверен.

Ny zavatra sasany toy ny hoe tsy nanana fotoana fotsiny izao izahay nanaovana azy. Afaka manidy [ny fidirana amin'ireo pejy] izahay, raha ny hevitro. Tsy hitako fotsiny izao hoe ahoana ny RCN [Roscomnadzor] no manandrana manenjika an'io, araka izany dia tsy azoko antoka

Taty aoriana ny Lurkmore dia namoaka lisitra antsipirihany misy ireo fitarainana rehetra sy ny fangatahana fanesorana voarainy hatramin'izao avy amin'ny Rosconmadzor sy ireo rantsa-mangaikany hafa.

This is what the Lurkmore logo on its website looks like right now. Screenshot from lurkmore.to.

Tsy vao voalohany izao ny Lurkmore—rakipahalalàna tsy ofisialy ety anaty aterneto amin'ny teny Rosiana momba ny kolontsain'ny aterineto, ny fomba amam-panao, ary ny sariitatra fanalàna azy—no nanome voninahitra ny lisitra maintin'ireo mpandrindra, tamin'ny alàlan'ny fahitàna ny anarany ao anatiny ao. Tamin'ny Desambra 2014, lahatsoratra marobe no efa nobahanan'ilay alika mpiambina, izay manoritsoritra ny fomba fampiasàna zava-mahadomelina. Avy eo, haingana ery ny Homak nanao izay tsy nahafahana nijery azy ireny ho an'ireo mpisera ao Rosia.

Tamin'ny 2012,  voabahana manontolo ilay tranonkala noho ny lahatsoratra iray momba ny “marijuana”, saingy nesorina tao anatin'ny lisitra mainty rehefa nobahanana tsy ho azon'ireo mpampiasa RunNet ilay lahatsoratra. Tamin'ny 2013, tsy maintsy nibahana lahatsoratra iray ihany koa ny Lurkmore, izay nitondra ny lohateny hoe “Famonoana tena” tsy ho azon'ireo mpampiasa manana adiresy IP Rosiana tsidihana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.