Maninona Ny Tampon'Izao Tontolo Izao No Rakotra Tay

Sunrise at Everest on March 18, 2014 Image by Flickr user Hendrik Terbeck (CC BY-NC-SA 2.0)
Fiposahan'ny masoandro tao Everest ny 18 Martsa 2014
Sary an'i Hendrik Terbeck, mpampiasa Flickr (CC BY-NC-SA 2.0)

Ho an'i Nepal, firenena iray miaina fikorontanana ara-politka, loharanon'ny maha-izy azy sady reharehan'ny firenena ny Mount Everest. Amin'izao fotoana misy antsika izao, nidina be tsy mbola nisy toa azy io rehareha io. 

Niala avy any amin'ny faran'izay nangatsakatsaka ka hatrany amin'izay farany ambany mihoson-tay, niova be ny endri-javatra hita ao Everest tato anatin'ny dimampolo taona, ary loza mitatao ho an'ny fahasalamana ankehitriny ny fianihana ity tendro ity fa tsy toy ny taloha velively.

Manazava ny anton'izany ireo zavatra hita amn'ny media sy ireo bitsika feno hatezerana sy rikoriko :

#MountEverest Deaths Not Only Thing That May Keep Climbers Away – http://t.co/9VmuCAmfto #humanwaste #Nepal pic.twitter.com/txJk0HOuFa

— Inquisitr News (@theinquisitr) March 4, 2015

#MountEverest Tsy ny Fahafatesana Ihany Intsony No Mapitsoaka Ny Mpihanika

From henceforth #MountEverest shall be known as Mount Pooperest. http://t.co/bawOH6ll99

— Kristina Proffitt (@KrissyProffitt) March 4, 2015

Manomboka izao i #MountEverest dia ho fantatra amin'ny hoe Tendrombohitra Tay

Raha ny famonjena ireo mpihanika tafahitsoka any no vaindohan-draharaha voalohan'ny sehatra fizahantany amin'ireo faritra avo, dia ny famonjena ilay tendrombohitra indray izao no lasa tena imasoana. Araka ny nambaran'ny BBC, rehefa tsara ny andro dia azo atao ho an'ny olona maherin'ny 200 ny miakatra any amin'ilay tendrombohitra, noho ny fandrosoan'ny teknolojian'ny fianihana sy ny fanatsaràna natao tamin'ny sehatry ny fizahantany amin'ireo tendrombohitra ao Nepal, indimy avo heny amin'ny isa nisy tany amin'ny telompolo taona lasa. Tampoka teo, nohalavirin'ny olona ilay tampon'izao tontolo izao.  

Stop pooping on Mt. Everest, everybody. C'mon. http://t.co/3l9fpGEIj5pic.twitter.com/CWyMxyFAE8

— pourmecoffee (@pourmecoffee) March 3, 2015

Mba atsaharontsika zareo ny fangerena ao Mt. Everest a!

How anyone could litter in such a pristine environment is beyond our comprehension. Global Gypsies Travel Club… http://t.co/B0mEVQTYvF

— Davina van Buren (@davinavanburen) March 4, 2015

Tena tsy takatry ny saintsika intsony ny antony mahatonga ny olona handoto tontolo iainana nangatsakatsaka tahaka izao. Global Gypsies Travel Club

Ny Aprily 2014, nisy fihotsahan'ny ranomandry nahafaty Sherpa 16 mpitari-dia — anarana iray nalaina avy amin'ny an'ilay foko mipetraka eny amin'ny faritra manodidina ilay tendrombohitra, maro amin'izy ireo no miasa amin'izany — ary ny fanajanonana ny fianihana tamin'izay taona izay dia manasongadina ny tsy fahazoana antoka intsony ny teo-draharaha ao Nepal.

Tamin'ity taona ity, niaraka tamin'ny tsy fahaizana mitantana izay nitondra ho amin'ny fangerena eny anaty ranomandry eny, miampy ny loto avelan'ireo mpihanika efa ho maherin'ny 5.000, tena misy tokoa ny loza mitatao amin'ny hiparitahan'ny aretina sy ny hahazoana izany, izay mahatonga an'i Everest ho baomban-tay mihotrika

Tsy olan'ireo mpihanika fotsiny izy ity, fa koa ho an'ireo Sherpas sy ny fianakaviany izay ny riandranon-dry zareo no ahiana ho voaloto . 

Araka ny lazain'ny Fikambanana Iraisampirenena misahana ny Fahasalamana (OMS), ny tsy fahatomombanan'ny toeram-pangerena no tomponandraikitra amin'ny 4 isanjaton'ny fahafatesana ary ny 5,7 isanjato amin'ny fahasembanana na ny fahasimban'ny fahasalamana eran'izao tontolo izao. 

Tahaka ny hiteraka fitontonganana be amin'ny isan'ireo mpitsidika andrasana amn'ny hoavy koa ny toe-draharaha ao amin'ilay tendrombohitra, mandrahona ny velontenan'ireo indostrian'ny fizahantany ao Nepal sy ny fidiran'ny vola ho an'ireo fianakaviana Sherpa anjatony.

Hanazavana ireo fahavoazana mety hitranga, niezaka nisarika ny sain'ireo mpizahatany avy any ivelany amin-javatra mampilendalenda ny governemanta ao Nepal, amin'ny alàlan'ny fampidinana ny sandan'ny fianihana mandritry tapany voalohany amin'ny taona 2015, nefa koa manao lasibatra ireo mpizahatany amin'ny sazy ara-bola raha vao tsy mitondra ny fakony izy ireo rehefa miverina avy any.

Nanomboka tamin'ny 2010 ity rafitra ity no efa napetraka, saingy tsy ny rehetra no manaiky ny hahombiazany :

 Leo Schilts, mpaneho hevitra ao amin'ny lahatsoratra iray nosoratan'ny the Guardian no nilaza hoe:

Izay rehetra efa tany Nepal dia hahafantatra fa tsy ny mpizahatany no manao ireo fako sy tay mivangongo etsy sy eroa. […] Ny fanasaziana mpizahatany noho ny tsy fahombiazan'ny governemanta ao Nepal dia endrika iray mahamenatra mampiavaka amin'ny fanararaotana ataon'ny iray amin'ireo governemanta faran'izay mpanao kolikoly indrindra eto an-tany, faha-126 amin'ireo 175 ao anatin'ny filaharana nomen'ny Transparency International momba ny tondro fijerena ny kolikoly. Aza manaiky hohadalaina amin'ny fakàna sary an-tsaina hoe ny vola no hamaha marina ny olana. Tao anatin'ny 60 taona hatramin'ny nanombohan'ny fandaharanasa ho fampandrosoana tao Nepal indrindra, tsy nisy zavatra vitan'ireo mpitarika sangany sy tia kely afa-tsy ny nangorona harena sy nanimba ny tontolon'ny kolontsaina sy ny natiora.[…] Ny tsy nahavitan'ny governemanta tao amin'ny faritra nanome izay farany kely indrindra amin'ny resaka foto-drafitrasa, ny fahalotoana tsy voafehy ary ny fanimbàna ambongadiny ny tontolo iainana izay miteraka ireo fahafatesana an'aliny azo sorohana isan-taona noho ny aretina azo avy amin'ny rano, ny fahalotoan'ny rivotra iainana ary ny fahapoizinan'ny sakafo… Hitako ho mahasorena ny hoe ny fifantohan-tsaina lasa lohateny lehibe eto dia ilay iray izay mijery ny zoron'ilay tantara miresaka ny hoe mety hanelingelina kely ny hetsika fialamboly ho an'ireo mpanapitrisa vitsy an'isa, izay afaka manana vola $70,000 azo laniana miampy ny sandan'ny fianihana ny Everest, ilay filàna maika ho an'ity faritra ity. Toa tahaka ny fihinanana amam-bolony fotsiny ho ahy.

Kanefa, marobe no milaza fa tsy ampiharina akory ireny fepetra ireny : na eo aza ny asa fanadiovana nataon'ny tarika nahitàna ny Apa Sherpa, lehilahy any an-toerana sambany nihanika ny Mount Everest tamin'ny taonjato faha-21, ny May 2011 teo, dia vinavinaina ho mbola misy 10 taonina raha kely indrindra ny loto tavela any an-tendrombohitra any. 

Kanefa tsy very akory ny fanantenana.

Marobe, ka isan'izany ireo mpihanika, no nanosoka hevitra momba ny fomba hitsaboana ny toe-draharaha, toy tsy famoahana fahazoan-dàlana afa-tsy vitsivitsy ihany, andiany vitsy rehefa mihanika ary fameperana mifamatotra aminà asa fikarohana. 

Etsy andaniny, ny filohan'ny Nepal Mountaineering Association dia nanamafy fa manomboka izao ireo mpiasam-bahoaka mipetraka any amin'ireo toby filasiana dia ho hentitra kokoa amin'ny fanaraha-maso ny fitoeram-pako any an-tendrombohitra, mihoatra lavitra noho izay nataony tamin'ireo taona lasa tany aloha. 

Manomboka amin'ity herinandro ity ny fizaran-taona fihanihana ny Everest ary hitohy hatramin'ny May. Miaraka amin'ny fiandrandràna hahita mpihanika 700 eo ho eo, iharan'ny tsindry amin'ny hahatontosany antsakany sy andavany ny fampanantenana nataony ireo mpiambina ilay tendrombohitra malaza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.