Eritreretin'ny Masedoniana Ny Hampiasa Ny Lalànan'ny Fahalalahana Mahazo Hanoherana Ny Lalàna Vaovao Momba Ny Mpiasa Mahaleotena

Image of protesters from the first march of part-time and freelance workers in Macedonia, December 2014. Photo courtesy of Akademik.mk, used with permission.

Sarin'ireo mpanao fihetsiketsehana, avy tamin'ny diabe voalohany nataon'ireo mpiasa amin'ny ampaham-potoana sy mahaleotena any Makedonia, Desambra 2014. Sary nomen'ny Akademik.mk maimaim-poana, nahazoana alalana ny fampiasàna azy.

Manakaiky ny olona miisa 1.000 tao Makedonia no nanao sonia handray anjara amin'ny fihetsiketsehana faharoa an'ireo mpiasa amin'ny ampaham-potoana sy mahaleotena , izay novinavinaina hatao ny 6 Febroary teo. Nandritra ny fihetsiketsehana voalohany ny volana Desambra 2014, olona an'arivony maro no nidina an-dalambe tao Skopje, nanao diabe nanohitra ireo haba sy hetra fanampiny napetrak'ireo fehezan-dalàna vaovao an'ny governemanta, izay manan-kery manomboka ny 1 Janoary 2015.

Noho ireo fifanoheran-kevitra ao amin'ilay fehezan-dalàna vaovao, ary ny tsy fahampian'ny lamina eo amin'ireo vondrona ao amin'ny governemanta amin'ny fametrahana ilay lalàna vaovao, naato ny faramparan'ny volana Janoary teo ny fandoavana ireo vola aloa ho an'ny asa amin'ny ampaham-potoana sy mahaleotena, ho an'ireo sokajinà mpiasa sasantsasany. Nitatitra izao vao haingana ny masoivohom-baovao META.mk: :

Amin'ny volana lava indrindra anatin'ny taona, havela tsy hisy vola miditra ireo mpiasa tsy miankina izay manana vola aloa mihoatra ny 9.590 dinary [178 dolara Amerikana]. “Berin”, masoivoho momba ny Fizakamànana, dia nilaza fa naharay taratasy izy ireo avy amin'ny Tahirimbola Fiahiana ny Fisotroan-dronono sy Tsy Fahafahana Miasa (PIOM), nangataka azy ireo tsy handoa vola mihoatra ny 9.590 dinary, mandra-pamoaka amin'ny vohikala ny fomba fitondràna ny kajy. Araka ny voasoritra tao amin'ilay taratasy, ny tsy fahampian'ny lamina eo amin'ny Ministeran'ny Asa sy ny Pôlitika Sôsialy, PIOM ary ny PRO momba ilay lalàna vaovao no anton'izany, izay mitaky ireo mpiasa tsy miankina, mba handoa latsakemboka ho amin'ny fisotroan-dronono sy tsy fahafahana miasa ihany koa.

Ny mampiavaka ity hetsi-panoherana vaovao nokarakaraina ity amin'ireo hafa dia izy mampiasa fomba fiady vaovao: miomana ny hangataka ny hanazavàn'ny Ministeran'ny Asa sy ny Politika Sosialy ny mikasika ireo fifanoheran-kevitra ao anatin'ilay lalàna ireo mpandray anjara, amin'ny fampiasàna ireo fitakiana ao anatin'ny Lalàna momba ny Fahalalahana Mahazo Vaovao (FOI). Amin'ny fametrahana ireo fangatahana mba hahazo loharanom-baovao, toy ireo antony mahatara ny fandoavam-bola, mikatsaka ny hampiseho ny tsy fahaiza-miasan'ny mpiasa biraon'ny ministera ireo mpanao fihetsiketsehana, amin'ireo lazain'ny maro ho resaka tsy misy dikany ary fehezan-dalàna tsy misy dikany.

Ајде хонорарци да одиме во МТСП и да си ги побараме одговорите што ни ги должат!
Цел јануари многумина од нас не добија хонорар, АЈДЕ ДА ПРАШАМЕ!
На некои им прекина авторскиот договор АЈДЕ ДА ПРАШАМЕ!
Не не прашуваа кога решаваа во лето да сменат 5 закони, ајде сега НИЕ да ги ПРАШАМЕ!
Петок, 6 февруари 11.00часот. Министерство за труд и социјална политика.
Имате формулари.
Имаме ПРАВО на одговори!

ДЕТАЛИ ЗА НАСТАНОТ
Секој хонорарец поднесува барање за информација од јавен карактер до министерството по што им се придружува на останатите кои стојат пред министерството. Поднесувањето барања се планира да трае два часа.
Урнекот на барањето за информации од јавен карактер можете да го преземете од коментарите. Прашања можете сами да поставите или можете да преземете некое прашање од листата што исто така ја имате како коментар.

Mandrosoa ry mpiasa tsy miankina, ‘ndeha hankany amin'ny Ministeran'ny Asa sy ny Pôlitika Sôsialy, ary hangataka ny valinteny tokony homeny antsika.
Maro amintsika no tsy naharay karama nandritra ny volana Janoary, ‘ndeha hanontaniana azy ireo hoe nahoana!
Ny sasany amintsika notapahana ny fifanarahana amin'ny asa, ‘ndeha hanontaniana azy ireo hoe nahoana!
Tsy nanontany antsika izy ireo raha nanova lalàna miisa dimy tamin'ny lohataona lasa teo, ‘ndeha hanontaniantsika azy ireo izao!
Zomà 6 Febroary, amin'ny 11 ora alina. Ministeran'ny Asa sy ny Pôlitika Sôsialy.
Ampiasao ny taratasy nampiarahana amin'ity.
Manana zo hahazo valinteny isika.

ANDININDININY TAMIN'NY HETSIKA
Samy hametraka fangatahana FOI ao amin'ny ministera daholo ny mpiasa tsy miankina tsirairay, ary avy eo mirevina manatevina ny laharan'ireo mitsangana eo anoloan'ny ministera. Mila eo amin'ny adiny roa eo ho eo ny fizotr'ilay fametrahana fangatahana.
Miaraka amin'ireo fanehoan-kevitr'ilay hetsika ny maodely amin'ilay fangatahana [afaka azo amin'ny teny Masedoniana sy Albaniana]. Afaka misafidy ny fanontaniana anao manokana ianao na mandika ny sasany amin'ireo lisitra izay efa miaraka ao.

Araka ny Lalàna Masedoniana momba ny Fahalalahana Mahazo Loharanom-baovao amin'ny mpiasam-bahoaka, voatery hanome valiny ao anatin'ny 30 andro ireo fangatahana FOI an-tsoratra ireo ny mpiasam-panjakana. Tokony hahazo valiny ao anatin'ny dimy andro kosa ireo nametraka ny fangatahany mivantana am-bava. Afaka jerena bebe kokoa ny lalànan'ny FOI, ao amin'ny vohikalan'ny Kaomisiôna ho an'ny Fiarovana ny Zo Hahazo Malalaka Loharanom-baovao natao ho an'ny Daholobe, sy ny “Zo Hahafantatra” vavahadin-tseraseran'ny fiarahamonim-pirenena fanomezana vaovao.  Anjatony maro, raha tsy mihoatra, ireo fangatahana FOI heverina hivantana any amin'ny governemanta Masedoniana avy tamin'io fihetsiketsehana io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.