Ny Filaminam-Pirenena No Tanisain'i Tiorkia Hampidirana Ny Fifehezana Ny Aterineto

Demotix image ID: 3883719. Protest Against Internet Censorship. Taken 8 February 2014 by Görkem Keser in Turkey, Istanbul.

 Sary Demotix ID: 3883719. Hetsi-panoherana ny sivana atao ny aterineto. Nopihan'i Görkem Keser tao Istanbul, tamin'ny 8 Febroary 2014. Hoy ny fivakin'ny soratra: ‘Raha ara-dalàna ny zavatra iainantsika eto amin'ity firenena ity, dia adala isika rehetra.’

Ato ho ato dia mety hankato lalàna iray vaovao ny governemanta Tiorka, izay mety hanohintohina betsaka ny olom-pirenena tsirairay amin'ny resaka fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny fanarahamaso be dia be ataon'ny polisy. Maro no miahiahy hoe ikendrena ny tsy hiverenan'ny hetsika toy ny hetsi-panoherana tao Gezi ireo lalàna ireo, izay nampihovitrovitra ny firenena tamin'ny 2013.

Betsaka ny sivana ho avy?

Volavolan-dalàna iray eo anatrehan'ny antenimiera ankehitriny no mety hanome fahafahana ho an'ny manampahefana hanivana ireo tranonkala, tsy ilàna akory ny fankatoavan'ny fitsarana, manome fahefana goavana ho an'ny biraon'ny Praiminisitra Ahmet Davutoğlu sy ny manampahefana tomponandraikitra amin'ny resaka fifandraisan-davitra (TIB) hifehy ny aterineto. Eo ambanin'io lalàna io, afaka mandidy ireo tomponà tranonkala ny TIB mba hanaisotra votoaty izay mety hanohintohina ny filaminam-pirenena amin'ny alàlan'ireo masoivohon'ny governemanta (fa tsy ny fitsarana). Azon'ny TİB atao koa ny mandidy ny hanesorana votoaty mba ho fiarovana olona iray na ny fiainany manokana, hisorohana heloka bevava na hiarovana ny fahasalamam-bahoaka. Raha mandà tsy hanatanteraka baiko iray ireo tomponà tranonkala, azon'ny TİB atao fotsiny izao ny mibahana ireo tranonkala izay nandà tsy hanatanteraka baiko, amin'ny baiko  fanakatonana, ary avy eo manao araka izay heverin'ny mpitsara ho tokony atao.

Fampiharana tsy araka ny tokony ho izy ny fenitra iraisampirenena momba ny zon'olombelona io — nefa koa olana manokan'ny teo-draharaha Tiorka, izay ny fitsaràna no mbola rantsana iray amin'ny rafitra politika tsy vitan'ny AKP fehezina manontolo. Amin'ny famelàna ny governemanta handingana ny rafi-pitsaràna eo amin'ny zotra  arahana amin'ny fanivànana, ampitomboin'ny lalàna ny fahafahan'ny governemanta hamaly eo noho eo ireo hetsi-panoherana na tantara ratsin'ny politika.

Ao anaty tafatafa iray ho an'ny Bianet, nofintinin'ny Kerem Altıparmak, tambajotram-pifandraisana iray tsy miankina avy amin'ny Anjerimanontolon'i Ankara, manana ny foiben-toerany ao Istanbul, toy izao manaraka izao ilay volavolan-dalàna momba ny sivana:

Manomboka anio, ho afaka hanakana izay tiany ny TIB miaraka amin'ny fahefana tsy manam-petra eo an-tànany. Misy an-jatony ireo heloka bevava voafaritra ao anatin'ilay boky. Tsy mijanona eto ity lalàna ity — nampiany ao koa ny fiarovana ny filaminam-bahoaka. Ary tsy misy fahefana mahefa hanao fitsirihana an'io.

Ohatra, saino ny mikasika ireo heloka faran'izay tsy misy dikany. Rehefa izany no tian'ny TIB, dia afaka mibahana votoaty noho izay izy. Raha vao tafiditra ny resaka fiarovana filaminam-bahoaka, dia io no hifehy ireo fikambanana rehetra sy izay famoriam-bahoaka.

Mety ho ananan'ny TIB fahefana hatramin'ny fibaikoana ny tranonkala izay tiany hanaisotra votoaty heveriny fa ho loza mananontanona ny filaminan'ny firenena. Raha mandà ny tompon'ilay votoaty, dia ilay tranonkala manontolo no hosakanan-dry zareo ary hitakiany onitra 3.000 hatramin'ny 10.000 Lira Tiorka (1,200-4,000 USD). Raha tsy mahavita manefa izany ny tompon'ireo votoaty dia hiatrika fampidirana am-ponja.

Iharan'ireo fepetra fanesorana votoaty ireo na ireo media sosialy goavana aza:Twitter, Facebook sy YouTube hatramin'ireo mpampita vaovao sy bilaogy ao an-toerana. Raha tsy manaiky ny fangatahan'ny TIB ireny tambajotra ireny, dia mety hiharan'ny sivana tanteraka ao Tiorkia.

Ny tatitra mangaraharan'ny Twitter dia maneho fiakarana ankapobeny amin'ny fitakiana fanesorana nataon'ny governemanta sy ny fitsaràna Tiorka tamin'ny taona lasa raha mitaha amin'ny 2013. Mino i Efe Kerem Sözeri, Tiorka manampahaizana amin'ny fifandraisana iraisampirenena fa napetraky ny governemanta ho eo ambony vata feno vanja ny tarika mpikarakara ny fepetra fampiasàna ny Twitter, miaraka amin'ny efa nandraràn'i Ankara sahady ny fibahanana ity tolotra ity tamin'ny Martsa 2014 nandritry ny fotoana fohy tsy ho azon'ireo olona tsy mampiasa finday. Tamin'izay fotoana izay, dia didy avy ao anatin'ny lalàm-panorenana no nanavotra ny Twitter tao Tiorkia.

Ny Volavolan-dalàna Vaovao Ho An'ny Fandriampahalemana: Fahefana Bebe Kokoa Ho An'ny Efa Manana Fahefana

Toa mampivarahontsana ilay volavolan-dalàna ho an'ny fandriampahalemana nasosoky ny AKP, hanome fahefàna tsy mbola nisy toa azy ho an'ny polisy sy ny mpitantana. Mety hanome fahafahana ny mpampihatra lalàna ihany koa io volavolan-dalàna io mba hampanao fihainoana maharitra hatramin'ny 48 ora ny resaka an-telefaona, tsy misy didy fanirahana, hanome fahafahana ny polisy mba hisambotra sy hitàna olona hatramin'ny 48 ora tsy misy didy fanirahana, ary hisambotra sy hanao fikarohana araka ny lalàna, na aiza na aiza mety ahitàn'ireo polisy tsy fananan-tsiny “azo ametrahana ahiahy”.

One of the e-flyers made by Democrat Lawyers for Freedom to inform the public about the surveillance bill. "When the proposal passes into law; Joining a meeting or a protest will become a catalogue crime and anyone can be arrested and send to prison for that reason." Taken from the group's Facebook page.

Taratasy elektronika nataon'ireo Demaokraty mpisolovava ny Fahalalahana hanomezana vaovao ho an'ny daholobe mikasika ilay volavolan-dalànan'ny fanarahamaso. “Rehefa mivadika ho lalàna ilay volavolan-dalàna, dia ho lasa heloka bevava ny famonjena fihaonana na hetsi-panoherana ary dia ho azo samborina ny olona ka alefa any am-ponja noho izay antony izay.” Nalaina tao amin'ny pejy Facebook-n'ilay vondrona.

Manome fahefana ireo governora ihany koa ilay volavolan-dalàna mba hitsabatsabaka amin'ny fanadihadian'ny polisy. Araka ny famintinan'ny Human Rights Watch an'ilay tolo-dalàna :

Soso-kevitra ao anatin'ilay volavolan-dalàna ny hanomezana andraikitra ireo manampahefana ambony toerana eo amin'ny fitantànana faritany, ny governora, hitazona fahefana izay teo aloha dia teny an-tànan'ireo manampahefana mpanenjika fandikàn-dalàna. Milaza ilay volavolan-dalàna fa : “Na aiza na aiza ilàna azy, ary na aiza na aiza misy filàna mandray fepetra an-kamehana, azon'ny governora iray atao ny manome baiko mivantana ho an'ny lehiben'ny polisy na manampahefam-panjakana mba hikaroka ny marina mikasika heloka bevava iray ary hikaroka izay tomponantoka tamin'ilay heloka.” Ny zava-boasoratra ao dia mahatoga azy io ho zavatra tsy maintsy arahana ny fanatanterahana ny baiko tahàka izany ho an'ireo rehetra mpiasam-bahoaka.

Zava-dehibe io, indrindra fa hoe Erdoğan, amin'ny maha-filoha azy, dia manana dindo tsy azo tsinontsinoavina amin'ny fanendrena ireo governora atolotry ny governemanta. Mamela ny filoha sy ny governemanta io ho afaka hitsabaka amin'ny fanadihadian'ny polisy amin'ny alàlan'ny fanaovana tsindry aloka avy any ambony.

One of the e-flyers made by Democrat Lawyers for Freedom to inform the public about the surveillance bill. 'When the proposal passes into law, police can stop and frisk anyone, search their possessions and car without a warrant from a court.' Taken from the group's Facebook page. 

“Rehefa mivadika ho lalàna ilay volavaola, azon'ny polisy samborina sy savaina ny olona rehetra, misava ny fanànany sy ny fiarany tsy misy taratasy avy amin'ny fitsaràna.” Nalaina tao amin'ny pejy Facebook-n'ireo Demaokraty mpisolovava ny Fahalalahana. 

Hatreto, nolavin'ny fiarahamonim-pirenena sy ireo antoko mpanohitra tao amin'ny antenimiera — izay ny AKP no manana ny maro an'isa — ilay tolo-dalàna, nefa ny antoko eo amin'ny fitondràna tsy nampiseho marika ny mety hihalefahany hamaha io olana io. Tao anatin'ny ohatra farany akaiky indrindra amin'ny famaritana malalaka be ny atao hoe filaminam-pirenena ao Tiorkia, nosakanan'ny  governemanta ny fitokonana nokasain'ireo mpiasan'ny fandrendrehana vy hatao mandritry ny 60 andro, tamin'ny 30 Janoary, tamin'ny fitanisàny ny loza mitatao ho an'ny “filaminam-pirenena”, tsy nasiany fanazavana misimisy kokoa.

Toa amin'ny herinandro ho avy io ireo mpanao lalàna no hifidy handany na tsia lay volavolan-dalàna momba ny resaka fandriampahalemana. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.