Ireo Firenena Tena Mahafaty Mpanao Gazety Any Amin'ny Ilabolantany Andrefana

2014 World Press Freedom Index map by Reporters Without Borders.

Sarintany mampiseho ny tondro momba ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazey Erantany 2014 avy amin'ny Reporters Without Borders (RSF).

Vao haingana ny Reporters Sans Frontières no namoaka ny tondro mikasika ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana gazety erantany 2014, izay ahitàna an'i Meksika any amin'ny laharana #152 amin'ireo firenena 180. Nasongadin'ilay fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana manana ny foibeny ao Frantsa ny “fitontogànana amin'ny lafiny rehetra mihitsy” tamin'io taona io, eo amin'ny fandaharana rehetra fanao isan-taona.

Toerana ahitàna ny orinasa misahana haino aman-jery goavana indrindra ao Amerika Latina no sady misy ihany koa ny mpanankarena voaiben'ny fifandraisana Erantany, toerana efatra monja no niakaran'i Meksika niala avy amin'ilay fandaharana tamin'ny 2013. Io zavabita faran'izay kely mahaketraka io no nitarika ilay ONG hanipika ny herisetra sy ny tsimatimanota atrehan'ireo Meksikana mpanao gazety amin'ny asany isanandro vaky:

Ity no firenena tena nahafaty mpanao gazety taty amin'ny ilabolanteny andrefana ho an'ny taona 2014 (ho an'ireo vono olona mifamatotra mivantana amin'ny asa fampahalalana vaovao). Vono olona, fakàna an-keriny, fandratràna ary fandrahonana, samy toa mandeha ho azy tsy misy voasazy izy ireny, lasa manosika ny tahotra sy ny fanivànan-tena.

Tamin'ny 2014, mpanao gazety roa matianina no maty nisy namono, ankoatr'ilay olom-pirenena tsotra miasa amin'ny fanaovan-gazetin'olontsotra, fiantraikany mivantana nateraky ny zava-boasoratr'izy ireny. Ilay lazaina fa ady atao amin'ny mpanondrana zava-mahadomelina natomboky ny governemanta Meksikana tamin'ny 2006 no mifampitohy amin'izao fitomboan'ny herisetra sy kolikoly ao amin'ny firenena izao, nitarika ho any amin'ny faharefoan'ny fitsaràna sy ny zon'olombelona:

Ny fifanarahana miafina amin'ireo mpanao heloka bevava efa niomànana sy ireo politisiana sasantsasany ary ireo mpiasam-panjakana eo an-toerana no manelingelina ny fitantanana tsara tàntana sy ny fitsaràna amin'ny ambaratonga rehetra. Tsy mahomby ny rafitra federaly ho fiarovana ireo mpiaro ny zon'olombelona sy ny mpanao gazety, na tsy haingam-piasa araka ny tokony ho izy mba hiatrehana ny filàn'ireo mpanao gazety tandindonin-doza.

Ao anatin'io tontolo mampahatahotra ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety io, tsipihan'ilay ONG ny tsy fahampian'ny fahamaroana eo amin'ny sehatry ny fahitalavitra, izay io no tena fampahalalana vaovao manana ny lazany ao amin'ny firenena:

Mizaka tsy fahampian'ny hamaroana ny sehatry ny fahitalavitra, ary ny faharefoan'ireo toby fampielezampeo am-bohitra, izay mazàna no misedra fandàvana araka ny lalàna tsy hahazo onjam-peo sady iharan'ny fanaovana antsojay.

Nitsingidina i Meksika ho any ambanin'ireo firenena hafa misy fifandonana, toa an'i Afghanistan (#128) sy Okraine (#127), ary lavitra be any ambanin'i Costa Rica (#16) mpifanolo-bodirindrina aminy.

Ireo firenena hafa ao anatin'ilay antsoina hoe “Americas” ihany koa, toa an'i Venezoela (#116), Honduras (#129) ary Goatemala (#125) dia samy any ambonin'i Meksika avokoa ao anatin'ilay filaharana, saingy mbola ahitàna taratra ihany ny endrika mampivarahotsana ho an'ireo mpiasan'ny fampahalalana vaovao. Kiobà (#170) dia ambanimbany ihany ao anatin'ilay filaharana raha oharina amin'ireo firenena hafa ao anati'ny “Americas” saingy nahavita niakatra zava-tohatra iray raha jerena ny tamin'ny taona lasa. 

Ny fomba fitondra ny karazana asa tahaka io no matetika anton'ny fifamalian-dresaka. Tamin'ity taona ity, nanova ny fomba fanaony ny Reporters Sans Frontières tao anatin'ny ezaka ataony mba hifandrindra bebe kokoa amin'ny toe-draharaha rehetra tsy maintsy ho atrehan'ireo “mpanao gazety, mpampahalala vaovao sy bilaogera.” Ilay tondro dia novokarina avy amin'ny fametrahana fanontaniana novalian'ireo mpifandray aminy, ireo fikambanana mpiara-miasa ary hatraminà mpahay lalàna sy mpiaro zon'olombelona, araka ny nambaran'ilay ONG.

Mety tsy hahafa-po ireo mpandalina io fomba manokana mifototra amin'ny fijerin'ny tsirairay io, indrindra fa hoe 10% amin'ireo mpifandray aminy no avy any ivelan'ilay firenena anaovany fanadihadiana, hoy ny fanamarihan'ny  Deutsche Welle.

Fa amin'izao fotoana izao, tsy namoaka fanambaràna, na iray aza, momba ilay tondro momba ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety 2014, ilay mpampanoa lalàna voatokana ho amin'ny heloka bevava manjo ny fahalalahana maneho hevitra (Fiscal Especial para la Atención de Delitos Cometidos en Contra de la Libertad de Expresión) — sampana iray ao anatin'ny biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana ao Meksika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.