Tsy Hoan'ny Rehetra Ao Frantsa Ny Tantaran'ny ‘Charlie Hebdo’ Navoakan'ny Media Frantsay

A drawing by a student showing a rifle surrounded by blood stream in the shape of a heart - via Sarra Abrougui

A drawing by a student showing a machine gun surrounded by blood stream in the shape of a heart – via Sarra Abrougui

Nahasarika olona 1,7 tapitrisa ny Diabem-piraisankina teny amin'ny araben'i Paris tamin'ny 11 Janoary. Maro ireo ray aman-dreny nitondra ny zanany, nilanja sora-baventy sy sarisary, izay toa namboarina tany an-trano. Mbola miezaka mamantatra ny dikan'iny zava-nitranga vao haingana iny i Frantsa, izay manano-sarotra ny fanazavana izany amin'ny ankizy tanora. Eny, matetika mahery vaika ireo sary manesoeso; eny, tolona maharitra ny famaritana ny fahalalaham-pitenenana izay mila adihevitra isan-karazany; ary, eny, mila mahay miara-miaina sy mifankahazo ny Frantsay .

Nanohina ireo mpamaky marobe ny lahatsoratra bilaogy fijoroana vavolombelona avy amin'i Marie, mpampianatra kolejy ao Saint-Denis, ao an-tanàna ambanivohitra avaratr'i Paris izay mampiantrano vitsy an'isa marobe. Tamin'ny lahatsorany, namaly ny tatitra tamin'ny gazety Le Monde i Marie izay nilaza fa nankasitraka ny fanafihana ny gazety frantsay mpanesoeso Charlie Hebdo ny ankizy tao Saint Denis noho ny endrika manevateva amin'ny sariitatrany. Miahiahy amin'izany fomba fitateram-baovao manavakavaka ny ankizy vitsy an'isa izany i  Marie. Tamin'ireo fanehoan-kevitry ny mpianany tamin'ny vono olona tamin'ny Charlie Hebdo, hoy i Marie nanoratra:   

Ils m’ont demandé de regarder des dessins publiés par Charlie Hebdo. Je les ai projetés au tableau, nous les avons analysés ensemble. Celui-là il est marrant madame. Celui-là, il est vraiment bête. Celui-là, il est vraiment abusé.

Le dessin de presse, la caricature, comme les textes de satire, reposent sur la nécessité impérieuse d’une réflexion, sur une recherche de l’implicite qui s’acquiert avec le temps, avec l’esprit critique, avec la lecture. J’ai rappelé à mes élèves quelque chose que je leur dis chaque semaine, que l’intelligence est ce que nous avons de plus précieux, que c’est grâce à elle que nous pouvons comprendre non seulement les mots et les images, mais aussi ce qu’ils cachent, ce qu’ils suggèrent, ce qu’ils ne disent pas d’emblée.

Toutes et tous ont compris. Aucun ne m’a dit : « C’est bien fait », « Ils l’ont bien cherché », « Je suis bien content-e ». Aucun. Je n’ai pas eu besoin de les mener à dire quoi que ce soit. Ils l’ont dit eux-mêmes. Les enfants de Seine Saint-Denis ne sont pas des idiots.Et moi non plus, enseignante, je ne suis pas idiote. Je ne baigne pas dans la démagogie dégueulasse dont on nous pense souvent coupables.

Lorsque je vois qu’un quotidien national, quelques jours après l’attentat contre Charlie Hebdo, part investiguer dans le 93 pour savoir comment ont réagi les élèves, je m’interroge, parce que l’odeur qui émane d’une telle démarche n’est pas très agréable à sentir.

Pourquoi le 93 ? Aucun de ces terroristes ne venait de Seine Saint-Denis. Aucun. Pourquoi le 93 ?

Pourquoi, tiens, n’allons-nous pas enquêter pour savoir les horreurs qu’ont dû proférer les collégiennes et les collégiens dont les parents votent Front National ? Pourquoi les journalistes ne sont-ils pas allés se poster devant les écoles de Béziers ? De Fréjus ? D’Hayange ? D’Hénin-Beaumont ? Pourquoi ne nous donne-t-on pas le droit de nous indigner des propos qu’ont très certainement tenus ces enfants qui, malheureusement pour eux, sont tout aussi imprégnés des idées de leurs parents et de leur milieu que la poignée d’élèves séquano-dionysiens ?

Je regrette vraiment qu’aujourd’hui les élèves du 93 soient stigmatisés, au lendemain de l’attentat terroriste, et je ne comprends pas pourquoi les médias choisissent de titrer, dans un geste racoleur qui me fout sérieusement la gerbe, « Les élèves de Seine Saint-Denis ne sont pas tous Charlie ».

Les élèves de Seine Saint-Denis n’ont surtout rien demandé. Ils aimeraient bien qu’on leur foute la paix, pour une fois, qu’on arrête de braquer les projecteurs sur eux dès qu’un bas du front islamiste vient dire ou commettre quelque chose d’effroyable.

Enfin, je suis triste parce que je sais que vous allez en prendre plein la gueule. Non, tous les enfants de Seine Saint-Denis ne sont pas d’accord avec l’intégrisme islamiste. C’est même le contraire. Certains ont écrit spontanément des plaidoyers pour la liberté d’expression. D’autres ont eu des remarques plus intelligentes que certains adultes. D’autres ont lu « Liberté » de Paul Eluard en sanglotant.

En braquant les caméras et les dictaphones sur une poignée de crétins, on oublie l’intelligence des autres et la sienne.

Nangataka tamiko mba hijery ny sasany tamin'ireo sary navoakan'ny Charlie Hebdo ny mpianatro. Nasehoko tamin'ny solaitra be izany ary nohadihadianay miaraka. Mampihomehy ity iray ity Madama. Tafahoatra kosa ity hafa ity Madama, hoy izy ireo.

Miankina amin'ny tokony handinihana lalina, ny fikarohana ny zava-miafina misy ara-potoana, miaraka amin'ny saina tia mitsikera, miaraka amin'ny vakinteny ny sary an-gazety, ny sariitatra, na koa ireo lahatsoratra mpanesoeso. Nampatsiahy ireo mpianatro izay zavatra nolazaiko tamin'izy ireo isa-kerinandro aho, fa ny faharanita-tsaina no tena sarobidy hananantsika, ary amin'ny alalan'izany no ahafahantsika mahatakatra tsy ireo teny sy sary ihany fa izay ambadik'izany koa, izay tiany ampitaina, sy izay tsy lazainy mivantana.

Mazava tamin'ireo mpianatra avokoa ny rehetra. Tsy nisy nilaza tamiko hoe : « Tsara ho azy ireo izany », « Izany no tadiavin'izy ireo », «Faly aho ». Tsy nisy. Tsy nitarika azy ireo hilaza na inona na inona aho. Izy ireo ihany no nilaza izay tany an-tsainy. Tsy adala ireo ankizy ao Seine Saint-Denis, na koa ny tenako izay mpampianatra. Tsy milomano ao anatin'ny zavatra mampandoa hanendrikendrehana anay hatrany aho.

Raha nahita gazety nasionaly nanao fanadihadiana tao amin'ny 93 [fiantsoana ny faritr'i Saint Denis) mba ahafantatra ny hevitr'ireo ankizy aho, andro vitsy taorian'ny fanafihana ny Charlie Hebdo, nanontany tena aho satria tsy dia tsara loatra ny vokatra avoakan'ny fanadihadiana ataon'ny fampahalalam-baovao tahaka izany.

Nahoana no 93 ? Tsy misy tamin'ireo mpampihorohoro avy ao Seine Saint-Denis. Tsy misy. Koa nahoana no 93 ?

Nahoana no tsy nohadihadiana ireo zava-doza nolazain'ireo mpianatra izay nifidy ny Front National ny ray aman-drenin'izy ireo? Nahoana ireo mpanao gazety no tsy nandeha tany amin'ireo sekolin'i Béziers? Fréjus? D’Hayange? sy D’Hénin-Beaumont? Nahoana no tsy omena antsika ny zo ho tezitra amin'ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo ankizy voasariky ny foto-kevitr'ireo ray aman-dreniny sy ny manodidina azy ireo tahaka ireo ankizy azo isaina amin'ny rantsa-tanana ao Saint Denis?

Malahelo tokoa aho fa nohavakavahana ny mpianatry ny [depaetemanta] 93 ny ampitson'ny asam-pampihorohoroana, ary tsy mazava amiko hoe nahoana ireo fampahalalam-baovao no misafidy lohatenim-baovao maharikoriko ahy: « Tsy Charlie avokoa ireo mpianatr'i Seine Saint-Denis ».

Tsy nitaky na inona na inona ireo mpianatr'i Seine Saint-Denis.Tian'izy ireo ny hamelana azy ireo hilamina amin'izany, ka ajanony ny fitodihana any amin'izy ireo raha milaza zavatra na manao zavatra mampivarahontsana ny vondrona mpampihorohoro.

Farany, malahelo aho satria fantatro fa tezitra ianareo. Tsia, tsy ny ankizy rehetra ao Seine Saint-Denis no miombon-kevitra amin'ny islamista mahery fihetsika. Fa ny mifanohitra amin'izany aza no izy. Ny sasany namoaka lahatsoratra sy tononkalom-piarovana ny fahalalaham-pitenenana. Ny hafa kosa nanao fanamarihana misaina sy miavaka lavitra noho ny an'ireo olondehibe. Ny sasany namaky ny “Liberté” an'i Paul Eluard tamim-pitomaniana.

Amin'ny fanotofana fakana ny sary sy ny feon'ireo adala vitsy an'isa, manadino ny fahaizan'ireo hafa sy ny an'ny tena isika.

Ireto ambany ireo ny sary nangonin'ilay mpikambana ato amin'ny Global voices, Sara Abrougui avy ao amin'ny sekolin'ny ankizy ao Strasbourg, ho fanomezam-boninahitra ireo niharam-boina:

"Killed for drawing tolerance and freedom" children drawing from Strasbourg

“Novonoina noho ny fanaovana sary fandeferana sy fahalalahana” Sary nataon'ny ankizy avy ao Strasbourg.

" it is the ink that should flow, not blood"

“Ny ranomainty no tokony hikoriana, fa tsy ny rà”

"A pencil against  a rifle"

“Pensilihazo mifanandrina amin'ny basy”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.