Nidaroka Baomba Ireo Toerana Misy Ny ISIS Ao Libya i Ejypta Ho Valifaty Tamin'ny Fanapahan-doha An'ireo Ejypsiana 21

Egypt today bombed sites in Derna, Libya, allegedly belonging to the ISIS. Photo credit: @FreeBenghazi (Twitter)

Nidaroka baomba tao Derna, Libya i Ejypta androany, izay voalaza fa toerana misy ny ISIS. Sary: @FreeBenghazi (Twitter)

Nidaroka baomba ny ISIS ao Libya i Ejipta androany, ho valifaty tamin'ny fanapahan-doha mampivarahontsana natao tamin'ireo Kristianina Ejypsiana mpiasa ny omaly

Nizara lahasary tao amin'ny Youtube ny vondrona mpikomy izay mampiseho ny fanapahan'doha ireo mpiasa Ejypsiana nalaina an-keriny iray volana lasa izay, ka niteraka fahatezerana mafy teo amin'i Ejypta. Feno fanehoana alahelo, fiaraha-miory sy fahatezerana tao amin'ny Twitter taorian'ny vaovao momba ity fanapahan-doha natao tamin'ireo takalon'aina 21 ity. Nanome tsiny noho ny lesoka nataon'ny fitondrana Ejypsiana ankehitriny ihany ireo tsikera marobe.

Araka ny filazan'ny tati-baovao, fanafihana teo amin'ny valo teo no nikendry ireo toby, toera-piofanana sy fitehirizana fitaovam-piadiana ao Derna, izay efa azon'ny sampana iray ao amin'ny ISIS tamin'ny taon-dasa.

Tao amin'ny kaontiny Twitter, nitatitra ny Libya Observer:

Nilaza ny kaomandin'ny Hery An'habakabaky Benghazi fa nomanina hikendrena ireo faritra voalaza fa bodoin'ny ISIS ao Derna ny daroka an'habakabaka Ejypsiana

Nisioka sary, voalaza fa avy ao Derna nitrangan'ny daroka baomba an'habakabaka ny Free Benghazi:

Nilaza ny namana avy ao Derna fa fiaramanidina kely 3 tao Ejypta no nandray anjara tamin'ny daroka baomba an'habakabaka tao Derna. Naharitra 90 minitra izany ary nikendry faritra 8 samihafa tao Libya

Nizara ity sary ity kosa i Taqi Alshlawi, avy ao Derna ihany:

Sary voalohany.

Nizara ity sary maharitra 20 segondra ity tao amin'ny Youtube ihany koa izy mba hampiseho ny voka-dratsin'ny daroka baomba.

Tao amin'ny Youtube, nizara ity lahatsary maharitra 43 segondra ity kosa i libyatna (Ny Libya-ntsika) izay mampiseho ny voka-dratsin'ny daroka baomba iray tao Derna androany maraina :

Ity lahatsary ity indray mampiseho ireo tranobe rava, ao amin'ny faritra be olona, ary ahitana setroka mivoaka amin'izany tranobe izany.

Araka ny filazan'i Mary Fitzgerald, mpanoratra gazety sy mpanadihady momba an'i Libya, Derna no toerana fatorian'ireo mpampihorohoro ao Libya Atsinanana.

Manana tantara lavabe momba ny fikomiana i Derna, tanàndehibe atsinanan'i Libya nodarohan'i Ejypta baomba. Faritra mandray ireo vondrona AQ sy vondrona ISIS ihany koa

Tamin'ny sioka hafa kosa, hoy izy nanamarika:

Nanafika an'i Derna ao Libya atsinanana ny tifitra an'habakabak'i Ejypta. Valifaty noho ny fanapahan-doha nataon'ny ISIS tamin'ireo mpiasa Ejypsiana

Araka ny filazan'i Elijah J. Magnier, Lehiben'ny Mpifanoratra amin'ny Iraisampirenena ao amin'ny AL RAI :

Niara-niasa tamin'i Libya i Ejypta mba hamely ny ISIS ao Libya. Trano 5 an'ireo kaomadàn'ny ISIS sy “Fitsarana Islamika ISIS” no nodarohan'ny tafika an'habakabaka.

Tao amin'ny pejy Facebook-ny, nizara ity sary misy ireo voromby kely mpiady manidina hidaroka baomba ao Libya ny Tafika Ejypsiana .

Milalao ao anatin'ny Paikan'i ISIS :

Hoan'ny maro ao amin'ny Twitter, nety ny paikan'ny ISIS hampiditra ireo mpiantsehatra ao amin'ny faritra tamin'ny alalan'ny fanapahan-doha ireo kristianina Ejypsiana ao Libya.
Palestiniana lyad El-Baghdadi nilaza tamin'ireo mpanjohy azy miisa 38,4K ao amin'ny Twitter hoe:

Tsy tapaky ny manao izay hampivonto orona ireo tompom-pahefana ao amin'ny faritra araka ny fihetsika (efa fantatra mialoha) fa notadiaviny  sy nomaniny ny ISIS.

Ary nanazava bebe kokoa izy hoe:

Tsy dia misy fiantraikany amin'ny ISIS ny valifaty tamin'ny daroka baomba an'habakabaka, anisan'ny tao anatin'ny drafitr'izy ireo izany. Tahaka izany ihany koa ny fahasimbana vokatry ny tifitra (vakio: lahatsarin'ny zaza maty).

Nilaza i Proud Libyana fa hampivelatra ny fanohanana hoan'ny ISIS amin'ny ady mampizarazara an'i Libya ny fanafihana:

Daroka baomba iza sy aiza ary inona ny vokadratsiny ho antsika? Hitondra faharavana sy fandraisana mpikambana vaovao hoan'ny ISIS indray ny fiampitana sisintany nataon'i Ejypta!

Charles Lister monina ao Doha, aizay sakaizan'ny Foiben'ny Brookings Doha nipentsopetsina hoe:

Manantena ny ISIS fa izy no nahatonga ny daroka baomba an'habakabak'i Ejypta ao Libya – mety indrindra amin'ny vina hanitarana ny ady sy ny korontana ao amin'ny faritra izany

Ary hoy i Magnier nanampy:

Tetikadin'ny ISIS avokoa izany rehetra izany mba hampizarazara ny ezaka hanoherana azy ao Syria sy Iràka ary hampivily saina an'i Etazonia amin'ny alalan'ny fampielezana korontana

Inona no Nolazain'ny Libyana?

Hoan'ny Libyana, hanasarotra ny toe-draharaha efa miharatsy ny tifitra an-habakabaka.

Raha nanoratra momba ny fahafahana ao Libya tao amin'ny Twitter ny bilaogera bitika Amerikana-Libyana, dia nilaza tamin'ireo mpanjohy azy 38.6K hoe:

Naseho tamin'ny alalan'ny fahavononana hentitra ny Libyana mba hampirehidrehitra ny ao ambadiky ny fandrahonan'ny ISIS sy ny fitsofohan'ny miaramila vahiny-hanao izany tokoa ve izy ireo?

Manome izao toro-hevitra izao hoan'ireo mpiray tanindrazana aminy i Proud Libyan:

Mifohaza ry Libyana! Toa manjary sehatry ny ady tahaka an'i Syria sy Iràka ny firenenao, raha toa ka tsy manao na inona na inona afa-tsy ny mifanilika ireo politisianintsika!!

Mpisera Twitter, manana mpanjohy 5.000 nanampy hoe:

Tsy misy fomba hafa afa-tsy ny fihavanam-pirenena feno sy ny firaisankina no lalana hiatrehana ireo olana ireo. Efa nilaza izany izahay tamin'ny 2011, ary ankehitriny milaza izany izahay ary mandrakariva

UKWAS milaza amin'ireo mpanjohy azy miisa 3,000:

Tsy manam-potoana intsony isika. Voafetra sy safidintsika ary mihatery ny faravodilanitra. Tokony hiala amin'ny hamafin-dohany sy ny fifanaovana fahavalo ny Libyana ka hiray hina na hafa koa iay hanadinoantsika fa nisy ny firenena iray antsoina hoe Libya mandrakizay


Lahatsoratra hafa azo vakiana: 

Amin'ny teny Arabo, mavitrika ny diezy  #ضد_التدخل_العسكري_المصري_في_ليبيا izay midika hoe Manohitra ny firotsahan'ny Miaramila Ejypta an-tsehatra ao Libya .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.