Vakio Ato Ny Fitantaràna Voalohany – Tsy Nifindra Tànana – Momba Ny Daroka Baomba Tao Hiroshima Sy Nagasaki

The Hiroshima Peace Memorial in Hiroshima, Japan, site of the Hiroshima

Ny raki-pahatsiarovana “Hiroshima Peace Memorial” ao Hiroshima, Japana, toerana nisy ny Efitrano malalaky ny  “Hiroshima National Peace Memorial” ary ny fitantaràna voalohany vao haingana. Sary natolotry ny  Wikicommons / Aiden mpampiasa Wikipedia.

Ireo mpianatra ao amin'ny Anjerimanontolom-pirenena ao  Yokohama, Japana no nandika ny fijoroana vavolombelona avy amin'ny teny Japoney nataon'ireo sisampaty tamin'ny daroka baomba atomika ho teny Anglisy.

Manamarika ny faha-75 taonan'ny daroka baomba atomika tao Hiroshima sy Nagasaki ny Aogositra 2015, daroka baomba izay nahafatesana olona an'hetsiny maro. Andro maromaro taorian'ny nandefasan'i Etazonia ireo baomba, nilavo lefona i Japana, nanamarika ny fiafaràn'ny Ady Lehibe faharoa.

Ny fijoroana vavolombelona nataon'ireo sisampaty tamin'ilay daroka baomba atomika dia noraketina anaty lahatsary miaraka amin'ny dikanteny Anglisy natao misosa ery ambany.

Ny Tambajotran'ireo Mpandikateny ho Fanapariahana Ho an'izao Tontolo Izao ny Fijoroana Vavolombelon'ireo Sisampaty Tamin'ny daroka Baomba Atomika -Network of Translators for the Globalization of the Testimonies of Atomic Bomb Survivors (NET-GAS) no nanatanteraka ny asa. Adikan'io fikambanana io ho amin'ny teny Anglisy ao anaty lahatsary izay tahirizina ao amin'ny “Hiroshima National Peace Memorial Hall for the Atomic Bomb Victims” ho amin'ny teny maro samihafa.  Azon'ny rehetra jerena ao amin'ny mozean'i Hiroshima, Japana ireo lahatsary ireo.

Azo jerena eto  ny sasany amin'ireo lahatsary.

Asongadin'ilay tranonkala ihany koa ireo rakipeo vita dika avy amin'ireny fitantarana voalohany ireny ary ireo tsiahy voadika tamin'ny daroka baomba nanjo an'i Hiroshima sy Nagasaki.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.