Tsidiho Amin'ny Alalan'ny Solosainao Noho ny Fisian'ny Google Street View i Bangladesh

Launching of Google Streetview Car in Bangladesh.  Image by Rezwan. (9/2/2013)

Fampahafantarana ofisialy ny fiaran'ny Google Streetview ao Bangladesh. Sary avy amin'i Rezwan. (9/2/2013)

Afaka mamatantra an'i Bangladesh ny olona manerana izao tontolo izao amin'ny alalan'ny fampiasana smartphone na solosain’izy ireo noho ny fivoahan'ny tolotra Google Street View (Tazan'i Google hatreny an'Arabe) tao amin'ny firenena Azia Atsimo tamin'ny 5 Febroary 2015. Mandehandeha eny an-dalamben'i Dhaka sy Chittagong, tanàna roa midadasika indrindra ao Bangladesh, na mitrandraka ireo sary talaky maso nomerika 40 ahitana ny toerana manantantara, vakoka, ary fitsidihana izay azo jerena ao amin'ny Google Maps ihany koa..

Herintaona no nanatontosaina ny Street View ao Bangladesh – tamin'ny 14 Febroary 2013, tao Uttara ao Dhaka no nanombohan'ny fiara Google Street View ny asany. Firenena faha-65 nahazo ity tolotra Google nivoaka tamin'ny Mey 2007 ity i Bangladesh.

Vokatry ny fiarahamiasa teo amin'ny Google sy ny fandaharana Access to Information (A2I) [Fahafaha-miditra amin'ny torohay] avy amin'ny biraon'ny praiminisitra ao Bangladesh ny Street View ao Bangladesh, izay tohanan'ny Fandaharan'asam-pampandrosoan'ny Firenena Mikambana sy ny Sampan-draharaha Amerikana misahana Fampandrosoana Iraisampirenena.

Bangladesh Parliament House in Google Streetview

Lapan'ny Antenimiera ao Bangladesh amin'ny Google Streetview

Ny Google Street View dia teknolojia misongadina ao amin'ny Google Maps ary mampiseho sarin'arabe ambony kalitao mahita hatramin'ny 360 degre. Ny ankamaroan'ny sary dia vita tamin'ny alalan'ny fiaran'ny Google Street View, saingy misy notontosain'ny mpandeha kodiaran-droa, kodiaran-telo ary fitaovana ampiasaina anaty rano. Manana fakantsary sivy, GPS sy teknolojia laser izay mandrakitra ny elanelana eo amin'ny fakantsary sy ny toerana manatantara ny fiara Street View. Kirakiraina avy eo ny sary ary atao somary manjavozavo ny mombamomba ny olona manokana (endrika, nomeraon'ny fiara, sns) ary avy eo avoaka ao amin'ny Google Maps.

Mijanona tsy milalao ny Fiara #StreetView. Tongasoa ato amin'ny ekipa, #Bangladesh!

Nizara ny heviny mikasika ny Street View  tao amin'ny haino aman-jery sosialy ireo Bangladeshita maromaro. Pavel Sarwar, Tale Jeneralin'ny rindrambaiko startup iray ao Bangladesh nandefa sary mahatsikaiky tao amin'ny Facebook miaraka amin'ny soratra hoe:

#GoogleStreetView এ নিজের লুঙ্গি দেখে খুবই মজা পাইলাম।।

Faly mahita ny lungi-ako [akanjo mitovy amin'ny sarong] ao amin'ny #GoogleStreetView

#GoogleStreetView এ নিজের লুঙ্গি দেখে খুবই মজা পাইলাম।।  [Amused to see my Lungi (a Sarong like cloth) in Google Streetview]

Sary avy amin'ny mpisera Facebook, Pavel Sarwar.

Kajal Abdullah nanoratra tao amin'ny Facebook:

কয় ঘন্টা ধইরা ঢাকার রাস্তার স্ট্রিটভিউ দেখতেছিলাম! বাসার সামনের রাস্তা দিয়া হাইটা আসলাম। মোবাইলে গুগলের স্ট্রিটভিউ দিয়া! মাথা নষ্ট ম্যান!
‪#‎ThankYouGoogle‬ ‪#‎GoogleMap‬ ‪#‎StreetView‬ ‪#‎Dhaka‬ ‪#‎Bangladesh‬ ‪#‎গুগল‬ ‪#‎Google‬ ‪#‎GoogleEarth‬

Nisavasava ny lalana ao Dhaka nandritra ny fotoana vitsivitsy aho. Tamin'ny alalan'ny fampiasana Google Streetview tamin'ny findaiko, niampita arabe tao an-tranoko aho. Mahafinaritra tanteraka zalahy a!

Nivazivazy sy nandefa sary i Tafsier:

Street View দেখার লোভ সামলাতে না পেরে এখন মোবাইলের মাধ্যমেই দেখছি! নিজের এলাকার ছবি দেখতে গিয়ে এ কি দেখলাম! 🙂 #StreetView #GoogleMaps

Mijery amin'ny Street View amin'ny findaiko aho. Saingy inona no avy hitako? 🙂 #StreetView #GoogleMaps

Street View দেখার লোভ সামলাতে না পেরে এখন মোবাইলের মাধ্যমেই দেখছি! নিজের এলাকার ছবি দেখতে গিয়ে এ কি দেখলাম! grin emoticon #StreetView #GoogleMaps

Sary avy amin'ny mpisera Facebook, Tafsier

Nanatontosa lahatsary asosa haingana dia haingana ny tanànan'i Dhaka tamin'ny fampiasana ny sary Google Street View i Tamzid Farhan Mogno:

Tamina lahatsoratra tao amin'ny Daily Star, Anir Chowdhury, mpanolo-tsaina politika ao amin'ny tetikasa Fahafaha-miditra amin'ny Torohay, namariparitra ny fomba namoronan'ny Google Street View fanararaotana hoan'i Bangladesh mikasika ny fampiroboroboana ny fizahantany sy ny fisarihana fampiasam-bola vahiny:

Google Maps and StreetView will play a key role as our country's small and medium businesses go online and improve their web presence. [..] Teachers in Bangladesh and around the world could use the imagery in lessons about culture, history, geography, architecture and local businesses. Students can see parts of the country which they may not have the chance to experience in person otherwise. StreetView technology could also play a key role in innovating Bangladesh's crisis response strategy by assessing locations where natural disasters have taken place.

Mitàna andraikitra lehibe eo amin'ny firenena ny Google Maps sy ny StreetView noho ny fandehanan'ny orinasa madinika sy salantsalany an-tserasera sy manatsara ny fijoroany anaty habaka. [..] Afa-mampiasa ny sary amin'ny lesona momba ny kolontsaina, ny tantara, ny jeografia, ny maritrano sy ny fandraharahana ao an-toerana ireo mpampianatra ao Bangladesh sy manerantany. Afaka mijery ny faritra sasany ao amin'ny firenena izay mety mbola tsy nandehanany na hitany mivantana ireo mpianatra. Afaka mitana andraikitra lehibe amin'ny fanavaozana ny tetikady hamahana ny krizy ao Bangladesh ihany koa ny teknolojia StreetView amin'ny alalan'ny famantarana ireo toerana nitrangan'ny loza voajanahary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.