Zazavavy Malayziana Norahonana Hogadraina Fa Nifamihana Ampahibemaso Tamin'ny Kintan'ny K-Pop

Screenshot of YouTube video by KPop Blitz

Pikantsary YouTube avy amin'ny lahatsary navoakan'i KPop Blitz

Efa antaonany maro izao ny tarika feon-dehilahy K-pop no misitraka laza ambony dia ambony tsy ao Korea Atsimo ihany, fa manerana an'i Azia mihitsy. Saingy ao Malayzia, tsy ny rehetra no mpankafy ireo kintan'ny pop ireo na ny vehivavy mpanaraka azy ireo.

Nanome baiko hanaovana fanadihadiana ireo vondrom-behivavy mpankafy ilay tarika feon-dehilahy K-pop antsoina hoe B1A4 ny manampahefana ao amin'ny firenena izay maro an'isa ny miozolomana noho ny filazana fa nisy fihetsika “tsy mendrika” natao imasom-bahoaka izay manitsakitsaka ny fitsipi-pitondratena Syariah nitranga raha nisy mpikamban'ny tarika namihina sy nanoroka azy ireo teo amin'ny handrina tamin'ny tapaky ny volana Janoary 2015. 

Namerina sombin-tsehatra avy amin'ny tantara mitohy koreana tatsimo malaza iray niaraka tamin'ny zazavavy teo amin'ny lampihazo ireo kintan'ny mozika pop nandritra ny fihaonana tamin'ny mpankafy. Nilaza ny mpikarakara fa nofantenana kisendrasendra ireo voatsonga ary namerina hatrany ny fankatoavany, saingy nisy fantsona fahitalavitra Malayziana iray namoaka lahatsary YouTube tamin'ny lanonana izay tsy misy ifandraisany amin'ny lohateny miampanga ny tarika ho “namiravira zazavavy miozolomana”.

Ny famotorana dia nifantoka tamin'ny mety hamelomana indray ny [lalànan'ny] Fahotana bevava ao amin'ny Syariah izay voahosihosy; ny tapany faha-29 amin'ny lalàm-panjakana dia mametraka fa ‘ny fihetsika tsy mendrika atao amin'ny toerana hitan'ny besinimaro dia mahavoasazy mandoa onitra na migadra mandritra ny fotoana tsy mihoatra ny enimbolana na mahazo ireo sazy roa ireo’. Tamin'ny 21 Janoary, nanaiky ny Departemantam-Pivavahana Federaly (JAWI) ao Malayzia fa tsy misy ny fototra araka ny lalàna amoahana ny didy mampigadra mandritra ny fotoana voafetra ireo zazavavy fa ny hany azon'izy ireo atao dia ny manome fampitandremana.

Nororitin'ny seha-baovao Koreana Tatsimo ny tantara, indrindra rehefa nihanaka haingana ny siokan'ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Malayziana, Khairy Jamaluddin, nitesaka momba ity raharaha ity:

Betsaka ny zavatra voambara momba ny K-pop. Manantena aho fa hitodi-doha any amin'ireo lehilahy tsara tarehy matro-bolo kokoa ireo zazavavy Malayzian ireo. Fa tsy amin'ireo hatsatra, mahia sy tsara tarehy [tahaka ny kintan'ny K-pop]. Tsy tena lehilahy ireny.

Niteraka adihevitra mafotaka an-tserasera teo amin'ny samy Koreana ny tranga. Ireo lehilahy mpisera aterineto sasantsasany dia nanoritra fa amin'ny ankapobeny dia lava kokoa ny lehilahy koreana miohatra amin'ny lehilahy Malayziana. Maro ireo naneho ny tsy finoany tamin'ny filazana fa voasazin'ny lalàna ao Malayzia ny fihinin'ny mpihira iray, raha miampanga ny mpikarakara kosa ny hafa noho ny tsy firaharahiany ny mahasaropady ny resaka fivavahana sy kolontsaina any.  

Rehefa nijery ny fiasco tamin'ny fihaonana tamin'ny mpankafy ny B1A4, dia izaho irery ve no nanantena hahita zavatra tahaka iny noho ny tsy fahalalan'ny olona an'i Azia atsimo-atsinanana? Ahoana moa raha mahazo fanasaziana mavesatra tahaka ny fikapohana na mbola mavesatra kokoa toy ny famonjana ao anatin'ny fotoana vitsivitsy no miandry ireo zazavavy ireo?

Iray amin'ny zavatra tena mahagaga ahy momba ity zavatra iray mampiady hevitra momba ny B1A4 Malayzia iray manontolo ity diany zavamisy hoe firenena islamika i Malayzia — izay nahatsapako fa marivo dia marivo ny fahafantarako ny kolontsain'ny faritra hafa.

Ao amin'ny Habaka Nate Pann, toerana fihaonana an-tserasera Koreana Tatsimo iray malaza, naneho ny heviny i “Heu” :

애초부터 이슬람 국가에서 저런 내용의 행사 자체를 기획한 주최측이 문제지

Ny mpikarakara no tokony hotezerana noho ity fiasco ity raha nanana izao hevitra izao amin'ny firenena islamika iray.

Miresaka ilay tranga ao amin'ireoy habaka natokana ho amin'ny mozika amin'ity karazany ity ireo mpankasitraka ny K-pop. Ao amin'ny habaka iray amin'ny lehibe indrindra momba ny K-pop antsoina hoe Soompi, no nanamarika ireo mpisera:

tdjunlimited: i don't blame the girl…i definitely not blaming my boys B1A4. this fanmeeting thing is normal and hugging and the kiss (member Baro kissed the girl's forehead coz it's her birthday that day) happened everywhere in the world and no one talks about it. evn muslim populated countries like istanbul is more likely to tolerate such things. the one to blame are the ones making this whole issue get blown out of proportion..those people on facebook who headline their page “islam girls molested/harrassed by kpop group B1A4″.. .

tdjunlimited: tsy mitezitra ilay zazavavy aho… tsy mitezitra mihitsy ny zanakolahy B1A4. zavatra mandeha hoazy izany fihaonana amin'ny mpankasitraka mbamin'ny mamihina sy ny oroka (nanoroka ny handrin'ilay zazavavy ny mpikamban'ny Baro satria tsingerintaona nahaterahany io andro io) izay hita na aiza na aiza eto amin'izao tontolo izao izany ary tsy misy miresaka momba izany. eny fa na dia ny firenena betsaka miozolomana tahaka an'i istambul aza dia tahaka ny mahazaka ireny zavatra ireny. ireo tokony hotezerana dia ireo manitatra be loatra amin'ity raharaha iray manontolo ity… ireo olona ao amin'ny facebook izay mametraka amin'ny lohatenin'ny pejiny hoe “zazavavin'ny islam viravirain'ny tarika mpanao kpop B1A4

Zurra Yasmin Shamsul Kamar: its okay. i'm a muslim and a malaysian and i didn't blame b1a4 in this issue. it was clearly the muslim girls’ fault because they are muslims and they should know better what is allowed and what isn't allowed in their religion and culture.

Zurra Yasmin Shamsul Kamar: ekena, miozolomana aho ary malayziana ary tsy nitezitra an'i b1a4 tamin'ity raharaha ity. tena fahadisoan'ireo zazavavy miozolomana mivandravandra ity satria miozolomana ry zareo ary tokony hahalala tsara kokoa izay azo atao sy tsy azo atao ao amin'ny fivavahany sy ny kolontsainy.

sujin.cho: I'm not exactly blaming the girl, but she should have been more responsible. But you can't blame a teenager and especially one who is a girl in front of her idol 😛 […]

sujin.cho: tsy mitezitra loatra ilay zazavavy aho, saingy tokony hahatsapa tena kokoa izy. Saingy tsy afa-mitezitra tanora iray ianao, indrindra fa zazavavy iray manoloana ny olomangany 😛

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.