Saripika Roa Ambitelopolo Ahitàna An'i Afganistana Vaovao

001

Topimaso an'i Kabul, renivohitr'i Afghanistan, sady tanàna lehibe indrindra ao amin'ny firenena, misy mponina efa ho 3,3 tapitrisa. Kabul no hany faritàny ao amin'ny firenena manana mponina an-tanàn-dehibe be lavitra noho ny any ambanivohitra. Sary an'i Aaquib Khan.

Toy ny firenena iray rotiky ny bala  sy ny faneriterena ara-pinoana no tena ahitàna be an'i Afganistana, faritra iray tsy diavim-behivavy, toerana iray mbola mizotra ho amin'ny atao hoe maoderina, ka na tanora na antitra any, tsy misy afaka hanana fanantenana hahita hoavy tsara kokoa. Tsy hafa tamin'izany ny sary tato an-tsaiko, mandra-pigadoko teo Kabul,  renivohitr'ity firenena ity, tamin'ny taona lasa.

Na dia betsaka amin'ireo sary momba an'i Kabul aza no nanamafy izay efa tao an-tsaiko nahalalako ity firenena ity, dia nisy ireo fotoana vitsy tsy vitan'ny fakantsary ny nandrakitra azy. Tafiditra ao anaty fifandonana ny fomba fanao tranainy, ny vaovao ary ny resaka maoderina. Ry zareo Afgàna no toa mivoaka miandàlana ho mpandresy hatrany. 

Kabul, toeran'ny fanantenana, ny aingam-panahy, ny fahaizana mandray am-pitiavana ny vahiny, izany rehetra izany no mitselatra eny amin'ireo Afgana rehefa nahita ny pasipaoroko miloko manga ry zareo Afgàna.

“Oh, Indiana ve ianao? Tia sarimihetsika Indiana aho!” 

Mandravaka ireo toeram-pivarotana mozika eran'ny firenena ny saribe ahitàna ireo kintan'ny sarimihetsika Indiana. Misy toeram-pivarotana goavana iray nomena anarana avy amin'ilay “Select City Walk” (Fitsangantsanganana Voafantina Manerana ny Tanàna) malaza ao Delhi. Mifanena aminao eny an-tsefantsefan'ny tsena be olona eny ireo mpianatra nivoaka avy amin'ireo Anjerimanontolo Indiana any amin'ireo tanàn-dehibe ka hatrany amin'ireo tanàna Indiana kely.

Tsy ho tokam-bolo mihitsy i Afganistana. Miara-mamindra eny ireo tovovavy handeha hamonjy sekoly sy vehivavy misarona “burqa”, ireo tovovavy an-dàlana ho any amin'ny anjerimanontolo, raha any ho any kosa misy CD  na DVD avy amin'ireo serimihetsika avy any Bollywood sy Hollywood renao mandeha any ambadimbadika any, kiaka miainga avy any amin'ny lavitra indrindra tamin'ireo vanim-potoana Talibàna nandraràna ny fialamboly. Mitafy akanjon'ny ampakarina ireo sariolona eny anaty fitaratry ny fivarotana ao Kabul any amin'ireo faritra nandravàn'ny Talibàna ireo sarivongan'ny Bodista tao Bamiyan.

Avy eo dia ny fifaninanan'ny dokambarotr'ireo mpanome tolotra finday, ireo fampielezampeo FM, fantsom-pahitalavitra mandeha 24 ora, ireo fandaharana marobe ifanakalozan-dresaka momba ny zon'ny vehivavy. Misy ireo trano fisotroana “hookah”, izay hookah sy kafe no aroso. Tsy misy vehivavy na alikaola fa dia feno tovolahy mandihy anaty mozika amin'ny feo avo.

Mandalo anao ny fiara mampaneno anjomara ary mamela anao ho ao anaty torajofom-bovoka. Itarainan'ireo Afgàna ny fitombon'ny fahalotoana ao Kabul. Ny olon'ny mpitandro filaminana no mifehy ny arabe, ary misidina eny an-tampon-dohan'ny mpandeha an-tongotra eny ny angidimby.

Anivon'izany fientanana tsy misy mpifehy izany, misy mampahatahotra: inona no hitranga rehetra tapitra miala daholo ireo tafika Amerikàna sisa tavela? Nefa inoan'ireo tanora Afgàna fa efa vory hery ny fireneny taorian'ireo ampolo taona namparefo azy sy nisamantsamahany.

Teny faneva iray no ventesin-dry zareo, izay midika hoe: “Afganistàna tokana. Tsy mila Tajik, Tsy mila Hazara, Tsy mila Pashtun”.

002

Ankizy manafina ny endriny satria betsaka no mihevitra fa fahotàna ny alaina sary. Sary an'i Aaquib Khan.

003

Tanora mitety ny habaka aterineto eo akaikin'ny Lapa ravan'i Darul Aman. Ilay lapa, fantatra tamin'ny nisedràny ireo safotofoto politika isan-karazany tao Kabul, dia niorina tany amin'ny taona 1930 tany ho any. 5.5% monja amin'ireo tanora Afgàna no mba manana fahafahana miditra amin'ny aterineto amin'ireo 20 tapitrisa mampiasa finday tao amin'ny firenena tamin'ny 2012.  Nitàna toerana lehibe teo amin'ny fampifandraisana ny tanora ny teknolojia nandritry ny  fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin'ny taona lasa. Sary an'i Aaquib Khan.

004

Miaramila Afgàna tao akaikin'i fasan'i Nadir Shah ao Kabul. Misy 350.000 ireo miaramila ao amin'ny firenena. Saingy mampahatahotra ny fahaiza-manaon'izy ireo manoloana ireo Talibàna mazan-doha rehefa injay miala tanteraka ny tafika vahiny. Sary an'i Aaquib Khan.

005

Na dia tsy takiana amin'ny fomba ofisialy intsony aza dia mbola mitohy manana ny toerany ny “burqa”, toy ny fony mbola fotoana nitondràn'ny Talibàna. Eo amin'ny 28% amin'ny parlemantera ao Afganistàna no vehivavy. Sary an'i Aaquib Khan.

During the Taliban's rule, female’ enrolment in schools was zero, and the number of boys enrolled was a million. By 2012, as the World Bank estimates, 7.8 million are attending school - including about 2.9 million girls. The literacy rate of women in Afghanistan is around 36%. Photo by Aaquib Khan.

Nandritry ny fifehezan'ny Talibàna, aotra ny fisoratana anaran'ny ankizivavy hiditra an-tsekoly, ary an-tapitrisa ny fisoratana anaran'ny tovolahy. Hatramin'ny 2012, raha ny vinavinan'ny Banky Iraisampirenena, 7,8 tapitrisa no tafiditra an-tsekoly, ka manodidina ny 2,9 tapitrisa no ankizivavy. Manodidina ny 36% ny tahan'ny fahaiza-mamaky teny ho an'ny ankizivavy ao Afganistàna. Sary an'i Aaquib Khan.

007

Afgàna mpivarotra solomaso. Sary an'i Aaquib Khan.

008

Aleon'ny Afgàna kokoa ny vokatra azo avy amin'ny varimbazaha toy izay ny vita avy amin'ny vary mahazatra, tsy toy ireo maro monina any Azia Atsimo. Amidy eny amin'ireo mpivarotra manamorona ny arabe manerana ny firenena ilay mofo nentim-paharazana ‘Naanbai’. Manao karazana Naanbai amin'ny endrika maro ireo mpanamboatra Naanbai, matetika no mirefy antsasa-metatra na iray metatra latsaka kely ny halavany ary amin'ny endrika isan-karazany. Sary an'i Aaquib Khan.

009

Afganistàna ho an'ny Afgàna! Soratsoratra miantso firaisankina amin'ireo Afgàna izay fahagola dia nozarazarain'ny tsipiky ny foko sy ny fiteny. Sary an'i Aaquib Khan.

0010

Ao anaty firenena iray izay nanjakan'ny ady nandritry ny fotoana ela, mbola ny varobarotra no tena antom-pivelomana. Lahiantitra misatroka satrobory ary mitorevaka eo aminà zara fa birao fanakalozana vola, raha ny hafa indray mitanina andro. Avo be ny tinady amin'ny fanakalozana vola manerana an'y Kabul noho ny fisian'ireo vahiny miasa ao an-toerana. Sary an'i Aaquib Khan.

0011

Ankizivavy mandositra manavotra aina noho ny orana, tao amin'ny toby (IDP) lehibe indrindra nametrahana ireo olona voatery nafindra toerana tao Kabul. Misy fianakaviana manodidina ny 900 eo ho eo ny toby IDP ao Charahi Qambar , tsy misy sekoly ary toeram-pitsaboana iray mifindrafindra toerana no hany ao, izay dokotera efatra no mampiodina azy. Ny ankamaroan'ireo mipetraka ato dia ireo nafindra avy any amin'ireo faritany lavitra any Helmand, Kandahar sy Orzgan, izay mbola tany miady hatramin'izao. Misy toby 40 no tahaka ireny any amin'ny manodidina an'i Kabul. Sary an'i Aaquib Khan.

0012

Mitombo miparitaka be ao Kabul ireo toerana fisakafoanana sy fisotroana ihiràna sy andihizan'ireo tanora, hifohany “hookah”, ary hisotroany kafe. Ireo mpihira- ahitàna hatramin'ny vehivavy – dia matetika no miaka-tsehatra. Saingy loza mitatao ho an'ny kolontsain'ny Café ao Kabul ny bemidina vao haingana nataon'ny polisy. Sary an'i Aaquib Khan.

0013

Mpivarotra kebab ao amin'ny tsena be olona ao Kabul, mivarotra ho an'ireo mpandalo tratra hariva. Ny resaka fandriampahalemana no sakana tsy mampivoatra ny fivoahana alina ao Kabul. Sary an'i  Aaquib Khan.

0014

Tovolahy iray mijery ny sarin'i Ahmed Shah Masoud, mahery fo ho an'ny maro ao Afganistàna, nanohitra ny Sovietika sy ny Talibàna. Nisy namono tamin'ny 2001 i Masoud, taloha kelin'ny fanafihana nitranga ny 11 Sept tany Etazonia. Sary an'i Aaquib Khan.

0015

Betsaka ny fangatahana hampidirana hira na lahatsary ho ao anaty finday sy CD ao Afganistàna. Marobe ireo tanora, ary hatramin'ireo lehilahy zokiolona mpitondra fivavahana no mitsidika ireny toerana fivarotana ireny mba hampiditra ny hira nofinidiny. Sary an'i Aaquib Khan.

0016

Sariolona mitafy akanjo mahafinaritra fitondran'ny ampakarina. Mitentina 15,000 Afghani ($215) hatramin'ny 20,000 Afghani ($340) ny akanjo tsotsotra iray fanaon'ny ampakarina. Tato anatin'ny taona vitsy, naniry toy ny anana nanerana an'i Kabul ireo efitrano fandraisana fampakaram-bady. Sary an'i Aaquib Khan.

0017

Afgàna manodidina ny 1,6 tapitrisa eo ho eo no miankin-doha amin'ny zava-mahadomelina, ka ankizy ny 7%. Nitombo ny famokarana zava-mahadomelina any amin'ny faritra samihafa ao Afganistàna hatramin'ny fananiham-bohitra notarihan'ny Amerikana tamin'ny 2001. Efa ho ny 90% amin'ny zava-mahadomelina “opium” erantany izao no vokarin'ity firenena ity. Sary an'i Aaquib Khan.

0018

Mpivarotra boky teny amoron-dalan'i Kabul nandritry ny taona maro i Dil Jan. Finoany ny hoe tsy maintsy mamaky boky ny tanora Afgàna, ho an'ny tenany, ary ho an'ny fireneny. Sary an'i Aaquib Khan.

0019

Tovolahy mpiandry ondry mipaozy maka sary toy ny hoe mpitandro filaminana, miaraka aminà basy kilalao teny amin'ny manodidina an'i Kabul. Ny solontena manokan'ny Firenena Mikambana ao Afganistàna, Ján Kubiš, dia nanipika ny filàna misoroka ny fandraisana ireo ankizy ho miaramila. Sary an'i Aaquib Khan.

0020

Klioba iray fianarana fomba fiady malalaka, ny fironana farany indrindra hita eny anivon'ny tanora ao Kabul. Mamonjy ireny karazana klioba ireny ny tanora mba hianatra haiady. Ahazoana valisoa ara-bola ampy tsara ny fahazoana tompondaka ho an'izay mandresy . Sary an'i Aaquib Khan.

0021

Mihoatra ny  200 ireo toerana fanaovana fampiasana vatana no nisokatra taorian'ny nianjeran'ny fitondràn'ny Talibàna. Misy koa amin'izy ireny natao ho an'ny vehivavy. Sary an'i Aaquib Khan.

0022

Ankizilahy mivarotra balaonina maroloko. Nipongatra avy any anatin'ny rahon'ny ady tany, miasa amin'ny tsena ao an-toerana ny ankizy mba hahazoany sakafo ho an'ny tenany sy ny fianakaviany. Sary an'i  Aaquib Khan.

0023

Mpivarotra voankazo maika ny hanidy toeram-pivarotana. Aorian'ny “opium”, dia ny voankazo sy ny voanjo no mitana ny laharana faharoa amin'ny vokatra fanondrana be indrindra avy ao Afganistàna. Sary an'i Aaquib Khan.

0024

Ankizy mijery ny fakantsariko. Sary an'i Aaquib Khan.

0025

Ny lahatsary sy ny hira Indiana no mifehy ny tsenan'ny mozika ao Kabul, saingy mbola malaza ihany koa ry JLo sy Britney Spears eny anivon'ny tanora eny. Any anaty fiarakaretsaka, toeram-pivarotana ary findain'ireo lehilahy tanora no afaka hahenoanao ireo hira tranainy sy vaovao. Sary an'i Aaquib Khan.

0026

Mpivarotra karatra fandefa amin'ny paositra mampidera ny sarin'ireo Afgàna nalaza tao Kabul. Sary an'i Aaquib Khan.

0027

Miala any ny “Cricket” ! Tato anatin'ny taona vitsy lasa, tena nivoatra tsara mihitsy ny ekipam-pirenena Afgàna mpilalao “cricket”, tafakatra ho amin'ny fiadiana ny ho Tompondaka Erantany amin'ny Crikcet hatao amin'ity taona ity. Sary an'i Aaquib Khan.

0028

Toerana fivarotana goavana iray ao Kabul, antsoina hoe  ‘Select City Walk’.  Mitombo be ny isan'ireo toerana fivarotana goavana ao an-drenivohitra. Sary an'i Aaquib Khan.

0029

Saribe iray toy ny tena izy avy amin'ilay lahatsary Hindi ‘Jab Tak Hai Jaan’ naneho an'i  Shah Rukh Khan sy Katrina Kaif tao anatin'ny iray tamin'ireo toerana fivarotana mozika ao Kabul. Mirehidrehitra mihitsy ny sarimihetsika vaovao Indiana ao amin'ity firenena ity. Miha-mitombo laza ihany koa ireo tantara mitohy Tiorka . Sary an'i Aaquib Khan.

0030

Niainan'i Afganistàna ny firoboroboana tampoky ny famokarana hena tato anatin'ny taompolo farany. Marobe ny Afgàna no miantehitra amin'ny famokarana hena mba ho antom-pivelomany. Sary an'i Aaquib Khan.

0031

Hosodoko taminà loko menaka maneho ilay lalao malaza “Buzkashi”  lalaovina manerana an'i Afganistàna sy Azia Afovoany, izay tsy baolina no lalaovina fa hoditra osy. Sary an'i Aaquib Khan.

0032

Fasan'ireo fiara mifono vy an'ny Rosiana any ivelan'ny tanànan'i Kabul, mariky  ny herin'ny fanoheran'ny  Afgàna. Sary an'i+ Aaquib Khan.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.