Niresaka Ireo Olana ny Filoham-pirenena Tajika? Nitehaka ny Antenimiera?

Tajik parliament applauds during the presidential message. Photo from Tajikistan President's page in Flickr.

Parlemanta Tajik nitehaka nandritra ny hafatry ny filoha. Saripika avy ao amin'ny pejy Flickr Filohan'i Tajikistan’

Tamin'ny 23 Janoary 2015, nitafa farany tamin'ny Parlemantan'ny fireneny ny filoha Tajik Emomali Rahmon alohan'ny fifidianana izay efa vita fandaharam-potoana hotontosaina amin'ny Martsa 2015.

Nandritra ity fehim-potoana fiasana ity ny antenimiera Tajik ity — izay ireo solontena avy amin'ny antoko Demokratika an'i Rahmon no tena maro an'isa be — no nahazo tsikera mavaivay avy amin'ny fiaraha-monim-pirenena sy ireo mpampiasa ny tambajotra sosialy noho ny fahitana ny fahakamokamoan-dry zareo.

Ireo fomba fijery ireo dia tafiditra ao amin'ny fanehoan-kevitra Facebook nandritra ny lahateny nataon'ilay mpisolovava fanta-daza noho ny fananany fijery manohitra, Fayzinisso Vohidova :

Ачоиб. Президент бо як хуни чигар аз зиед шудани вайроншавии оилахо назар ба соли гузашта сухан карда, омилхои чудо шудани чавононро тахлил мекунад, вакилон карсак мезананд. Президент аз кудакони маъюби модарзод ва беморихои онхо сухан мекунад, вакилон карсак мезананд. Карсакзании вакилонро хатто набераам дарк карда гуфт, ки чаро ин кадар онхо карсак мезананд. Ман мачбур шудам бигуям, ки президент мотам дорад, вакилон ид!

Mahaliana. Niresaka momba ny fitombon'isan'ny fisaraham-panambadiana, ny filoham-pirenena, raha ampitahaina tamin'ny taon-dasa  ary namakafaka ny antony mahasimba ny fianakaviana tanora. Nitehaka ireo Depiote. Niresaka momba ireo ankizy manan-kilema sy ny aretin'izy ireo ny Filoha. Nitehaka ireo Depiote. Na ny zafikeliko azy manontany ahy ny antony mampitehaka foana ireo parlemantera ireo. Tsy maintsy  niteny taminy aho fa ao anatin'ny fisaonana ny filoha, saingy ao anatin'ny fety kosa ny antenimiera.

Miisa 63 ankehitriny ny mpikambana parlemantera ao Tajikistan, singatsingany amin'izy ireo ihany anefa no mampiseho fahalianana hiaro ny zon'ny mpifidy, nitaraina ireo mpikatroka sivika.

Valo amin'izao fotoana izao ny vondrona politika voasoratra anarana ao Tajikistan, ka roa amin'ireo ihany no azo heverina ho tena mpanohitra — ny Qntokom-Pifohazana Islamika (IRTP) sy ny Antoko Demaokraty Sosialin'i Tajikistan (SDPT). Ny SDPT, izay tsy tao anatin'ny antenimieram-pirenena mihitsy dia nandrahona ny hanao ankivy ny fifidianana ho avy ho  fanoherana ny ny fanamelohana ny filoha lefitr'izy ireo antsoina hoe Shuhrat Qudratov navoakan'ny fitsarana tao an-toerana. Nitaraina noho ny fitombon'ny tsindry avy amin'ny governemanta ireo antoko roa ireo ao anatin'ny fihazakazahana fandrotsaham-bato amin'ny volana Martsa.

Efa maminavina ny manam-pahaizana fa mbola hanjakazakan'ny antokon'i Rahmon ny antenimiera manaraka eo. Hatramin'ny nahazoan'ny Tajikistan ny fahaleovantenany dia tsy mbola nankato mihitsy ny fifidianana tao ho mangarahara na tsy mitanila ny OSCE.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.