WeChat : Tsy Hampiseho Ny Dokan'ny BMW Amin'ireo Shinoa Mpanjifa Azy Raha Mihevitra Azy Ireo Ho Mahantra

Remix Image originally from Facebook. Labelled for Reuse.

Sary nafangaro nalaina voalohany tao amin'ny Facebook. Azo ampiasaina.

Manorisory olona marobe ny doka tsy niriana miditra amin'ny findainy. Raha toa ny orinasa iray mpanao akanjo ka mampiasa ny voka-pandalinana sy angon-drakitra goavana mba handrafetana doka halefa ho an'ny mpanjifa, dia azo raisina ho toy ny fisisihana amin'ny fiainana manokana koa izany. 

Rehefa nandefa doka hihodinkodina any anatin'ny faribolan'ireo namana akaiky ny WeChat tamin'ny 25 Janoary, tohina tamin'ilay doka ho an'ny mpanamboatra fiara BMW ny sasany tamin'ireo Shinoa mpampiasa ity fandefasana hafatra ity, tsy hoe satria hitan-dry zareo ho misisika loatra na diso natao tsara tefy ilay izy — fa satria tsy afaka mahita an'ilay doka akory ry zareo. Ampangain-dry zareo ho manavakavaka ny mpanjifa kely fidiram-bola ny WeChat amin'ny fanoloany an'ilay dokan'ny BMW amin'ny iray hafa mampiseho “smartphones” na Coca-Cola.

Maro amin'ny lonilonin'ireo mpampiasa ny WeChat no valy bontana ho an'ilay hafatra niparitaka be nanazava ny fomba fampiasàna ireo angon-drakitra goavana ao an-damosin'ireny doka tsara tefy ireny. Tamin'ny endrika sary no nivezivezen'ilay hafatra tety anaty aterineto :

據說,微信朋友圈廣告推送是基於大數據分析,通過分析用戶朋友圈語言特性,以及朋友圈圖片內容,涉及到了自然語義理解,以及圖像識別這些人工智能技術,所以名字上是推廣告服務,實際上是對騰訊內部秘密研發已久的人工智能技術的實驗。那麼答案來了,騰訊人工智能對你的識別分類如下:年收入100萬以上,消費力強,收到的是寶馬廣告;買不起 iPhone 6 但買得起小米的,收到的是 vivo 的廣告;連小米,甚至紅米都買不起的,收到的是可口可樂的廣告;而那些喜歡在朋友圈吹水,特別閑的,但沒有收到朋友圈廣告的,微信是在告訴你,沒錢就好好干活,別刷手機了。

Lazain-dry zareo fa ilay doka mivezivezy any anatin'ny faribolan'ireo namana akaiky ao amin'ny WeChat dia mifototra aminà voka-pandalinana ireo angon-drakitra goavana, amin'ny fijerena ny hametrahana ny fiteny sy ny sary nampiasaina ho ao anatin'ilay faribolan'ny mpinamana. Mampiasa ny antsoina hoe “intelligence artificielle” ilay teknolojia, izay afaka mandalina mamantatra feo sy sary. Mifototra amin'ny fanandramana ny resaka “intelligence artificielle” ilay ambara ho tolotra fanaovana doka, izay novokarina avy ao anatin'ny [orinasa reniny] Tencent, efa ela tany aloha tany. Ity no valiny [mikasika ireo doka]: ho an'ireo izay manana fidiram-bola ambonin'ny iray tapitrisa yuan isan-taona [eo amin'ny US $150,000] ary afaka mandany bebe kokoa, mahazo ilay doka avy amin'ny BMW ry zareo; ho an'ireo afaka mividy Xiao Mi iray [marika finday vokarina ao an-toerana], mahazo ny Vivo ianao [marika “smartphone”] ; ary ho an'ireo sady tsy afaka ny hividy Xiao Mi na Red Mi, ny doka Coco Cola no azonao. Ho an'ireo izay manana fotoana hitafatafàna ao anatin'ny faribolan'ny mpinamana nefa tsy afaka ny hahita na dia doka iray aza, ny hafatra avy amin'ny WeChat dia hoe: miasà mafy raha toa ianao tsy manam-bola, aza mandany fotoana mamerina mamahana ny findainao.

“Our Hui Zhou” (@我们的惠州), mpampiasa ny Weibo, tranonkala miendrika Twitter, no anisan'ireo izay namerina namahana ny rohim-baovaony hijerena raha toa ka mety hiditra ihany ilay doka avy amin'ny BMW :

心塞,刷了一天的朋友圈都没收到宝马广告……原来盆友圈这么讲究,果然我这种没收入的被歧视了

Mijaly saina taorian'ny namerenana namàhana nandritry ny tontolo andro ny rohim-baovaon'ny faribolan'ny mpinamana kanefa tsy mbola nahita foana izay dokan'ny BMW… Tena mifangaro voraka be loatra ny doka mandeha any anaty faribolan'ny mpinamana, ary dia voahilikilika ireo izay tsy manana fidiram-bola tahaka ahy.

Ma Weiwei (@马薇薇不算是昵称吧) tsy afaka nahita doka mihitsy tao anatin'ny faribolan'ny mpinamana  WeChat misy azy. Naneho hevitra tamin-keso izy tao amin'ny Weibo:

据说今天微信朋友圈已经开始推广告了,没有看到任何广告的我,表示被聊天软件歧视了!没有宝马,没有手机,连他妈可乐都没见到——作为朋友圈唯一的段子手,仅存的不晒饭局不晒衣服不做代购的业界良心,我感受到了电子商务对我深深的恶意

Nilaza ry zareo fa nandefa doka tao amin'ny faribolan'ny mpinamana ny WeChat androany. Amin'ny maha-iray amin'ireo tsy mba afaka nahita ilay doka, nahatsapa ho nahilikilik'ilay fampiasa aho. Tsy misy BMW, na smartphone, hatramin'izay doka Coca-Cola t%&y any aza – amin'ny maha-mpilaza tantara ahy ao anatin'ny faribolan'ny mpinamana misy ahy izay tsy mizesta aminà lamaody na fanasàna ary tsy mba mandray anjara aminà hetsika fifampivarotana ety anaty aterineto, tsapako ny haratsian-toetran'ny fandraharahana ety anaty aterineto natao ahy.

Mahaliana ny mahita ny fanakianan'ireo Shinoa mpampiasa serasera ny fampiasàna ny angon-drakitra goavana any anaty dokam-barotra ho toy ny “fanavakavahana” raha toa kosa ireo tandrefana nampiakatra ny feony tamin'ny fanakianana ny fanimbazimbàn'izy io ny fiainana manokan'ireo mpampiasa. Raha ny tranga manjo an'i Shina, voaara-maso daholo ny hetsika rehetra ety anaty aterineto. Ao anatin'ity Panopticon virtoaly ity, tsy afaka miteny manohitra ny fanarahamaso ireo voafonja, saingy dia ho araha-maso ihany ry zareo anefa, fa farafaharatsiny mba afaka mitaky fomba fikarakaràna mitovy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.