Mpanao Hatsikana ao Espaina Miatrika Fiampiangana Ho “Manandratra” Fampihorohoroana

 

Screenshot from YouTube.

Pikantsary tao amin'ny YouTube.

Nentina teo anatrehan'ny fitsarana ilay Katalana-Orogoaiana mpanesoeso Facu Díaz  mba hohadihadiana mikasika ny fampisehoana mananihany tamin'ny fandaharany mampihomehy tamin'ny fahitalavitra antserasera, Tuerka News.

Mitondra ny lohateny “Vaky ny PP”; nilaza am-pamazivaziana ny tantara mahatsikaiky fa eo an-dalam-pahavakisana ny Antokom-bahoaka Espaniola (PP).

Nampiantso an'i Facu Díaz ny Fitsarana Avo Espaniola mba hiseho eo anatrehan'ny fitsarana tamin'ny 15 Janoary 2015. Mety hiatrika vesatra eo ambanin'ny lalàna Espaniola izay manameloka ny “fanomezam-boninahitra ny fampihorohoroana” miaraka amin'ny sazy hatramin'ny roa taona an-tranomaizina ity mpanesoeso ity. Navoaka taorian'ny  fitoriana napetraky ny Dignity & Justice, (fikambanan'ny niharam-boinan'ny fampihorohoroana) mikasika ilay tantara mahatsikaiky tamin'ny 8 Novambra 2014 ny fampiantsoana .

Tamin'ny fanambarana ofisialy navoakan'ny La Tuerka tamin'ny aterineto, nilaza i Facu Díaz fa voarohirohy noho ny mety ho fifandraisany amin'i Pablo Iglesias, mpitondra teny sy Sekretera Jeneralin'ny Podemos Antoko politika Safidy vaovao ao Espaina , izay anisan'ny vahiny tamin'ny fandaharana La Tuerka ihany koa. Nilaza i Díaz fa tsy nieritreritra ny hanafintohina na iza na iza izy, ary niala tsiny na dia izany aza. Nanazava ihany koa izy hoe: “Mihevitra aho fa tsy maintsy mitondra anao any amin'ny toerana izay mbola tsy nandalovanao ny mpanesoeso,” ary nanampy hoe: “Misy lohahevitra tokony tsy hataontsika vazivazy ve? Tsia, tsy misy zavatra tsy tokony hovazivaziantsika, miankina amin'izay momba ilay vazivazy izany.”

Nitombo ny lazan'ny La Tuerka, tahaka izany ihany koa ilay olo malaza ara-politika Pablo Iglesias. Na dia navoaka amin'ny ankapobeny ao amin'ny aterineto aza izany, dia azo jerena ao amin'ny TDT amin'ny alalan'ny Tele K ihany koa, fahitalavitra tsy miankina manana fifandraisana mavitrika sy ara-tsosialy matanjaka.

Nandritra ilay tantara mahatsikaiky naharitra telo minitra sy tapany, dia manarona ny tavany amin'ny balaclava mainty i Facu Díaz, ahatsiarovana ilay mpitondra tenin'ny fikambanana mpikatroka mpisintaka Basque Euskadi Ta Askatasuna, fantatra amin'ny hoe ETA ny nataony. Nanambara ny fiafaran'ny tantaran'ny Antokom-bahoaka i Díaz noho “izay rehetra nitranga nandritra ny 20 taona farany,” mampahatsiahy ireo trangan-kolikoly marobe nataon'ireo mpikambana ao aminy (PP). Ahitana fanambarana toy ny hoe “nanapa-kevitra izahay hampitsahatra ny hetsika mitam-piadiana ataonay sy hanolotra ny fitaovam-piadianay” ny lahatsary, sy ny fitakiana hamindra ireo gadra mpikambana mpanao kolikolin'ny PP any amin'ny toerana “toa an'i Andorra na toeran-kafa ahitana sakafo tsara,” mampahatsiahy ny fitakian'ny ETA hamindra  ireo mpikambana ao aminy any amin'ny fonjan'ny Firenena Basque. Nangataka “fampitsaharana ady avy amin'ny vondrona politika elatra farany ankavia,” manondro mazava ny Podemos ihany koa ilay mpitondrateny sandoky ny PP.

Tsy nanondro ireo olona izay novonoin'ny ETA ny tantaram-pampihomehezana. Na izany aza, dia nametraka fitoriana ny fikambanan'ireo niharam-boinan'ny fampihorohoroana fa “mampiseho fanalam-baraka, fanorisorenana, fanevatevana sy fanesoana miharihary ireo niharam-boinan'ny fampihorohoroana sy ny fianakaviany” izany.

Mampihomehy fa iray andro monja taorian'ny fanafihana ny gazetiboky mpanesoeso Frantsay Charlie Hebdo i Díaz Facu no nahazo ny vaovao, tamin'ny fotoana nanehoan'ny filoha Espaniola Mariano Rajoy anaran'ny governemanta sy ny vahoaka Espaniola ny “fanohanany ny fahalalaham-pitenenana”. Tao amin'ny Twitter, nampiasaina ny tenifototra #YoConFacu (Miaraka amin'i Facu aho) ho fanehoana fanohanana ny sariitatra maneso sy ho fiarovana ny fahalalaham-pitenenana. Nilaza i Díaz fa hanohy hanao tsikera foana izy amin'ny ho avy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.