Aza Avela Hamingana Ny Fahalalahana Maneho Hevitra Ao Japana Ny Olana ISIS : Fanangonan-tsonia

kazuhiro soda

Kazuhiro Soda; sary natolotr'i Kazuhiro Soda

Hatreto dia nahazo sonia efa maherin'ny 1.000 ny fanambaràna iray ho fanohanana ny fahalalahana maneho hevitra ao Japana natombok'ireo mpanao gazety tamin'ny 31 Janoary.

Ilay fanambaràna , antsoina hoe “Fanambaràna Ho Fanoherana ny Famehezan-Tena” (“翼賛体制構築に抗するという「声明」”) dia nosoratan'ilay Japoney monina any New York, mpamokatra horonantsary fanadihadiana, Kazuhiro Soda.

Nivoaka nandritry ny olan'ny fakàna an-keriny vao haingana natrehan'i Japana tamin'iny Janoary iny ilay fanambaràna sy ny fangatahana fanaovan-tsonia. Nandrahona ny hamono ilay teratany Japoney Haruna Yukana ary Kenji Goto ireo mpitolona mahery fihetsiky ny ISIS raha toa ny governemanta Japoney tsy mandoa ny vidin'aina $200 tapitrisa.

Efa maty novonoin'ny ISIS i Yukawa sy Goto hatreo.

Taitra i Soda sy ireo hafa, taorian'ireo fifanakalozan-dresaka feno fanakianana henjana momba ny fomba nataon'ny governemanta Japoney hamahàna ilay olana, na izany tety anaty media sosialy, na avy amin'izy governemanta tenany ihany. Ilay antso ho amin'ny “famehezan-tena” dia nampahatsiahy an'i Soda sy ireo hafa ireo ny rivotra niainan'i Japana tamin'ny fotoanan'ny ady, izay tsy nanekena velively ny hisian'ny mpanohitra.

Ho setriny, nanoratra sy nandefa ity fanambaràna manaraka ity tao amin'ny bilaoginy i Soda, nanaingàny ireo mpamaky azy mety miombon-kevitra aminy, maro amin'izy ireny no mpanao gazety, mpanoratra, mpamokatra sarimihetsika ary mpaneho hevitra, mba hanao sonia ilay fanambaràna, amin'ny fandefasana mailaka ato:

hanyokusan@gmail.com

声明文(案)

私たちは「ISIL」による卑劣極まりない邦人人質惨殺事件を強く非難し、抗議するものである。また、この憎しみと暴力の連鎖の帰結として起きた事件が、さらなる憎しみや暴力の引き金となることを恐れている。
同時に、事件発生以来、現政権の施策・行動を批判することを自粛する空気が日本社会やマスメディア、国会議員までをも支配しつつあることに、重大な危惧を憶えざるを得ない。
「このような非常時には国民一丸となって政権を支えるべき」
「人命尊重を第一に考えるなら、政権の足を引っ張るような行為はしてはならない」
「いま政権を批判すれば、テロリストを利するだけ」
そのような理屈で、政権批判を非難する声も聞こえる。
だが、こうした理屈には重大な問題が潜んでいる。
まず、実際の日本政府の行動や施策が、必ずしも人質の解放に寄与するものとは限らず、人質の命を危うくすることすらあり得るということだ。であるならば、政府の行動や施策は、主権者や国会議員(立法府)やマスメディアによって常に監視・精査・検証され、批判されるべき事があれば批判されるのは当然の事であろう。
また、「非常時」であることを理由に政権批判を自粛すべきだという理屈を認めてしまうなら、原発事故や大震災などを含めあらゆる「非常時」に政権批判をすることができなくなってしまう。たとえば、日本が他国と交戦状態に入ったときなどにも、「今、政権を批判すれば、敵を利するだけ」「非常時には国民一丸となって政権を支えるべき」という理屈を認めざるを得なくなり、結果的に「翼賛体制」の構築に寄与せざるを得なくなるだろう。
しかし、そうなってしまっては、他国を侵略し日本を焼け野原にした戦時体制とまったく同じではないか? 70数年前もこうして「物言えぬ空気」が作られ、私たちの国は破滅へ向かったのではなかったか?
実際、テレビで政権批判をすると、発言者や局に対してネットなどを通じて「糾弾」の動きが起こり、現場の人々に圧力がかかっている。
問題なのは、政権批判を自粛ないし非難する人々に、自らがすでに「翼賛体制」の一部になりつつあるとの自覚が薄いようにみえることである。彼らは自らの行動を「常識的」で「大人」の対応だと信じているようだが、本当にそうであろうか?私たちは、今こそ想像力を働かせ、歴史を振り返り、過去と未来に照らし合わせて自らの行動を検証し直す必要があるのではないだろうか?
日本国憲法第21条には、次のように記されている。
「集会、結社及び言論、出版その他一切の表現の自由は、これを保障する」
日本国憲法第12条には、次のようにも記されている。
「この憲法が国民に保障する自由及び権利は、国民の不断の努力によって、これを保持しなければならない」
私たちは、この日本国憲法の精神を支持し尊重する。そしてこの精神は、「非常時」であるときにこそ、手厚く守られ尊重されなければならないと考えている。
なぜなら「非常時」にこそ、問題の解決のためには、様々な発想や見方、考え方が必要とされるからである。
私たち言論・表現活動に携わる者は、政権批判の「自粛」という悪しき流れに身をゆだねず、この流れを堰き止めようと考える。誰が、どの党が政権を担おうと、自身の良心にのみ従い、批判すべきだと感じ、考えることがあれば、今後も、臆さずに書き、話し、描くことを宣言する。

Fanambaràna

(nadikan'i Nevin Thompson ho teny Anglisy)

Amin'ny maha-mpanao sonia ity fanambaràna ity, dia toherinay marindrano ary helohinay ny famonoana tamin'ny fomba feno habibiana nataon'ny ISIS ireo lehilahy Japoney roa, Kenji Gogo sy Haruna Yukawa .

Matahotra izahay fa mety hitarika herisetra sy habibiana bebe kokoa ny fitomboan'ny antony anaovana herisetra.

Mandritra izay fotoana izay, araka ny fisehoan-javatra tato anatin'ny herinandro vitsivitsy, nisy ny tsindry mavesatra avy amin'ny fiarahamonina tao Japana nanjo ireo mpandefa onjampeo sy ireo fampahalalam-baovaom-bahoaka hafa mba hampihatra ny “famehezan-tena” (“自粛”, na jishuku) ary hisoroka ny fanakianana ny governemanta amin'ny fomba nikirakiràny ny olan'ireo takalonaina. Niakatra ho amin'ny haavo ambonimbony kokoa io tsindry avy amin'ny fiarahamonina io ka tonga hatramin'ny andrana hanaraha-maso ny fihetsik'ireo mpikambana ao amin'ny Antenimieram-pirenena manoloana ny politikan'ny governemanta.

Tena mampahatahotra fatratra io haavon'ny fanaraha-maso ny resaky ny daholobe io ho an'ny fiarahamonina demaokratikantsika eto Japana.

“Ao anatin'ny fotoan-tsarotra tahaka izany dia zava-dehibe tokoa ho an'ny tsirairay ary ny Japoney rehetra ny manohana tsy misy fepetra ny politikan'ny governemanta.”

“Raha manome lanja ny ain'olombeolona ianao, tsy tokony hanelingelina velively ny asan'ny governemanta.”

“Raha manakiana ny governemanta ianao amin'izao fotoana izao, dia tsy manao afa-tsy ny manampy sy mandrisika ny asa fampihorohoroana.”

Amin'ny fanarahana io làlan-tsaina io, natao tamin'ny feo mahery ny fanenjehana manakiana ny fomba nandraisan'ny governemanta Abe ny olan'ireo takalonaina azon'ny ISIS. Kanefa, manakona olana iray goavana kokoa io lalàn-tsaina io.

Voalohany indrindra, tsy nilaina loatra tamin'ny famahàna ny olan'ireo takalonaina ny politika sy hetsika tena nataon'ny governemanta Japoney.

Ary na dia hoe nitondra vokatsoa aza ireo politika ireo, dia natoraly tsotra fotsiny ihany ny hoe tokony harahana maso mandrakariva ny politika sy hetsiky ny governemanta, tsinkafonina amim-pitandremana fatratra, ary ataon'ireo mpifidy, ireo mpanao lalàna voafidy ary ny fampahalalam-baovaom-bahoaka fitsirihana izany.

Ankaotra izay, rehefa ampiasaintsika ny fomba fiteny hoe “toe-draharaha tsy azo anoharana” (非常時) ho toy ny lojika entina itakiana ny “famehezan-tena” rehefa manakiana ny politikan'ny governemanta, tokony tafiditra koa ny toe-draharaha tsy mahazatra toy ny loza nokleary sy ny horohorontany goavana ary ire loza voajanahary hafa.

Ohatra iray hafa, raha toa tafiditra amin'ny ady mitam-piadiana ifanaovana aminà firanena hafa i Japana, ny fampiasàna ny lojikan'ny “famehezan-tena” amin'izao fotoana, ny tohankevitra dia azo atao hoe “tsy manao afa-tsy ny manampy ny fahavalo ny fanakianana ny governemanta amin'io fotoana io. Ao anaty fotoan-tsarotra tahaka ireny dia tokonyho politika mampiray ny vahoaka ho tokana amin'ny fanohanana ny governemanta no hisy.”

Raha niditra tamin'ny Ady Lehibe Faharoa i Japana, nampoiasaina io lojika io mba hemtrahna ny  “famehezan-tena” tamin'ny fiarahamonina Japoney sy hanemporana ny mpanohitra.

Nandritry ny vanimpotoana naha-te amin'ny governemanta ny tafika tao apana, nanana anarana ilay fomba fihevitra : 翼賛体制 na “yokusan taisei,”  “rafitra iray ho fanohanana” ny tanjona an'adin'ny governemanta Japoney.

Amin'ny fanekena ny “famehezan-tena” tsy efa miatrika ny tena fomba fisainana mandritra ny fotoanan'ny ady ve isika, amin'ny maha-fiarahamonina, izay ahfahan'ny firenentsika manani-bohitra any amin'ny firenena hafa, ary mamela an'i Japana ho toy ny tanihay kila sy mainty ngilo?

Amin'ny famoronana zavatra izay fady ny mirsaka azy, tsy efa mitondra ny firenentsika ho anyamin'ny firodanana indray ve isika?

Ny marina dia fantatsika fa misy tranga sasany niseho vao haingana izay nanakianan'ireo manan-tsaina na ny onjampeo ny governemanta, ary fitobahana feo tao amin'ny aterineto sy ireo media sosialy hafa no nalaky nanome tsiny, nanao tsindry mba hampangnana ireo feon'ny mpanohitra.

Ny olana dia, ireo nalaky nanenjika ny fanakianana ny politikan'ny governemanta dia zara raha mahafantatra fa izy ireo ihany aza dia efa  lohalahara amin'ny fitondrana fanovàna, ny “rafitra iray ho fanohanana” (翼賛体制, “yokusan taisei”) ny governemanta Japoney.

Ho an'ireny olona ireny, ny fiantsoana ny “famehezan-tena”, dia resaka “fahatsapan-tena” mandeha ho azy ary “fitondrantena ho toy y olon-dehibe.” Saingy tena marina ve izany ?

Tsy tena iakinan'ny ain-dehibe ve ny hampiasantsika ny fahaiza-mandinika mba hampitahàna izay nitranga fahiny sy ny mety hiseho amin'ny hoavy?

Hoy ny Artikla 21 ao amin'ny Lalàm-panorenana Japoney :

Iantohana ny fahalalahana mifamory sy manao fkambanana, hatramin'ny fanehoana hevitra, fanaovana gazety sy izay rehetra endrika hafa amin'ny fanehoana hevitra.

Hoy ny Artikla 12 ao amin'ny Lalàm-panorenana Japoney:

Ireo fahalalahana sy zo iantohan'ity lalàm-panorenana ity ho an'ny vahoaka dia ho arovana mandrakariva ao anatin'ny fisainana mandrakariva ny vahoaka, izay tokony hifehy tena tsy hanararaotra ireo fahalalahana sy zo rehetra ireo ary ho tomponandraikitra mandrakariva amin'ny fampiasana azy ireny ho amin'ny fiadanan'ny olon-drehetra.

Tsy maintsy manohana sy miaro ny fanahy sy ny zava-kendren'ny Lalàm-panorenana Japoney isika, indrindra ao anatin'ny “fotoana tsy mahazatra” tahaka izao. Tsy maintsy mamihina mafy, miaro ny fanahin'ny lalàm-panorenana isika, izay miantoka ny zontsika haneho malalaka ny hevitsika.

Io dia satria rehefa miaina teo-draharaha tsy mahazatra isika, amin'ny maha-fiarahamonina antsika, ilaintsika ny mandre karazana fomba fijery samihafa mikasika ny fomba hamahàna ilay olana. Io fomba fisaina io no tokony homen-danja.

Isika ankehitriny, amin'ny maha-vahoaka mampihatra ny zontsika haneho malalaka ny hevitsika, no manambara hanohitra amin'ny hery rehetra ny fandrahonana hampiforitra hanaraka ny “famehezan-tena” sady hisoroka ny fanakianana ny governemanta.

Tsy olana izay antoko mitàna ny governemanta, ny tsirairay ary ny olona rehetra amintsika mihitsy no hanaraka fotsiny ny feon'ny fieritreretantsika. Mivoady amin'ny tenantsika manokana isika tsy hisalasala mikasika izay soratantsika, tenenintsika, ataontsika sary na foronintsika.

Na iza na iza eto ambonin'ny tany dia afaka manao sonia ilay fanambaràna daholo, amin'ny fandefasana mailaka amin'ny hanyokusan@gmail.com

Soda sy ireo hafa mpikarakara ity fanambaràna ity dia mangataka ny rehetra izay manao sonia mba hampiasa ny tena anarany.

Hatreto dia manodidina ny sonia 1.000 no efa azo, ahitàna an'i :

  • Ryuichi Sakamoto
  • Tatsuru Uchida
  • Hirokazu Kore-eda
  • Oriza Hirata
  • Tatsuya Mori
  • Kazuo Hara
  • Mad Amano
  • Koichi Nakano
  • Rika Kayama
  • Shinji Miyadai
  • Setsu Kobayashi
  • Shigeaki Koga
  • Karin Amamiya
  • Hajime Imai
  • Susumu Shimazono
  • Mayumi Taniguchi

Hisy tafa ho an'ny mpanao gazety hatao ny Alatsinainy 9 Febroary amin'ny 5 hatramin'ny 6 ora hariva ao amin'ny Efitrano B 104 ao amin'ny Tranoben'ny Mpanolotsaina ao Tokyo.

Raha mila fanazavana bebe kokoa, tsidiho ny: http://hanyokusan.blogspot.jp/2015/02/blog-post.html

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.