Ahoana ny Nanapahan'ny Turkish Airlines Andro Maromaro Ny Seranam-piaramanidina Ao Nepal

An Indian Airforce Aircraft brought the Aircraft removal kit on Thursday to remove the Turkish Airlines Airbus A330 from the Airport runway. Image by Sumit Shrestha. Copyright Demotix (5/3/2015)

Vorombin'ny Tafika An'habakabaka Indiana nitondra fitaovana hanesorana ny zotram-piaramanidina Tiorka Airbus A330 teo amin'ny fiantsonan'ny seranam-piaramanidina. Sary avy amin'i Sumit Shrestha. Zon'ny mpamorona Demotix (5/3/2015)

Niteraka fifanjevoana tao amin'ny toerana an'habakabakana iraisampirenena tokana tao Nepal ny zotram-piaramanidina Tiorka  Airbus 330 izay tsy tafapetraka tao amin'ny lalam-pitodian'ny fiaramanidina Tribhuvan International Airport (TIA) ao Kathmandu ny marainan'ny 4 Martsa, ka nametra ny olom-pirenena ao amin'ity firenena mitoka-monina ity tsy afa-nisidina alohan'ny nanesorana ny fandraràna ireo sidina androany.

Tokony hiantsona tao TIA tamin'ny 6:55 maraina ora an-toerana ny fiaramanidina TK 726 izay niainga tao Istanbul. Na dia izany aza, tsy nahavita nametraka an-tanety ny fiaramanidina ny mpanamory na dia niezaka indroa aza ary tamin'ny ezaka fanintelony, tsy nahavita niantsona tao amin'ny lalam-pisidinana ny voromby ary tafapetraka tao amin'ny lalam-bozaka.

Tsara vintana fa tsy nisy ny aina nafoy tamin'izany fiezahana hitody tsy nahomby izany ireo mpandeha 224 tao anatiny.

Mpanoratra gazety Kunda Dixit nisioka hoe:

Nibolisatra ny kodiarana aorian'ny TurkishAirlines 726. Tsara vintana tokoa. Misokatra hoan'ny angidimby ihany i Katmandou amin'izao fotoana izao.

Izany no fomba fatorian'ny zotram-piaramanidina Tiorka ao amin'ny lalam-pitodian'i TIA

Mpanoratra gazety hafa, Kosh Raj Koirala nisioka hoe:

Navoaka haingana tao amin'ny varavarana fivoahana raha misy lozan'ny fiaramanidina nivoaka ny lalambe fitodian'ny TIA ireo mpandeha tao amin'ny zotram-piaramandinin'ny @TurkishAirlines

Araka ny voalazan'ny vavahadim-baovao Nepali malaza Onlinekhabar, nanome tsiny ny tsy fandehanan'ny milina fiantsonana (fidinana an-tanety) ho antony nahatonga ny loza ny mpandeha iray, Shashi Poudel, tao anatiny.

Namana mpandeha iray Dikesh Malhotra nihevitra fa noho ny tsy fahitana tsara no nahatonga ny loza.

Bigyan Sharma, bilaogera sady mpikatroka nibitsika hoe:

Nahoana ny Zotram-piaramanidina Tiorka no niharan-doza? Noho tsy tsy fandehanan'ny milina fiantsonana? Noho ny tsy fahitana tsara? Niantsona ivelan'ny lalambe ve ilay mpanamory sa ny voromby no nibolisatra? Tsy misy vaovao mazava

Satria tsy afaka noesorina ara-potoana tao amin'ny araben'ny seranam-piaramanidina ilay voromby, nakaton'ny manampahefana ny seranam-piaramanidina ary tsy nisy sidina iraisampirenena nahazo niainga na niantsona nandritra ny telo andro tao amin'ny TIA. Mpandeha an'arivony no nihitsoka tao amin'ny seranam-piaramanidina.

Mpanoratra gazety Mallika Aryal nisioka hoe:

Nahemotra avokoa ny sidina rehetra tao TIA taorian'ny zava-nitranga tamin'ny TK726. Heniky ny fifanjevona sy ny fahatezeran'ireo mpandeha ny seranam-piaramanidina

Nangataka ny fanampian'ny voromby Hercules an'ny Tafika An'habakabaka Indiana ny governemanta mba hanaisotra ilay voromby ao amin'ny toerana nisehoan'ny loza.

Annapurna Post nisioka hoe:

Tonga tao Kathmandu i Hercules (voromby) mba hitarika ilay voromby Tiorka nianjera.

Roshan Sedhai, mpanoratra gazety malaza amin'ny fitateram-baovao momba ny olan'ny asa ao Nepal nisioka hoe:

Ilay Hercules malaza rehefa misy ny korontana Herculeana!

Na dia nieren-doza aza ny TK 726, dia malaza ratsy amin'ny resaka fiarovana an'habakabaka i Nepal hatramin'ny nisian'ny fisidinan'ny voromby ao anatiny sy ivelan'ny firenena hatramin'ny taona1949, lozam-piaramanidina maherin'ny 70 namono olona maherin'ny 600 no niseho nandritra izany fotoana izany.

Ny loza goavana indrindra dia ny fianjeran'ny voromby Pakistan Airlines (PIA) izay namoizana olona 167 tamin'ny volana Septambra 1992.

Roa volana monja talohan'izany loza izany, sidina Thai Airways International iray no nianjera tao anatin'ny orana, izay nahafatesana mpandeha 113.

Manana ny seranam-piaramanidina Tenzing Hillary ao Lukla ihany koa i Népal, sokajiana ho iray amin'ireo seranam-piaramanidina mampidi-doza indrindra manerantany. Araka ny tatitra iray antserasera:

The landing and take-off strips here are very short. The airport operates at an altitude of 8,000 feet (2,438 m) and has virtually no modern air traffic control features.

Fohy dia fohy ny arabe fiantsonana sy fiaingana ao. Miasa amin'ny haavo refin-tongotra 8000 (2438 m) ny seranam-piaramanidina ary tsy manana fitaovana maoderina fanaraha-maso ny zotra an-habakabaka izy.

Na dia eo aza ireo seranam-piaramanidina mampitohy ireo faritra mitoka-moninin'i Nepal amin'ny ambiny ao amin'ny firenena, dia amin'ireo arabe ihany no ianteheran'ny Nepaley amin'ny fitaterana anatiny. Ary ny fanakatonana ny seranam-piaramanidina taorian'ny loza nahazo ny Turkish Airlines no nahatonga ny olona hampiasa indray izany fomba [mizotra an-tanety] izany eo amin'ny dia iraisampirenena .

Satish Pandey nanoratra hoe:

Mijanona ho “toerana ifampitohizana an-tanety” nandritra izay andro vitsy ara-bakinteny i Nepal mtoka-monina. Mety hiova izany atsy ho atsy

Ary dia toy izany tokoa. Nanomboka niasa ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Tribhuvan ny harivan'ny 7 Martsa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.