Eikofɨ: Eo An-trotroan'Ineny Tany

Vaovao farany momba ireo Tetikasa nahazo vatsy amin'ny Rising Voices

Juan Kuiru, foto usada con autorización del proyecto.

Juan Kuiru. Sary nahazoan-dalana avy amin'ny tetikasa.

Toerana: Tranon'i Juan Kuiru, Milan, La Chorrera.
Nandika: Ever Kuiru
Nanoratra sy nandika ho amin'ny teny anglisy: Ever Kuiru sy Laura Areiza

Rahalahiko i Juan Kuiru ary nahazo fahendrena tamin'ny raiko, Aurelio Kuiru. Izy no mpampianatro. Ny nɨmairama, manam-pahaizana nahazoana aingam-panahy tamin'ny fifandraisany manokana amin'ny fanahy. Mpandinika goavana sy mpitsabo nenti-paharazana izy. Asehonay eto ny iray tamin'ireo resadresaka niarahana taminy tao mambeadero, toerana izay itsakoanay ravina kokà sy ankafizana ny hamamin'ny paraky.

Yadiko family house. Image provided by the project and used with authorization.

Tranom-pianakavian'i Yadiko. Sary avy amin'ny tetikasa ary nahazoan-dalana.

Hizara voambolana vitsivitsy momba an'Ineny Tany sy ny saritaka nahatonga ny fihenan'ny harena voajanaharintsika izahay. Izahay no mpiambina ireo loharanon-karena ireo, saingy hoan'ireo izay mahatsapa sy manaraka ny tenin’ Moo, ny rainay mpamorona ihany. Na izany aza, tsy manorina tempoly izahay na mivavaka amin'ny sary. Ny fanarahana ny tenin'i Moo dia ho fiarovana ny fomban-drazanay sy hananana fo miantra. Ho anay, tena zava-dehibe ny miaro ny teninay ary noho izany, noho ny fanampian'ny mpiara-miasa, hampiseho fantina amin'ny fiteny roa avy amin'ny olon-kendry Juan Kuiru izahay :

Abuelo y padre de Ever Kuiru. Foto usada con autorización.

Dada sy raiben'i Ever Kuiru. Sary nahazoan-dalana avy amin'ny tetikasa.

Kue mamekɨ Juan Kuiru, kue nonuiyaɨ Jitómagaro imɨedɨkue.
Mei o jɨkanoga ¿mɨnɨka bie enɨena?
Ba ua kaɨ eiño, binɨiño daɨna,
kaɨ ua bini eiño jogobe.
Bini daɨna, jae ua moo dama imabikaiya yezika.
Afemɨe jafiñoga jagɨiyɨ ,
monifue jagɨiyɨ .
Ua eiño komuiyano.
Nɨ eiño uaidɨno.
Ie jana arɨ binɨena
moo moziñote.
Monifue ini, bini,
meita bie enɨe eiñoza.
Iemo bie kaɨ mei komuidɨkaɨ.
Jirari kaɨ mei ua binɨe eiño daɨdɨkaɨ.
Daje enɨemona guitɨkaɨ.
Daje enɨe kaɨ jagɨiyɨ
ɨaɨbikaiyadɨ ñue fɨnoka.
Daje enɨe jaɨnoibi ñue fɨnoka.
Ɨaɨredɨno afemɨe zaɨtaga.
Iemona arɨ bene ie
jana kaɨ ei ba kaɨ komuitate.
Kaɨ ua duera jizadɨkaɨ.
Ua nɨnomona eiño komuiya
nakuri eromo
mozibikaidɨkaɨ.
Dɨnómo jébikaidɨkaɨ.
Guiñeno, eiño ua guiga naɨeri
jébikaidɨkaɨ.
Iedo jékana jaidɨkaɨ.
Ikaɨ jino kaɨ monaiyado
eiño naɨ ua monoɨdo úikaigakaɨ.
Dai kaifo monaitɨkaɨ.
Akie izoide bie enɨe,
jirari kaɨ ei daɨdɨkaɨ.
Nana ua bie enɨe emodori ite,
enɨedo kade.
¿Nofɨkɨ bie emodo kade mɨnɨka dɨnomo iya? Iñena.
Bie enɨedo kade: Amena, chamu, okaina, jemɨnɨaɨ, ofokuikɨ.
Ua nana, nana enɨedo kade.
Enɨe iñedenia kañede.
Enɨe iñedenia bie jagɨiyɨ ɨaɨrede.
Enɨe jagɨiyɨ ñue fɨnoka
ie jagɨiyɨ jafiñotɨkaɨ.
Bie enɨemo ite amenaikɨ daje jagɨiyɨdo kádɨkaɨ.
Okaina, chamu, nana jagɨiyɨdo
kade,
enɨemona ite jagɨiyɨ .
Ie jirari ei enɨe daɨdɨkaɨ.
Akɨnɨ ua ei enɨena
mameidɨno.
Meita kaɨ mamekɨ
monifue urukɨdɨkaɨ.

Juan Kuiru no anarako, avy ao amin'ny foko nonuiyaɨ Jitómagaro aho.
Manontany ahy ianao. inona ity tany ity?
Reninay izy, ity ineny tany ity,
ny taninay, nonon'ny reny.
Lazainay hoe ity tany ity, talohan'ny fotoana nanadiovan'ny Moo ny tenany.
Ny fofonaina tsaroana,
rivotry ny fahamaroana.
Ua no niavian'ny reny.
Voambolana avy amin'ineny izany.
Io sary etsy ambony amin'ny tany io.
Moo no nanorina azy.
Tanin'ny fahabetsahana, io tany io,
izany no mahatonga azy ho ineny tany.
Avy ao no nahaterahanay.
Izany no mahatonga anay miteny hoe ineny tany.
Avy ao amin'izany tany izany ihany no ihinananay.
Ny tany izay diovin'ny fofon'aintsika maloto.
Tany izay diovin'ny rano.
Hazavainy izay maizina.
Manomboka eto hatrany ambony
ny sarin'ny reninay mitondra zazakely.
Mbola ankizikely izahay.
Aiza no itondran'ineny ny zazakely,
tao an-kibo, an-tranon-jaza
nivelatra ihany koa isika.
ary lehibe tao izahay.
Rehefa tsy mihinana, mihalehibe isika amin'ny zavatra levonin'ny tany, miha-matotra izahay.
Nanjary matotra izahay tamin'izany.
Ary isika aty ivelany, mbola amin'ny nonony no ameloman'ineny isika.
Izany no nahalehibe antsika.
Tahaka ity tany ity,
izany no mahatonga anay miantso azy hoe ineny.
Ny zava-drehetra eto an-tany, amin'ny tany no ivelomany.
Ambonin'ny vatolampy, misy ny fiainana eo, inona no fiainana ao? Tsy misy.
Noho ny tany no iainan'ny hazo, ny trondro, ny biby, ny micos churucos, ny vorona.
Ny zavatra rehetra mivelona avy amin'ny tany no Ua.
Raha tsy misy ny tany, tsy misy ny fiainana.
Raha tsy misy ny tany, maloto ny rivotra
Manadio ny rivotra ny tany.
ity rivotra isefoantsika.
Mitroka izany rivotra izany ihany koa ny hazo ambonin'ny tany.
Ny biby, ny trondro, izay rehetra miaina amin'ny alalan'ny fisefoana
amin'ny rivotra ambonin'ny tany.
Izany no mahatonga anay miantso azy hoe Ineny Tany.
amin'izany Ineny Tany izany no tena antsoinay azy.
Ary izany no anaranay
ankizin'ny fahabetsahana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.