Fahatezerana Any Kolombia Amin'ny Fisian'ny Fifaninanana Hatsaran-Tarehy Oliravin'ny Tako-Kenatra Kely

Little Miss Thong child beauty pageant, January 2015. Image on Flickr by user remolacha.net. CC 2.0.

Fifaninanana Oliravina ankizikely Manao Stringy, Janoary 2015. Saripika avy amin'ny mpisera Flickr remolacha.net. CC 2.0.

Mailaka ny mpisera aterineto tamin'ny fiampangana ny fifaninanana. Ny tranonkalan'ny Evangelizadoras de los apóstoles (Mpitory ny Filazantsaran'ny Apostoly) no nitabataba nanohitra ilay lanonana :

Resulta que cada año desde hace 25, en el municipio de Barbosa, Santander, niñas entre seis y diez años desfilan en tanga, maquilladas, contoneándose y tirando besos a una audiencia de adultos que ingieren licor.
Miss Tanguita, según la alcaldesa Maryury Rocío Galeano Jiménez, es una tradición de Festi-Río, y nadie en el municipio, ni los padres de familia, ni las empresas privadas que pautan, ni la misma Alcaldía (que invita y promociona), ve nada malo en que las niñas participen en este reinado de belleza. De hecho, la alcaldesa afirma que a las niñas las educan en valores (¿qué valores?) y que se les enseña que su cuerpo es un templo (¿un templo para quién?).

Tsikaritra fa isan-taona, taona anatin'ny 25 taona izao, ao amin'ny fiadidian'ny tanànan'i Barbosa, Santander, ny ankizivavikely anelanelan'ny 6-10 taona no mitandahatra manitom-pandeha, mihosotra manjamaso, mitanjaka tsy manao afa-tsy tako-kenatra kely ary mitoraka oroka amin'ireo lehilahy mpanatrika mpisotro toaka. Ny Oliravin'ny Tako-kenatra kely, araka ny filazan'ny Ben'ny tanàna Maryury Rocío Galeano Jiménez, dia ao anatin'ny fomba mahazatran'ny Festi-Río, ary na ny ray aman-dreny, na ny orinasa tsy miankina manao dokambarotra ao, na ny Fiadidiana ny tanàna aza (izay manasa ny mpandray anjara sy mampiroborobo ny lanonana), dia samy tsy mahita izay tsy mahamety ny andraisan'ny ankizivavy kely anjara mifaninana hatsaran-tarehy. Milaza aza ny ben'ny tanàna fa beazina anaty soatoavina (soatoavina inona?) ireo ankizivavy kely ireo ary tempoly (tempoly ho an'iza?) ny vatan'izy ireo.

Lanonana manan-danja tokoa ao Barbosa sy ao Kolombia amin'ny ankapobeny ny Festi-Río ary maro ny vahiny mpizahatany no mandray anjara.

Mandritra izany fotoana izany ny tranonkalan'ny PedroVisión namoaka sary sy lahatsary tao amin'ny fifaninanana, naneho hevitra hoe:

Lo que en Barbosa, localidad del departamento de Santander, al noroeste de Colombia, consideran una bonita tradición que se remonta a un cuarto de siglo, en Bogotá lo han tachado de espectáculo bochornoso. Y el ICBF, organismo dedicado a proteger la infancia, ya ha anunciado que investigará el singular certamen para impedir que se repita.

Las voces críticas […] llegan a decir que se podía equiparar a la pornografía infantil. También agregaban que supone fomentar el que las mujeres tengan como aspiración máxima convertirse en modelos y hacer de la belleza, en lugar del estudio, el centro de sus vidas.

Ny ataon'ny ao Barbosa, tanàna ao amin'ny departemantan'i Santander, ao avaratra andrefan'i Kolombia, izay noheverina ho fomba nentim-pahazarana tao anatin'izay ampahaefatry ny taonjato izay, dia lazain'ny ao Bogotá ho lanonana mahamenatra. Ary ny Ivotoerana Kolombiana Misahana ny Fiainam-Pianakaviana [fantatra amin'ny hoe ICBF amin'ny anarany amin'ny teny espaniola], izay misahana ny fiatovana ny ankizy, dia efa nanambara fa ity lanonana tsy manampaharoa ity dia hanaovana famotorana hisorohana amin'ny famerimberenana azy.

Ireo feo mitsikera […] dia efa nilaza fa mitovy amin'ny sarim-betavetan'ankizy [ny fifaninanana]. Milaza ihany koa ry zareo fa ny karazana fifaninanana tahaka izao dia mandrisika ny vehivavy hiezaka ny hanao mpianjaika sy te-ho tsara tarehy sy bika hatrany, fa tsy miezaka ny handray fanabeazana.

Confidencial Colombia ihany koa dia nanadihady ny fiantraikan'ny fifaninanana tahaka itony amin'ny zazavavy :

¿Qué niña no sueña con ser princesa o reina?”, se pregunta indignada la madre de la miss tanguita 2015. […] Después de que los aplausos y los flashes les llegan por mostrar su cuerpo, no nos extrañemos de ver adolescentes soñando con una operación de tetas o de culo a los 15 años, o consumiéndose en la anorexia y la bulimia, en permanente contradicción con su cuerpo. Después de sexualizarlas desde los 7 años, no nos quejemos del altísimo índice de embarazos adolescentes, primer factor reproductor de la pobreza y la inequidad.

“Iza ny ankizivavy kely tsy manofinofy ny ho printsesy na ho mpanjakavavy?,” hoy ny fanontanian'ilay reny tohina tamin'ny Oliravin'ny Tako-kenatra 2015. […] Aorian'ny tehatehaka sy ny fihelatrelatry ny fakantsary rehefa nampidera ny vatany izy ireo, dia tsy tokony ho gaga isika rehefa mahita tanora manao fandidiana nono na fe any amin'ny faha-15 taonany, na manao izay hampahia na hampatavy ny tenany manao izay hifandrafiana amin'ny vatany. Rehefa manao ireo zazavavy kely amin'ny faha-7 taonany ireo hanandratra ny taovam-pananahana, dia aza mitaraina avy eo raha ambony dia ambony ny tahan'ny tanora bevohoka, singa lehibe indrindra mampateza ny fahatrana sy ny tsy fitoviana.

Maneho ny heviny ihany koa ny mpisera Twitter :

Tsy ratsy ny Oliravin'ny Tako-kenatra kely; ny ratsy dia ny fomba fametrahana azy. Rehefa tafiditra ny toaka dia tsy misy na inona na inona azo atao miaraka amin'ny ankizy.

Misy ny Oliravin'ny Takokenatra kely tsy noho ny tsy fisian'ny lalàna mandrara azy, fa noho ny faneken'ny retsi-pisainana sosialy sy ny fankatoavana ny fisiany.

Tsy azontsika tohizana intsony ny mampianatra ny zazavavy fa ny soatoaviny dia mitoetra ao amin'ny hatsara-tarehiny amin'ny fisehoany ivelany. Inona avy ny fahafaha-manao atolotsika azy ireo?

Tohina daholo ianareo amin'ny fisian'ny lanonana Oliravin'ny takokenatra, nefa faly amin'ny #Diomedizate, izay nandray anjara tamin'ny fanolanana sy ny famonoana an'i Doris Niño. 

(Ny lazain'ity sioka farany ity dia ny raharahan-keloka bevava nitranga tamin'ny 1997, raha noampangaina ho namono ilay Doris Niño García 22 taona i Diomedes Díaz.)

Misy ireo sasany an-tserasera manamarika fa manao mizana tsindrian'ila ry zareo :

Maro tokoa ireo tafintohina amin'ilay Oliravin'ny Takokenatra kely, lanonana nentim-pahazarana kolombiana iray ahitana ankizivavy tsy manao afa-tsy silipo kely. Saingy tsy misy miteny amin'ny fifaninanana hatsaran-tarehy fanao isaky ny lohataona.

Tsara ny manamarika fa herintaona mahery kely izay, any Frantsa, dia noraran'ny Antenimieran-doholona Frantsay tsy azon'ny tanora zazavavy latsaky ny 16 taona andraisana anjara ny fifaninanana hatsaran-tarehy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.