Vehivavy Iray Mifanamby Amin'ny Fomba Fijery An'i Somalia Ao Amin'ny Instagram

Screenshot of Ugaaso Boocow's Instagram account.

Pikantsary tao amin'ny kaonty Instagraman'i Ugaaso Boocow.

Nivoaka voalohany tao amin'ny PRI.org tamin'ny 18 Febroary 2015 ity vaovao tamin'ny lahatsoratra sy onjam-peo notontosain'i Bradley Campbell hoan'ny The World (izao tontolo izao) ity izay anisan'ny tetikasa Across Women's Lives (
Ao anaty Fiainam-behivavy)
ary navoaka indray ato amin'ny Global Voices noho ny fifanekena hifampizara votoaty.

Firenena hafa potiky ny ady i Somalia.

Notantarainay amin'ny antsipirahany izany.

Saingy mbola marobe ireo zavatra (azo tantaraina) ao amin'ny firenena. Izany no tian'i Ugaaso Boocow aseho. Nifindra tao Mogadishu vao haingana ity teraka tany Toronto ity. Tao [Mogadishu] no niavian'ny ray aman-dreniny. Fa mba hifandraisany amin'ireo namany sy fianakaviany niverina ao Canada, nanomboka namoaka sary sy lahatsary fohy ao amin'ny Instagram izy.

Ankehitriny, olona maherin'ny 47.000 no manaraka ny kaontiny. “Te hamoaka zavatra tsy nanananay ao Canada aho, tahaka ny siny fanapotserana ranom-boankazo, voanketsihetsy (pasteky) sy manga, voasary mankirana nopotserina mangatsiatsiaka tsara – morontsiraka lava indrindra ao Afrika,” hoy izy. “Mba hampisehoana fotsiny fa toy ny mahazatra ny maro ny eto sy monina eto ary miasa eto, ary ny ho vehivavy tanora ao amin'ity firenena ity.”

https://instagram.com/p/zP9MypMR2A/

Tsarabe avokoa ireo sariny. Raha vao jerena voalohany, tsy tsikaritrao fa milaza zavatra betsaka ihany koa ny sary, indrindra ireo izay mampiseho lalàm-bato voarindra na jiro. “Tsy mampino ny zavatra kely izay navoakako ary tsy misy dikany raha tao Canada ianao,” hoy izy. “Nahoana no maka sary jiro ianao? Izany dia satria manana jiro izahay ankehitriny. Vita rarivato ny lalana. Manana tranobe izahay. Mahasarika ny olona amin'ny antony rehetra ireo.”

Miparitaka any amin'ny kaontinanta sy firenena maro ireo mpanjohy azy. Misy ireo vahoaka any an-tanindrazany ao Toronto. Ny hafa kosa any Skandinavia. Maro ireo any Nizeria. Tiany ny olona mba hanana fijery sy fihevitra tsara amin'ireo voambolana ampiasaina amin'i Somalia, Mogadiscio ary Afrika Atsinanana.

Efa tao hatry ny ela izy. Magadishu no tanindrazany. “Tanàna tato am-poko hatrany i Mogadishu. Tsy tao Mogadishu nandritra ny 20 taona teo ho eo aho, saingy tanindrazako ary ho tanindrazako hatrany i Mogadishu.”

https://instagram.com/p/wUZKBWsRwm/

https://instagram.com/p/y9m8DAsR2P/

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.