Nakaton'i Bahrain Ny Fahitalavitra Al Arab, Nolazainy Fa “Tsy Manana Fahazoan-dalana” Hisokafana

Al Waleed bin Talal's Al Arab TV was shut down in Bahrain a few hours after it went live. Today, almost a week later,  the Ministry of Information issues a Press release saying that the channel will be closed as it did not have the necessary permits

Nakatona ny fahitalavitra Al Arab an'i Al Waleed  ao Bahrain ora vitsy taorian'ny nandehanany. Namoaka fanambarana an-gazety ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao, efa ho herinandro taty aoriana fa hakatona ny fahitalavitra satria tsy manana fahazoan-dalana ilaina

Nanambara tamin'ny fomba ofisialy ny fampiatoana ny fahitalavitra mandeha amin'ny zana-bolana Al Arab i Bahrain androany, taorian'ny sivy andro nanaovana fanadihadiana ka manamafy indray ny lazan'i Bahrain ho toy ny fahavalon'ny fahalalaham-pitenenana.

“Nanambara ny fampiatoana ny fahitalavitra zanabolana Al-Arab ny Fahefana Misahana ny Raharaha fampahalalam-baovao (IAA) taorian'ny tsy fahazoany alalana ilaina andefasana fandaharana amin'ny fahitalavitra  ao Bahrain,” hoy ny fanambarana navoaka tamin'ny Sampam-baovaom-Panjakana.

Hoy ihany koa ny fanambarana:

the Channel had also failed to match the standards of regional and international practice agreements, to take account of efforts aimed at stemming the tide of extremism and terrorism throughout the region and the wider world.

Tsy nahafeno ireo fenitra fifanekena rezionaly sy iraisam-pirenena ihany koa ny fantsona, ho fanajana ireo ezaka hanakanana ny fihanaky ny extremisma sy ny fampihorohoroana manerana ny faritra sy izao tontolo izao.

Nanapaka tampoka ny fandaharana voalahatra tamin'ny 1 Febroary ny fahitalavitra, izay fananan'ilay mpandraharaha mpanapitrisa Saodiana  Prince Waleed bin Talal Al, ora vitsy monja taorian'ny fandehanany valohany, taorian'ny antsafa miaraka amin'ilay olo-malazan'ny fanoherana Khalil Al Marzooq, avy ao amin'ny Fikambanana Islamika Al Wefaq . Tamin'izany fotoana izany, nilaza ny fahitalavitra fa hampiato ny fandaharany noho ny “antony ara-teknika sy ara-pitantanana” ary “hiverina tsy ho ela.”

Nisioka tao amin'ny kaonty Twitter-ny ofisialy ny fantsona tamin'ny 2 Febroary:

Najanon'ny Fahitalavitra Al Arab ny fandaharana noho ny antony ara-teknika sy ny ara-pitantanana ary hiverina tsy ho ela izahay raha sitrapon'i Allah

Fampahalalam-baovao mahazatra sy antserasera ary maro hafa no nampifandray ny fampiatoana ny Al Arab noho izy nampiantrano an'i Al Marzook, izay nitabataba nanohitra ny fanambaran'ny governemanta Bahrainita nanafoana ny zom-pirenen'ireo olom-pirenena 72 noho ny “famotehana ny fiarovam-pirenena”. Mpikatroka ara-politika sy mpanohitra malaza avokoa ireo voaisotra fizakana zom-pirenena ireo, anisan'izany ny dokotera, ireo manam-pahaizana ara-pivavahana, ny bilaogera ary ny mpanao gazety monina any ivelany. Anisan'ny tafiditra amin'izany ihany koa ireo Bahrainita 20 miady eo ambanin'ny sainam-pirenen'ny Fanjakana Islamika, anisan'izany Turki Al Binali; mpitarika foto-kevitra Fanjakana Islamika.

Nandà ny fifandraisan'ny fipoiran'i Al Marzook sy ny fanakatonana ny fantsona ny governemantan'i Bahrain. Saingy maro no nahita ny fanakatonana ny fantsona noho izy tsy manana fahazoan-dalana ilaina ho sarotra inoana.

Bent Al Ajaweed manamarika hoe:

Nanokatra birao tao an-toerana izy ireo, nandray mpiasa ary niasa hanatontosa fandaharana, ary nanambara ny fisokafany mialoha tamin'ny fampahalalam-baovao, taorian'izany rehetra izany [nakatona izy ireo] noho ny tsy fananana fahazoan-dalana ilaina?

Nampiasa ny fanoharana Who Wants to be a Millionaire (Iza no te ho mpanapitrisa)  ilay Bahranita mpanoratra gazety Hussain Qassim mba hamaritana ny toe-draharaha [Mila mahafantatra tsara ilay fandaharana vao mahatakatra ny tian'ny mpanoratra holazaina]:

Matoky ve ianao fa tsy nakatona ny Al Arab TV satria nampiantrano ilay Bahrainita mpanohitra malaza Khalil Al Marzook? Matoky 100 isan-jato ve ianao? Te hanaisotra valin-teny roa ve ianao sa hiantso namana an-tariby?

Nanazava kosa ilay mpanao gazety any an-tsesitany Adel Marzook:

Manambara amin'ny fomba ofisialy i Bahrain fa  nanakatona ny fahitalavitra Al Arab satria tsy manana fahazoan-dalana ilaina ahafahana mandefa fandaharana izy. Tsara ny manamarika fa tsy manana lalàna handaminana ny fandefasana fahitalavitra ao amin'ny firenena akory i Bahrain

Mailaka ihany koa ireo mpiserasera manamarika fa tsy noleferina mihitsy ny endrika fanoherana rehetra ary notampenam-bava avy hatrany ao amin'ny firenena efa namely ilay antsoina hoe fihetsiketsehana Lohataona Arabo Febroary 2011.

Araka ny filazan'ny tatitra 2013 avy amin'ny Reporters Without Borders:

The Bahraini authorities continue to obstruct the work of journalists and to arrest, imprison and prosecute news providers in violation of the international undertakings it gave to the UN Human Rights Council in 2012.

Manohy manohintohina ny asa fanaovan-gazety ny manampahefana Bahrainita ary misambotra, managadra sy mitory ireo mpamatsy vaovao ao anatin'ny fanitsakitsahana ny fifanekena iraisam-pirenena izay nekeny nandritra ny Filankevitry ny Firenena Mikambana momba ny Zon'olombelona tamin'ny 2012

 

Nitohy nandritra ny taona 2014 ity toe-draharaha malaza ity, ary nanao fampitahana ny fanakatonana ny fahitalavitra sy ny fihazakazahan'ny governemanta Bahrainita amin'ny fanakatonana ireo feo manohitra ny mpiserasera.

Abu Omar Al Shafie manamarika hoe:

Hijoro ho vavolombelona ny tantaran'ny haino aman-jery fa tsy mahazaka mahita ilay mpanohitra malaza  Khalil Al Marzook amin'ny fahitalavitra mandritra ny 90 segondra ny manampahefana Bahrainita ary nakatona ny fahitalavitra

Yacoub Al Slaise manazava amin'ireo mpanjohy azy 5000:

Ohatra vaovao amin'ny fomba fanimbana sy ny fandotoana ny lazan'i Bahraiin ataon'ny governemanta ny fanakatonana ny Al Arab. Fanararaotra tsara dia tsara very maina indray.

Mpisera Twitter Ahmed Al Ghasra miresaka amin'ireo mpanjohy azy 3.150 ao amin'ny Twitter:

Miady amin'ny haino aman-jery nandritra ny fotoana ela i Bahrain. Nakaton'izy ireo ny biraon'ny Al Jazeera, noesorin'izy ireo ny fahazoan-dalan'ireo mpanao gazety, nampiditra am-ponja sy namono mpanao gazety izy ireo ary nisambotra mpaka sary.

Tamina sioka hafa, hoy izy nanoratra:

Firy amin'ireo fampiasam-bolan'i Al Waleed [Bin Talal] ho hizaka ny voka-dratsiny taorian'ny fanakatonana ny fantsona? Misy hotely tokony hisokatra any ho any, misy koa fanamboarana hafa ary fampiasam-bola hafa. Ahoana ny ho taratr'izany eo amin'ny toe-karena?

Manontany izay hitranga amin'ireo mpiasan'ny fahitalavitra kosa ilay mpanoratra gazety Mohammed Al Ghasra.

Mpiasa 380 no miasa ao amin'ny fantsona, Saodiana avokoa ny 70 isan-jaton'izany, ary Barhainita kosa ny ankamaroan'ny ambiny. Inona no hitranga amin'izy ireo, hahazo asa ve izy ireo, tokony hiala ao Bahrain ve ny fahitalavitra?

Nandritra izany, manam-pahaizana Bahrainita Abdulhadi Khalaf, izay voaisotra zom-pirenena ihany koa mamehy hoe:

Eto am-pamaranana, raha niasa andro aman'alina ny mpanohitra, ka ao daholo ny karazan'antoko rehetra,  nanazava tamin'izao tontolo izao ny fialan'ain'ny fahalalaham-pitenenana , dia tsy nahavita izay nataon'ny governemanta tamin'ny fanakatonana ny fahitalavitra Al Arab izy ireo.

Toa hita ihany koa fa nakatona ny habaky ny fahitalavitra. Pikantsary tao Bahrain androany maraina ity:

Al Arab TV website seems to have closed down as well. Screenshot taken at 8pm Bahrain time, on February 9

Toa hita fa nikatona ihany koa ny habaky ny fahitalavitra Al Arab. Pikantsary nalaina tamin'ny 8 maraina ora ao Bahrain tamin'ny 9 Febroary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.