Tafody Soa Aman-tsara Ary Efa Niverina Niasa Ilay Tajik Mpanampy Mpitsabo Nalaina An-keriny Tao Yemen

Rofiza did not waste time when she came across a road accident when driving back to her home town of Panjikent. Screenshor from video uploaded by RFE/RL's Tajik service.

Tsy nandany andro amin'ny tsy antony i Rofieva rehefa sendra loza eny amin'ny arabe hody any an-tanindrazany ao Panjikent. Pikantsary avy amin'ny lahatsary nakarin'ny servisy Tajik RFE/RL.

Vehivavy nandao ny tanàna niaviany ao Tajikistan, nanjary maherifo ilay mpanampy mpitsabo.

Tafaverina an-tanindrazany tamin'ny 21 Febroary i Gulrukhsor Rofieva, olom-pirenena Tajik notanana an-keriny tao Yemen nandritra ny 105 andro ary niasa avy hatrany ny andro niverenany satria nanome fitsaboana voalohany hoan'ny lehilahy iray naratra tamin'ny lozam-pifamoivozana teny amin'ny arabe.

Namita iraka tao Yemen tamin'ny alalan'ny sampan-draharaha Rosiana, niasa tamin'ny sampan-draharahan'ny vehivavy ao amin'ny hopitaly miaramila ao Marib, Yemen ity mpanampy mpitsabo 36 taona ity raha nisy naka an-keriny tao amin'ny fokom-paritra iray tamin'ny 29 Oktobra 2014.

Noho ny ezaky ny roa tonta, ny Ministeran'ny Raharaha Anatiny ao Yemen sy ny Ministeran'ny raharaham-bahiny Tajikistan (MFA) dia navotsotra i Rofieva tamin'ny 10 Febroary ho takalon'ny famotsorana gadra iray tao an-toerana (Tajikistan) .

Nandray fiaramanidina hody any an-drenivohitra Dushanbe izy tamin'ny 21 Febroary 2015. Saingy tamin'ny fivadihan-javatra izay nahatonga ny fiafaran'ity tantara ity ho mahafinaritra kokoa, dia nitatitra ny tolotra Tajik RFE / RL, Ozodi fa nanome fitsaboana voalohany ho an'ny lehilahy iray niharan'ny lozam-pifamoivozana izy rehefa iny hande hody any amin'ny faritra tanàna niaviany ao Panjikent iny.

Mpamaky ny Ozodi iray nanoratra hoe:

Худованд нигахбонатон бону Гулрухсор хамеша дар хидмати мардум бошед аз ин пас агар системаи тандурустии Точикистон кор карден хатман аз адлу инсоф ба духтуроне ки барои дилбардории беморон пеш аз хама кисаи вайро нигох мекунан насихат кунен ки ин дунё бако надора.

Hitahy anao anie Andriamanitra ry Gulrukhsor! Manampia olona hatrany. Raha mbola miasa hatrany amin'ny rafi-pitsaboana ara-pahasalamana ao Tajikistan ianao, miangavy, mivavaha hoan'ireo dokotera izay ny any am-paosin'ny marary no tadiaviny voalohany.

Olona maro ao Tajikistan no nanaraka ny tantaran'ny fakàna an-keriny an'i Rofieva tao Yemen. Ayor, mpaneho hevitra iray hafa tao amin'ny tolotra Tajik RFE / RL nitsikera ireo izay tsy resy lahatra tamin'ny fanafahan'ny Minisiteran'ny Raharahambahiny Tajik (MFA) nanampy tamin'ny fiverenan'i Rofieva an-tanindrazana.

Hoy izy nanoratra:

Eeee kani hamun nafare ki Xudro Беном–mexonad!!!!gufta budi ki Xudat chorata bin hukumati Tj tura najot nameta—– fikr mekardi mardum besohibay Ee rahmat ba konsuli Tj ki dar istanbul rafiqoni mara hamsinfoma kumak kardand to vaqti parvoz… 

Aiza ireo nanoratra hoe aza manantena na miandry ny fanampiana avy amin'ny governemanta Tajik? Nihevitra ianareo fa tsy misy olona miahy ny vahoaka? Misaotra ny kaonsily Tajik ihany koa izay nanampy ireo namako any Istanbul …

Saingy tsy afa-miala tanteraka amin'ny sivana ny governemanta, mijanona ho firenena miankin-doha indrindra amin'ny fanomezana fanampiana ara-bola manerantany i Tajikistan araka ny tarehimarika avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena, izay manana mpifindra monina maherin'ny 90% ao Rosia sy ny vola alefan'izy ireo any an-tanindrazany no mandrafitra fotsiny ny antsasaky ny harin-karena faobe.

Mpamaky iray miantso ny tenany hoe “Andevon'ny Rosiana” naneho ny fahatezerany noho ny fiainana zakain'ireo mpiasa mpifindra-monin'ny firenena an-tapitrisany.

Hoy izy nanoratra am-pahavinirana:

Е кош хамаи гарибоне ки аз зери зулми уруси берахм ба ватан бар мегарданд чунин бо кахрамонона пешвоз гирифта шаванд. Е кош ба кадри хар як точики чигарсухта бирасанд на факат холатхои алохидае ки хукумат ба хотири обуруи худаш истифода мекунад.

Maniry aho mba ho raisina toy ny mahery fo tahaka an'i [Rofieva] ireo mpifindra monina Tajik rehetra izay niverina an-tanindrazana noho ny fampahorian'ny Rosiana azy ireo tsy misy indrafo. Maniry aho mba hankasitraka ny Tajik rehetra izy ireo,  fa tsy ireo izay manampy amin'ny fanatsarana ny endriky ny governemanta ihany.

Tsy vao sambany ny tranga tahaka ny an'i Rofievan amin'ny fakàna an-keriny olom-pirenena Tajik ao Yemen. Efa nisy ireo dokotera  nalaina an-keriny nataon'ny fokom-paritra iray tao Afovoany Atsinanan'ny firenena tamin'ny taona 2007 sy 2011. Karama somary ambonimbony ihany no nahasarika mpanampy mpitsabo sy dokotera manodidina ny 70 avy ao amin'ny repoblika mahantra ao Azia Afovoany mba hiasa ao Yemen. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.