Afo Midedadeda Nahatratra Ny Tranomboky Be Tahirin-Kevitra Ao Moskoa

Screen capture from video of the fire at the Russian Academy of Sciences’ Institute of Scientific Information on Social Sciences library. January 30, 2015. YouTube.

Pikantsarin'ny afo tao amin'ny tranombokin'ny Akademia Rosiana Ivontoeran'ny Torohay Siantifika momba ny Siansa Sosialy. 30 Janoary  2015. YouTube.

Nanao ny nataony nandritra ny 27 ora tao amin'ny iray amin'ireo tranomboky lehibe eo Moskoa, tamin'ny faran'ny herinandro teo, ny afo ka namotika boky mihoatra ny 1 000 000. Nanomboka tamin'ny takarivan'ny zoma 30 janoary ny afo ary tsy maty tanteraka raha tsy nialoha kely ny sasakalina tamin'ny andro manaraka. Ny toerana nitrangan'ny afo dia tao amin'ny Akademia Rosiana Ivontoeran'ny Torohay Siantifika momba ny Siansa Sosialy, fantatra amin'ny fanafohezan'anarana hoe “INION.”

Araka ny nambaran'ny fantsona onjam-peo Akon'ny Moskoa,dia tsy misy intsony ny ampahany betsaka amin'ny tahirin'i INION, ka tafiditra amin'izany ny lahatsoratra Slavy vitsy dia vitsy voasoratra hatramin'ny taonjato faha-16.

Misy mananihany ao amin'ny Twitter fa mifanaraka amin'ny toe-draharaha ara-politika ao Rosia ny “fandoroana boky” faobe, izay ampitahan'ny mpitsikera indraindray amin'ny fanjakana tsi-refesi-mandidy tamin'ny taonjato faha-20:

SAIMBOLIKA izany hoan'ny firenena milaza fa “mamaky teny” mihoatra noho ny hafa eto amin'izao tontolo izao. May ny Akademian'ny Siansa ao Rosia.

Misy tranomboky may ao Moskoa izao. Nanapa-kevitra hanomboka ny ado ny fasista avy ao Kremlin, ka tsy mila mandoro boky intsony amin'ny fanokafana. 

Misy tantara mananihany hafa iraisan'ny maro ihany koa manatsipalotra resaka amin'ny ady ao Okraina atsinanana, izay iahiahiana ireo prô-Rosiana mpisintaka ho mahazo fanampiana ara-miaramila sy ara-torohevitra avy any Moskoa :

Araka ny angona savaranonando, dia tratran'ny afo ny tranombokin'i Moskoa taorian'ny tifitra an-tafondro Okrainiana.

Ny hafa ao amin'ny Twitter manakipikipy maso fa ny faharavan'ny fitaovana famakian-teny maro tahaka izao—izay heverina ho fanafodin'ny fanjifana tafahoatra ny fahitalavitra sy ny “fanasana atidoha” miaraka aminy—dia mety hahatonga ny oloa ho maro kokoa hankeo amin'ny fahitalavitra:

May ny tranombokin'ny Akademian'ny Siansa Rosiana ao Moskoa. boky 13,5 tapitrisa. Maminaviina aho fa olona betsaka noho izany no hijery ny fahitalavitra amin'izao fotoana izao.

Navitra an-tserasera ihany koa ny mpiasan'ny vonjy taitra, nizara ny sarin'ny sehatra nisy ny voina, eny fa na dia teoa am-piadiana amin'ny afo aza ny mpiasain'ny mpamono afo:

Tao anatin'ny tranombokin'ny INION androany. Sary avy amin'ny mpiasan'ny vonjy taitra.

Hoan'ireo manembona ny vanim-potoana komonisma, dia mampararirary aty ny mieritreritra ny haben'ny fahaverezana tahiry ara-tantara:

Indro ny fijery mahaliana momba ny afo tao amin'ny trano famakiam-boky. #Moskoa #tranomboky #afo #TsyHitaNyFarany :

  • Zatra ilay trano famakiam-boky aho. Vao omaly aho no niahiahy amin'ny fiarovana ny tahirin'ny drafi-panjakana Sovietika. Ireo no antontan-taratasy voalohany manasokajy ny fananganana ny rafitra ara-toekarena Sovietika: ny vanim-potoanan'i Lenin (ny drafi-pampielezana ny herinaratra sy ny Politika ara-toekarena Vaovao), sy ny vanim-potoanan'i Stalin (ny drafi-pitondrana dimy taona voalohany, ny fandaminana ny toe-karena nandritra ny ady lehibe faharoa sy rehefa afaka izany, ny fampandrosoana ara-toe-karena nandritra ny fitondran'i Brezhnev [sic].
  • Ny asa Akademika sy ny angona antontanisa dia tsy ilaina ho amin'ny fanoherana ny propagandy mandritra ny vanim-potoana liberaly mikorontana amin'izao fotoana izao ihany, fa hanan-danja ihany koa, rehefa miverina indray amin'ny lalamben'ny fampandrosoana ny firenena, fa ao ny fitondrana no maka avy amin'ny tsirairay araka ny fahafaha-manaony sy mizara amin'ny tsirairay araka izay ilainy.
  • Mandinika tsotra aho fa ity afo ity dia fikasana hafa ataon'ny governemanta governemanta hitsipahana ny fiaraha-monina hanana fahatsiarovana ara-tantara momba ny vanim-potoana sovietika.

Na dia nandritra ny faran'ny herinandro aza no nitrangan'ny afo, dia maro no niraikitra teo amin'ny media sosialy, azo inoana fa mampiseho ny lanja lehibe apetraky ny Rosiana amin'ny famakian-teny amin'ny ankapobeny ary amin'ity trano famakiam-boky ity indrindra indrindra.

Araka ny tatitra farany, dia inoana ho nandrava asa-tsoratra 14,2 tapitrisa izay mahatratra 20 isan-jaton'ny tahirin-kevitry ny INION rehetra izany. Mbola mamaritra ny antony mahatonga ny afo ny mpanao famotorana, fa ny famotopotorana savaranonando no mametraka fahadisoana eo amin'ny fampifanohizana ny taribin'ny herinaratra ao an-trano.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.