Vonona Ny Hiaina “Fotoan-Dehibe” Amin'ny Fanatanjahantena Ve i India?

Fikru Tefera of Atletico De Kolkata somersault is goal to beat Mumbai City Fc defender during the Indian Super League (ISL) tournament at Vivekananda Yuba Bharati Stadium in Salt Lake City, Kolkata, India. Image by Reporter#7585286. Kolkata, India. Copyright (12/10/2014)

Fikru Tefera ao amin'ny Atletico De Kolkata manao tsingolobalita ho fankalazàna ny baoina matiny nandreseny ny vodilaharan'ny Mumbai City Fc nandritry ny fifanintsanana Indian Super League (ISL) tao Vivekananda Yuba Bharati Stadium tany amin'ny Salt Lake City, Kolkata, India. Sary an'i Reporter#7585286. Kolkata, India. Fizakàmanana (12/10/2014)

Ny fihalehibeazana tao India nandritry ny fotoana ela dia midika fandrenesana ny hoe “Tsara kosa iny drive nataon'i Sachin Tendulkar iny an!”, saingy niova haingana be io. Mahazatra kokoa ny ankizy ankehitrio ny hoe “Tsara kosa iny daka tsy nampino nataon'i Elano iny” na “Tsara kosa iny kapoka tsy manam-paharoa nataon'i Roger Federer iny “. Misy zavatra mitranga any amin'ity firenena anjakàn'ny cricket ity, toerana izay toy ny niondrehan'ny karazam-panatanjahantena hafa rehetra teo anatrehan'ny cricket. Tampoka teo, ny Indian Super League (ISL) no fiadiana izay ho tompondakan'ny ligin'ny baolina kitra be mpanatrika indrindra ao Azia ary ny fahadimy be mpanatrika indrindra manerana ny tany—antontanisa iray nampihiratra ny maso raha raisina ny hoe andiany voalohany ho an'ity ligy ity ilay izy. Niroborobo ihany koa ny tennis Indiana, zavatra tsy mbola hita velively tany aloha tany.

Araka izany, ny inona no niova? Tsy voatazon'ny cricket ve ny ampihimambany tamin'ny fanatanjahantena Indiana? Sa zavatra nandalo fotsiny ihany ny laza nositrahan'ireo mpilalao cricket ?

Raha baolina kitra no resahana, noheverina hatrany ho “darafify resin-tory” i India, na dia nitàna ny toerana faha-efatra nandritry ny lalao ôlaimpika 1956 aza, ary taty aoriana dia nahazo medaly volamena roa tamin'ny Lalao Aziatika. Kanefa hatramin'ny nahazoany ireny fahombiazana ireny, nijanona natoritory hatrany ny lalao baolina kitra tao India. Mazava loatra fa io no tian'ny ISL hiova. Miaraka amin'ireo kintana fahiny toa an'i Robert Pires, Luis Garcia, David Trezeguet, Nicholas Anelka, David James, sy Joan Capdevilla, asongadin'ny ligy ireo mpilalao goavan'ny fahiny. Ary dia nandrakitra ny fientanentanany àry ireo mpampasa aterineto.

6 ora sy 30 mn maraina, ireo mpankafy baolina kitra ao Goa milahatra hividy ny tapakilan'ny manasa-dàlan'ny #ISL

Tsy nisy toa azy ny afomanga tamin'ireo lalaon'ny #ISL, antenaina ho toy izany no hitranga koa eny ambony kianja

Matin'i Sushanth Mathew ny baolina. Kanto loatra! Ny baolina maty tsara indrindra hitako hatramin'izay.

Tena tahaka io mihitsy no nataon'ny MLS tany Amerika Avaratra, ny J-League tao Japana, ary ny A-League tao Aostralia mba hisongadinana. Hevitra tsotra—alaivo ireo kintana iraisampirenena mba hilalao miaraka amin'ireo mpilalao eo an-toerana dia ampitao ny toe-tsaina, ny fahaiza-manao ary ny fahalalàna momba ny lalao. Azo antoka fa io no nanampy ny MLS sy ny tariny, izay rehefa nifandimby ny taona dia afaka nilalao tsara teo amin'ny sehatra iraisampirena sy tany amin'ny fiadiana ny Tompondaka Erantany. Raha ny marina, ny ISL dia nandroso Indiana mpilalao toa an-dry TP Rehenesh, Arnab Mondal sy Subash Singh izay afaka tsara mampiseho ny talentany sy misedra ny tenany manoloana ireo tena sangany.

Satria mitombo foana ny mpanatrika ny ISL ary mihatsara ny lentan'ny fifaninanana, sarotra ny tsy hiandrandra zavatra tsara mikasika ny hoavin'ny lalao baolina kitra Indiana.

Fanatajahantena iray hafa toa tsy dia notrandrahan'i India loatra amin'izay sasany azo trandrahana ny tennis. Tamin'iny taona 2014 iny, olona marobe no nanatrika ny lalao iraisampirenena  “International Premier Tennis League (IPTL)”. Tao Mahesh Bhupathi sy Leander Paes, nànana roa tamin'ny mpilalaony olon-droa miaraka tamin'ny vanim-potoanany rehetra i India, nifampizara anaram-boninahitra Grand Chelem niisa 12. Saingy noho ny antony samihafa anefa dia tsy namokatra mpilalao mandeha irery mba nanamarika ny vanim-potoana lehibe ho azy i India.

Mba hanatsaràna ny zava-misy, nametraka rafitra ahafahana mivezivezy malalaka toy ny hita any amin'ny firenena hafa i India. Niaraka tamin'i Roger Federer, Novak Djokovic, Serena Williams, Maria Sharapova, Ana Ivanovic, Tomas Berdych, azon'ny IPTL nilalao tao India tamin'iny taona iny ireo anarana goavan'ny lalao tennis, nanoloana mpijery marobe tsy antonona kianja.  

Raha izao no azon'i Alan Watkins atao, Andriamanitra anie hitahy an'i Federer

Mankalaza ny fandresena azon'i @Gael_Monfils tamin'ilay fifanatrehany tamin'i @tsonga7 tao Delhi ny ery amin'ny dabilion'ny tarika  @IndianAces

Marobe no nandray ireo lalao nokarakarain'ny IPTL ho lalao fampideràna fotsiny ihany (nahitàna an-dry Chris Kermode, Tale mpanatanteraky ny ATP Tour ), nefa ny IPTL dia natao hitondràna ny tennis ho any amin'ireo firenena tsy zatra loatra nandray mpilalao goavana toy izany.

Namakivaky an'i Manila, New Delhi, Singapore, sy Dubai, nahitàna hatrany ireo kintana Indiana nahazo fandresena maro ilay fifaninanana. Angamba ny mahazendana indrindra, nahasarika olona maro hanotrona azy sy mpijery maro tamin'ny fahitalavitra ilay fifaninanana. Ho anà fifaninanana natao fotsiny hitazonana ny fahalinan'i India ho amin'ny tennis, raha mbola eo amin'ny fampitaovana sy ny famerenana ny fotodrafitrasany momba ny lalao tennis ity firenena ity, dia nihoatra ny nandrasana ny vokatra azo.

Ary tsy mijanona eo io: hampiantrano ny Tompondaka Erantany Ho an'ny Latsaky ny 17 taona i India amin'ny 2017 ary ny 2014 Hockey Champions Trophy, izay vao nifanarahana tao Bhubaneshwar.

Amin'ny maha-taninketsan'ny lalao erantany azy, manaitra manokana i India amin'ny maha-“darafify resin-tory” azy. Ny fiakaran'ny lazan'ny fanatanjahantena tato ho ato, toy ny baolina kitra sy tennis dia mampitombo ny karazam-panantenana rehetra sy ny fiandrandràna zavatra amin'ny hoavy ho an'ireo Indiana atleta .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.