Atsaharo Ny Mozika: Nofoanan'ny Spotify Ny Fivoahany ao Rosia

Images mixed by Tetyana Lokot.

Sary namboarin'i Tetyana Lokot.

Nofoanan'ny Spotify, iray amin'ireo tolotra mandefa mozika mivantana antserasera manerantany ny fivoahany ao Rosia, noho ny olana ara-toekarena sy ny lalàna henjana vaovao mifehy ny aterineto.

Tamin'ny voalohany, nikasa hivoaka ao Rosia ny tolotra mpandefa mozika mivantana ao Soeda tamin'ny volana Oktobra 2014, izay manana mpiserasera maherin'ny 60 tapitrisa ankehitriny, saingy nahemotra ho amin'ny fiandohan'ny taona 2015 ny fivoahany rehefa tsy nahazo fifanekena tamin'ireo mpanome tolotra finday ao an-toerana izy.

Niala tao Rosia ny Spotify “noho ny hoavy taratra mialoha,” araka ny tatitry ny RBC izay nanonona an'i Alexander Kubaneishvili, tale mpanatanteraka teo aloha tao amin'ny Google izay nokaramaina hitantanana ny biraon'ny Spotify Rosiana. Tamina taratasy hoan'ireo mpiara-miombon'antoka, nilaza ny antony nahatonga ny fiovana teo amin'ny Spotify izy izay mazava ho azy fa noho ny “ny krizy ara-toekarena, ny toe-draharaha ara-politika, ary ny lalàna vaovao mifehy ny aterineto.” Hiala ao amin'ny orinasa ihany koa i Kubaneishvili araka ny nosoratany.

Na dia milaza momba ny fiharatsian'ny toekarena ao Rosia aza ny ankamaroan'ny fampahalalam-baovao, matahotra mafy ihany koa tahaka ireo orinasan'ny aterineto ny Spotify noho ny lalàna vaovao mamatantra ny toeran'ny tahiry, izay mitaky amin'ireo orinasan'ny aterineto mba hitahiry ny angona manokan'ireo mpiserasera Rosiana ao amin'ny sisintanin'ny firenena. Amin'ny maha tolotra ao amin'ny “cloud” azy, tsy afaka miasa tsotra izao amin'ny fomba andrasan'ny manampahefana Rosiana ny Spotify, ka hitahiry ao Rosia ny tahirin'ny “Rosiana” ary hitahiry ao Soeda ny tahirin'i Soeda,” hoy ny loharanom-baovao teo anivon'ny orinasa nanazava tamin'ny RBC.

Spotify no farany tamin'ireo andiana orinasa iraisam-pirenena izay nanaisotra ny tetikasany hoan'i Rosia noho ny krizy ara-toekarena tsy mitsaha-mitombo sy ny olana ara-politika ao Andrefana. Tamin'ny volana Desambra 2014, nilaza ny Google fa nanakatona ireo foibe fiasany ao Rosia izy ho setrin'ny lalàna fitehirizana tahiry, ary tamin'ny Janoary 2015, nanakatona ny sehatra fiadian-kevitra “forum” hoan'ny mpikirakira habaka amin'ny teny Rosiana ny Intel, miaro ny tenany tsy ho tratran'ny tsy fanarahana ny lalàna mampiadihevitra mifehy ny bilaogera ao Rosia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.