Raràn'i Belarosia ny Tor sy ireo Mpanafim-Panondroana Hafa

Images mixed by Tetyana Lokot.

Sary namboarin'i Tetyana Lokot.

Nihetsika hanakana ireo rehetra mpanafim-panondroana olona ao amin'ny aterineto ao amin'ny firenena i Belarosia, ka tafiditra amin'izany ny Tor. Namoaka didy hitsi-volana vaovao manome alalana ny tsy maintsy hameran'ny mpanome tolotra aterineto rehefa misy fangatahan'ny fanjakana ny Minisiteran'ny Fifandraisana ao amin'ny firenena. Ny sasany amin'ireo famerana ireo dia miresaka mivantana momba ireo tolotra manafim-panondroana amin'ny aterineto.

Государственная инспекция при выявлении интернет-ресурсов, средств обеспечения анонимности (прокси-серверы, анонимные сети типа Tor и другие), позволяющих пользователям интернет-услуг получать доступ к интернет-ресурсам, идентификаторы которых включены в список ограниченного доступа, добавляет в список ограниченного доступа идентификаторы этих интернет-ресурсов, средств обеспечения анонимности.

Ny Mpanaramasom-Panjakana dia mamantatra ireo tahirin-kevitra amin'ny aterineto, ireo tolotra fanafenam-panondroana olona (lohalimina proxy, tambajotram-panafenam-panondroana olona tahaka ny Tor sy ny hafa), ahafahan'ny mpisera amin'ny mpanome tolotra an'aterineto hiditra amin'ny tahirin-kevitra antserasera izay, efa tafiditra ao amin'ny lisitr'ireo voarara tsy hiditra ao ireo mpamantatra (mpanondro), ka hanampy isa ireo mpamantatra (mpanondro) ireo tahirin-kevitra an'aterineto sy ireo servisy mpanafim-panondroana olona ihany koa mazava loatra.

Mampiasa ireo tolotra fanafenam-panondroana olona hiviliana amin'ny sivana apetraky ny fitondrana sy hahatakarana ireo loharanom-baovao an-tserasera voarara ao amin'ny firenena ny mpisera aterineto ankapobeny, ka tafiditra amin'izany ireo tranonkalan'ny mpanohitra maro.

Ny antotan'isan'ny Tor no manondro fa manodidina ny 6000 ka hatramin'ny 8000 ny mpisera ao Belarosia no mampiasa mivantana ny Tor andavanandro, ary mbola misy fifandraisana amin'ny alalan'ny tetezana maro ihany koa. Araka an'i Anton Nesterov, mpikatroka manohitra ny sivana, mba hisorohana amin'ny fidirana amin'ny Tor, dia efa mikendry ny hanakana ireo lazaina hoe vonam-piambenana ireo ny manampahefana, ny vona voalohany amin'ny zotra dia ahafahan'ny mpisera miditra amin'ny lalam-panafenan-jotra aloha rehefa avy eo. “Afa-manakana ny torproject.org ry zareo ary mijanona hatreo, fa rehefa miresaka ry zareo hoe hanakana ny Tor, ny dikan'izany dia ny hanakana ireo vona maro ireo,” hoy i Nesterov.

Efa nihevitra ny handrara ny VPN sy ireo mpanafim-panondroana hafa ihany koa i Rosia. Tamin'ny fanombohan'ny volana febroary i Leonid Levin, depiote mitarika ny komity parlemantera misahana ny politikan'ny famoaham-baovao sy ny serasera no nanolo-kevitra fa tokony tsy azo ampiasaina ny fahazoa-miditra amin'ny fitaovana fanafenam-panondroana sy fihodidinana (sivana) tahaka ny Tor, VPNs, ary ireo lohamilina mampiasa proxy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.