Ankizivavy Manao Sarintanin'i Palestina Amin'ny Bala Israeliana Nangoniny Manodidina Ny Tranony

A Palestinian girls draws the map of Palestine using Israeli bullets. Photograph shared by @Palestinianism on Twitter

Ankizivavy Palestiniana manao ny sarintanin'i Palestina amin'ny fampiasana bala Israeliana. Sary nozarain'ny @Palestinianism tao amin'ny Twitter

Nivezivezy tao amin'ny fampahalalam-baovao sosialy ity sary ity androany. Araka ny filazan'ny Palestinianism, izay manana mpanjohy 21.8K ao amin'ny Twitter:

Nanangona ireo bala Israeliana manodidina ny tranony ity ankizivavy Palestiniana ity ary nanoritra ny sarintanin'i Palestina tamin'izany

Hoy i Palestianism nanohy:

Manontany tena aho indraindray hoe manao ahoana ny ho fitombon'ireo ankizy mitovy taona aminy raha tanky, bala, grenady, balafomanga sy baomban'i Israely no manodidina azy ireo.

Ary nanohy hoe:

Iza no homen-tsiny raha mihalehibe tsy misy na inona na inona afa-tsy fahatezerana sy fankahalana ao anatiny ireo ankizy ireo.

Tsy misy ny vaovao azo omena mikasika ny mombamomba ilay ankizivavy, na koa ny toerana niaviany ao Palestina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.