Manohitra Ny Fananganana Moskea Ao Avaratr'i Thailandy Ireo Mponina Bodista

Protest against the planned construction of mosque in Nan province. Photo from @joe_black317 and  Khaosod, used with permission

Fihetsiketsehana manohitra ny tetikasa fananganana moskea ao amin'ny faritany Nan. Sary avy amin'ny @joe_black317 sy Khaosod, nahazoan-dalana

Olona teo amin'ny 800 teo no nanatevin-daharana ny fihetsiketsehana manohitra ny tetikasa fanorenana trano fivavahana (moskea) ao Mueang Nan, distrika renivohitry ny faritanin'i Nan ao avaratr'i Thailandy. Nandefa taratasy fanoherana tany amin'ny tompon'andraikitry ny faritany ny Bodista moanina iray nisolo tena ireo mpanao fihetsiketsehana.

Bodista avokoa ny ankamaroan'ireo Thailandey ary Miozolomana ny 5 isan-jaton'ny mponina. Ao amin'ny faritra atsimon'ny firenena, fantatra teo aloha amin'ny anarana hoe Fanjakana Pattani no monina ny ankamaroan'ny Miozolomana ao Thailandy. Raha ny zavamisy dia misolovava amin'ny fampisarahana ity faritra ity amin'i Thailandy ireo vondrona Miozolomana sasany.

Nilaza ireo mponina mpanao fihetsiketsehana izay avy ao Ban Buppharam sy ny distrika manodidina fa tsy nahavita naka ny hevitr'izy ireo araka ny tokony ho izy momba ny moskea ny fiarahamonina Miozolomana.

Natao tamin'ny volana Janoary ny firesahana voalohany saingy tsy nahazo marimaritra iraisana hamahana ny olana ny fiarahamonina Miozolomana ao an-toerana.

Nanadihady ireo mponina ao an-toerana izay tsy manaiky velively ny hananganana moskea ao amin'ny faritany ny ao amin'ny Bangkok Post. Nilaza ny tatitra fa matahotra ny olona sao misy “tanjona ara-politika na ara-pivavahana miafina” amin'ny fananganana ny moskea “izay mety hitarika fitroarana sy herisetra” ao amin'ny faritra hafa ao Thailandy.

Fanampin'izany, roa kilaometatra monja miala ao amin'ny fiangonana Bodista ny toerana kasaina hananganana ny moskea ary tsy faly amin'izany ny olona sasany. Nolazain'ny olona tao anatin'ny fanangonan-tsonia nataon'izy ireo fa mety hiteraka “loton-tabataba” na mety hitarika ady ilay moskea noho ny “tsy fitoviana eo amin'ny fomba fiainana sy ny kolontsaina”.

Nanazava tamin'ny fampahalalam-baovao ao an-toerana mikasika ny antony hanoherany ny moskea Andriamatoa Rikkraisak Kanta, 55 taona;

Villagers have no problems with Muslims but this protest is because we are not happy with the local (provincial) government that allowed the building of this mosque in a Buddhist community. We should have a public hearing before the construction as this mosque has an impact on our community. If the province continues with the construction, the Nan people will continue the protest.

Tsy manana olana amin'ny Miozolomana ny mponina ao an-toerana saingy ny anton'ity hetsi-panoherana ity dia tsy faly amin'ny fitondram-panjakana ao an-toerana izahay izay namela ny hanorenana moskea ao amin'ny fiarahamonina Bodista. Tokony hisy ny fihainoana ny hevitry ny vahoaka alohan'ny fananganana satria misy fiantraikany ao amin'ny fiarahamoninay izany moskea izany. Raha mbola manohy ny fanamboarana ny faritany, dia hanohy ny hetsi-panoherana ny vahoakan'i Nan.

Nilaza ny solontenan'ny Miozolomana fa misy Miozolomana 60 ankehitriny ao Nan ary voatery tsy maintsy mandeha 130 kilaometatra any amin'ny faritany hafa izy ireo rehefa hanatontosa fivavahana. Niaro ny tetikasa ihany koa ny mpitarika Miozolomana iray hafa tamin'ny fitanisana ny fiantraikany tsara eo amin'ny fizahantany. Nilaza izy fa “afaka mitsidika ilay moskea ireo mpizaha tany avy amin'ny faritany mifanolo-bodirindrina, anisan'izany ireo Miozolomana vahiny na teratany. Hitarika fandaniana kokoa ao amin'ny faritra izany.”

Tsy faly tamin'ny tsy fandeferansa aseho amin'ny fivavahana hafa ny Thailandey sasany :

Milaza ianao fa mitady fandriampahalemana ary tsy mitady fanavakavahana saingy ny ataonao izao anie ka fiandohan'ny fanavakavahana.

Tongava araka ny nampanantenaina! Milaza ny vahoakan'i Nan hoe aza manorina ny masjid (moskea). Ny olona sasany milaza fa misy antony ara-politika ny fivoriana ary manohitra ny tafika

Manompa ny fivavahana ny ataon'ilay moanina. Tena boto dombo. Mifanohitra amin'ny fitsipika mifehy ny moanina ny zavatra ataony.

Mahatsiaro malahelo aho mandre ny vaovao: Mijoro ho fanoherana (fijoroan'ny) moskea ny bodista ao Nan

Niezaka ny hametraka fifandanjana ny Governoran'i Nan antsoina hoe Ukrit Puengsopha. Nilaza izy fa mba tsy hanorenana moskea mijoro maharitra, dia afa-manomboka amin'ny fananganana balasah, izay toera-pivavahana vonjimaika, ny Miozolomana. Afaka miakatra ambaratonga ho amin'ny fananganana moskea lehibe kokoa ry zareo rehefa maro kokoa ny Miozolomana ao amin'ny faritra, hoy ny filazany.

Ankatoavina amin'ny fomba ofisialy, tahaka ny fivavahana hafa, ny Islam ao Thailand ary misitraka fifandraisana mivelatra amin'ny firenena sy fikambanana islamika ny mponina. Na izany aza ny loza mitatao ateraky ny hetsi-panoherana mitohy dia mampivoitra ny tsy firaharahian'ny fiarahamonina ny finoana tsy bodista sy ny fiantraikan'ny tsy fahazakana mety mianjady amin'ny hoavin'i Thailandy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.