Mitsangantsangàna Eny Amin'ireo Lalankely Ao Japana

Matsushima, Tsuruga. Photo: Nevin Thompson

Matsushima, Tsuruga. Sary: Nevin Thompson

Ao anatin'ny vanim-potoana ahitàna ny smartphone misy cameras eny rehetra eny izao sy ny fitahirizana lahatsary maimaimpoana ety anaty aterineto, lasa zava-mahazendana ny Slow TV. Amin'ity karazany vao mipongatra ity, malaza ireo lahatsary mitantara tsy misy very ny fandehanana fiaran-dalamby, hatramin'ireo lahatsary maharitra ora telo miresaka trondro any amin'ny tany mafàna. Nirotsaka nanao tetikasan-dahatsary i Kees Colijn, izay nandraketany ny diany ho any atsinanana.

Nampakatra lahatsary an-jatony ny Japoney iray mpampiasa YouTube, satobo3104, izay nandraketany kosa ny diany namakivaky ireo lalankely any amin'ireo tanàna tranainy manodidina an'i Japana manontolo.

Tsy misy fanamarihana nasongadin'ireo lahatsary mihitsy. Fa dia fitsangantsangànana milamina fotsiny eny an'arabe. Tsy manam-paharoa ilay izy, fitondràna an'eritreritra hilòna ao anatin'ny fomba fahitàna sy fandrenesana ireo feo eny amin'ny toerana mety tsy ho hitanao velively amin'ny andavanandro.

Matsushima (Tsuruga, Prefektioran'i Fukui )

Tsuruga dia tanàna kely any amoron-dranomasin'i Japana, eo amin'ny làlana adiny iray miala an'i Kyoto raha mandeha fiara. Matsushima indray dia tanàna tranainy mifanolo-bodirindrina amin'i Tsuruga, ary ity lahatsary ity dia mandrakitra tsara ny rivotra iainana ao anatin'ny andro tony iray mandritry ny lohataona. 

Jereo ny ampahany faha-2 sy faha- 3 eto.

Yokota (Takaoka, Prefektioran'iToyama )

Takaoka dia tanàna kely iray hafa ao amin'ny tanàna amoron-dranomasin'i Japana, ary ahitàna endrika taotrano tranainy maro tao Japana any amin'ny manodidina azy, izay tsy niova be loatra nandritra ireo taonjato maro. Entin'ilay lahatsary isika hitety an'i Yokota sy ny manodidina an'i Kanaya, hitsidika ireo toerana masina sy ireo tempoly eny an-dàlana eny.

Ny zava-mahaliana manokana dia ny ao amin'ny manodidina an'i Senbon-koshi ao Kanaya, lova mitoetra manasongadina ireo arabe ahitàna trano tranainy nasiana fanavaozana mitandahatramanamorona azy.

Ny Arabe Fiantsenàna ao Sonoda (Amagasaki, Hyogo)

Ity lahatsary ity dia manome topimaso amin'ny fomban-drazana Japoney atao hoe shotengai, na toerana mirakotra natao ho fiantsenàna ao Sonoda, Amagasaki, ao andrefan'i Kobe.

Ho an'ny maro amin'ireo vanim-potoana ao Japana taorian'ny ady, shotengai no ty ny fo nampiaina ny faritra an-tanan-dehibe tany amin'ny manodididina an'i Japana. Ireo toeram-pivarotana madinika tantanan'ny fianakaviana sy toerana fisakafoanana dia samy manolotra avokoa amin'ny vidiny mirary ny sakafo sy zavatra ilaina, ary samy manisy tafo kely hiaro nym pividy amin'ny orana, ranomandry sy hainandro. Satria miha-antitra ny vahoaka ao Japana, dia vitsy sisa ireo fianakaviana no monina any amin'ireny tanàna tranainy ireny. Efa lasa toy ny rakitry ny ela ireo mpanjifa efa vitsy ao an-toerana, ny shotengai .

Nishiki Market (Kyoto)

Mbola mandeha tsara any amin'ny faritra sasany ao Japana ny tsena mitafo, indrindra raha tsena mitodika amin'ny mpizaha tany. Ity lahatsary ity dia manasongadina ny fitsangantsangànana iray natao tao amin'ny Tsenan'i Nishiki ao Kyoto. Vintana lehibe ny fahafahana manana topimaso amin'ny zavara rehetra, miainga amin'ny drakaka an-dranomandry ka hatramin'ireo voninkazo notazana ho amidy.

Tsukiji (Tokyo)

Ao anatin'ity lahatsary ity dia topimaso momba ny fiainana andavanandron'ireo ao afovoan'i Tokyo no omena antsika, ilay tanàna midadasika indrindra erantany. Fitsangantsangànana mitety an'i Tsukiji, ao atsinanan'i Ginza. Milahatra amin'ireo trano tranainy ireo arabe tery, manome fifanoherana eo amin'ny endriky ny tanàna mahafinaritra, mamiratra izay tsy lavitra fa tangoron-trano vitsy monja miala eo.

Maro ireo lahatsary miresaka fitsangantsangànana manodidina an'i Japana no afaka hita ao amin'ny fantson'i satobo3104.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.