Dibo-drano I Madagasikara, Manolo-kevitra Handehanan'ny Vahoaka Fiara Fitaterana Iombonana Ny Governemanta

Pictures of floods in the Antananarivo region via twitter user @saveoursmile  with permission

Sary tondra-drano ao amin'ny faritra Antananarivo avy amin'ny mpisera twitter iray @saveoursmile, nahazoan-dalana

Valala, pesta (areti-mandringana), fako ary ankehitriny tondra-drano

Mandalo fotoan-tsarotra tanteraka i Madagasikara ankehitriny saingy tsy mahakivy ireo malagasy anefa izany, tahaka ny toe-kareny mivembena izay tsy manakana ireo mponina hanao zavatra sy hamoron-javatra. Ao anatin'ny fanairana ankapobeny i Antananarivo sy ny tanàndehibe hafa taorian'ny tondra-drano namely ny faritra noho ny orana tsy an-kiato. Nihombo ny loza nateraky ny tondra-drano tamin'ny 26 Febroary raha vaky ny fefiloha manodidina ny renivohitra. Vaky ihany koa avy eo ireo fefiloha hafa ka niteraka fahavoazana goavana manerana ny faritra. Manontany tena ireo mponina efa leon'ny fahasimban-dalana manoloana izay fanamby vaovao tsy maintsy atrehin'izy ireo indray.

Efa voatsikera mafy ny governemanta noho ny soso-kevitra natolony handraisana fitateram-bahoaka ho toy ny vahaolan'ny fifamoivoizana noho ny faharatsian'ny lalana. Ankehitriny, ny famonjena ireo tra-boina no malaza ary hita fa tsy manana soso-kevitra atolotra ny governemanta amin'izany. Ao anatin'izany, miditra ao amin'ny tambajotra sosialy ny mponina mba hiresaka sy hanara-baovao momba ireo fahavoazana nateraky ny tondra-drano amin'ny alalan'ny diezy #tondradrano sy #madaflood:

Le Sud de la capitale dévasté par les eaux via page facebook L'Express

Atsimon'ny renivohitra ravan'ny tondra-drano. Tao amin'ny pejy Facebook-n'ny L'Express.

Mampiseho ny fiakaran'ny rano ao amin'ny faritry ny renivohitra, Ankadimbahoaka ny lahatsary avy amin'i Avylavitra, tonian-dahatsoratra ato amin'ny Global Voices.

tondradrano videoNanoratra ihany koa i Avylavitra fa tratran'ity loza ity ihany koa ny tranony :

N'ose même pas prendre en photo ma maison qui s'est effondrée pendant la pluie d'avant-hier. putaiiiiiiiiiiin! ‪#‎Madagascar‬ ‪#‎madaflood‬ ‪#‎madadobodrano‬ ‪#‎tondradrano‬

Tsy sahy maka sary ny tranoko izay nirodana nandritra ny orana afak'omaly. Mahasosotra!

Lahatsary hafa mazava tsara avy amin'i John Radriarimalala kosa mampiseho ny fiakaran'ny rano ao an-tanànan'Ampanefy:

tondradrano video2Torak'izany ihany koa ny sary avy amin'i Mbolatahina Raharijaona tao afovoan-tanàna
tondradrano video 3Mamaritra ny fanairana mihatra amin'ireo vahoaka eo akaikin'ny fefiloha ny bilaogin'i Tsimok'i Gasikara

C’est l’Atsimondrano (Sud de Tana) qui est actuellement la plus touchée. Les secouristes font appel à la solidarité de tous pour apporter leur aide, preuve que les secours sont insuffisants. C’est donc le chaos total qui règne dans la ville voire même dans tout le pays. La population qui est livrée à elle-même au milieu des ordures qui n’ont pas été ramassées depuis belle lurette, les habitations inondées, les routes défoncées et pour couronner le tout, le prix des PPN qui flambe. Le pays se noie entièrement au sens propre comme au sens figuré !

Ny ao Atsimondrano (Atsimon'Iarivo) no tena voa mafy amin'izao fotoana izao. Miantso ny fiaraha-mientan'ny rehetra ireo mpamonjy voina mba hanampy azy ireo, satria tsy ampy ny fanampiana eo am-pelatanana. Korontana tanteraka no manjaka ao an-tanàna na koa manerana ny firenena ankehitriny. Miaina tsy fidiny ao anaty fako tsy voaaisotra nandritra ny fotoana ela ny vahoaka, safotry ny rano ny fonenana, feno lavaka ny arabe ary fehin'izany rehetra izany, miakatra ny vidin'ny kojakoja ilaina andavanandro. Safotry ny rano ara-bakiteny na ara-pitenenana ny firenena!

Na dia mbola mety hiakatra aza ny isan'ireo fahavoazana nateraky ny orambe, miteny ho azy ireo sary trano ao an-drenivohitra:

Ao amin'ny fokontanin'Isotry, avy amin'i Tahina Rakotomanarivo:

Quartier Isotry par Tahina

Faritr'Isotry, sary avy amin'i Tahina

Ao Ankadilalana, namoy ny ainy tao anatin'ny korontan-trano rava ny fianakaviana iray manontolo, avy amin'i Amirale Ernest:

Bâtiment délabré à Antananarivo via Amirale Ernest

Trano nirodana tao Antananarivo, sary avy amin'i Amirale Ernest

Ohatra amin'ireo arabe simba tanteraka any amin'ny faritra ity sary ity:

route delabrée via Andry sur Facebook

Lalàna simba tanteraka, avy amin'i Andry tao amin'ny Facebook

Marina tokoa fa tsy afaka hiantehitra amin'ny tenan'izy ireo manokana ireo mponina eny amoron-drano amin'ny fanatrehana izao loza izao. Eo am-piandrasana ny fanatontosana ny firaisan-kinam-pirenena.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.