Tsy Tian'ny Manampahefana Shinoa Ny Fanahin'ny Krismasy Farany Teo

College students in Hunan province held anti-Christmas pageant. Image from Sina Weibo.

Mpianatry ny kolejy ao amin'ny faritanin'i Hunan manatontosa fifaninanana hatsaran-tarehy anti-krismasy. Sary avy amin'ny Sina Weibo.

Tsy nifanehatra tamin'ny fifaliana loatra ny rivotry ny krismasy tamin'ity taona [2014] ity tany Shina, araka ny hita amin'ireo feo mifampihantsy amin'ny manampahefana any an-toerana manao ampahibemaso ny ankivy sy ny fandraràna ny fetin'ny Tandrefana.

Tamin'ny alarobia nialoha ny krismasy, ny mpianatry ny oniversite tao afovoan'ny faritany Hunan, izay niavian'ny ray mpanorina ny Repoblika Entim-Bahoakan'i Shina, Mao Zedong, no nanatontosa fifaninanana hatsaran-tarehy anti-krismasy ahitana sora-baventy manamabara fa “Ny Shinoa tsy tokony hankalaza fety vahiny.” Nisy mpianatra sasantsasany nitaraina an-tserasera taty aoriana fa ny tena marina dia noteren'ny manampahefana ao amin'ny oniversite ry zareo hitafy nentin-drazana shinoa sy hampiseho sora-baventy anti-krismasy. Ny tompon'andraikitra ara-panabeazana ao amin'ny tanàna amoron-dranomasin'i Wenzhou izao dia namoaka didim-panjakana mandrara ny fety mifandraika amin'ny krismasy any an-tsekoly.

Ireo mpianatra any amin'ny oniversite isan-karazany ao avaratra andrefan'i Shina indray dia noterena hiaritra hijery sarimihetsika propagandy maharitra ora telo, ka tafiditra amin'izany ny fanandratana ilay Filôzôfy Confucius, hoy ny tatitry ny fampitam-baovao tao an-toerana. Nisy mihitsy aza ireo mpandraharahan'ny sekoly ambony tena nijoro teo ivelan'ny lakilasy mihitsy mba tsy hisy na dia iray aza ho tafaporitsaka any ivelany na handray anjara amin'ny fankalazana krismasy tsy ara-dalàna.

“Aoka mba ho zatovolahy sy zatovovavy Shinoa maodely ka tohero ny fandokafana ny fety vahiny,” hoy ny fivakin'ny sora-baventy iray mandravaka ny tokotanin-tsekoly ao amin'ny Kolejy Maoderin'ny Oniversite Avaratra andrefana ao Xi’an, toerana ahitana ireo mpiady vita amin'ny tany masaka [sarivongana].

Na dia miserana tsindraindray aza ny adihevitra ateraky ny fiakaran-dazan'ny fetim-bahoaka tandrefana, ity fisondrotry ny hetsika manohitra ny dadabe noely ity no mametraka fa mbola manohy amin'nyf anoherana ny soatoavina tandrefana hatrany ny Antoko Komonista.

Ny Kristiana ao Wenzhou, tanàna mandroso dia mandroso ahitana ny fitomboan'isa haingan'ny Kristiana ao amin'ny faritanin'i Zhejiang, dia niaritra ny famotehana miverimberina hatrany amin'ny trano fiangonan'izy ireo. Ny fanambarana ara-politikan'ny fanaovan-dalàna avoakan'ny governemanta ao an-toerana no mametraka fa ny tena tanjon'ny fanentanana dia ny ifehezana ny “fitiavana mitady hiorim-paka ao amin'ny maro” amin'ireo hetsika ara-pivavahana.

Na dia eo aza anefa izany dia lasa fotoana iroboroboan'ny fandraharahan'ny varotra ao Shina ny krismasy, fa maro ireo mpaninjara no faly amin'ny fiakaran'ny volamaty rehefa ho tapitra ny volana desambra. Na dia esorina amin'ilay fety aza ny endrika ara-pivavahana, dia malaza eo amin'ny Shinoa tanora ny fifanolorana fanomezana. Hoan'ireo Shinoa tanora maro dia fotoana fialam-boly mahafinaritra tsy misy ifandraisany loatra amin'ny fivavahana ny krismasy.

Saingy milaza ireo mpifikitra amin'ny fotokevitra mpandala ny nentin-drazana sy komonista fa misy hery avy any ivelany manao fitaovana ny fiakaran-danjan'ny krismasy mba hanozongozonana ny Antoko mitondra sy ny kolontsaina nenti-paharazana shinoa.

Ny vavahadim-baovaon'ny habaka Sina dia nanasongadina ny tantaran'ilay kabary nataon'ny lehiben'ny Biraom-Panjakana misahana ny raharaham-pivavahana, izay nitsidika fiangonana roa tao Beijing talohan'ny krismasy ary niteny tamin'ireo mpitari-pivavahana fa tokony hifanaraka amin'ny soatoavina fototra sosialista ny votoatim-pivavahana kristiana ary hijoro amin'ny fanoherana ny asam-pandrokirokiana ataon'ny hery avy any ivelany miditra amin'ny alalan'ny kristianisma.

Lasa lasibatry ny fanenjehan'ny fampitam-baovaom-panjakana ireo olomalaza avy ao amin'ny tontolo kristiana. Ohatra, ny gazety miaramila mivoaka isan'andro dia niampanga tao amin'ny kaontiny Weibo mitovy amin'ny Twitter ilay mpiantsehatra kristiana malaza Sun Haiying ho manendrikendrika ny mpanorina ny Antoko tahaka an'i Mao Zedong ary nanontany hoe, “Afa-miantsehatra ny anjara toeran'ny Komonista iray tsara dia tsara ve ny Kristiana?” Ny gazety Global Times dia namarinatra an'i Sun ho “ilay fitaovam-piadiana fahatelo” amin'ny fampielezana ny hevitra sy soatoavina ara-politika Amerikana ao ambadiky ny kristianisma mba handaboka an'i Shina, aorian'ny fitaovam-piadian'ny soatoavina manerantany sy ny foto-dalàmpanorenana.

Niteraka onjam-panoherana sy tsipaka tao amin'ny Weibo avy hatrany ireo hetsika anti-krismasy sy anti-kristianisma ireo, ka anisan'ny nandray anjara tamin'izany tsipaka izany ireo manampahaizana sy mpaneho hevitra manana ny lazany.

Mpanoratra malaza “Katavilahy Tian You” nitsikeera fa ireo hetsika anti-krismasy natao dia saiky fanentanana ara-politika fanohizana ny fanasana atidoha ny mpianatra hatrany :

年轻人过圣诞节都要管,仅仅是大学奇葩?不,这是政治意味颇浓的反潮流行动。其实,他们抵制的不是圣诞节,而是为了反西方思潮。因为一旦是“平等博爱”的基督教思想深入学生的灵魂,他们那套洗脑术就失去了效力,而学生一旦有独立思想,学生就不再是任他们指挥的工具,于是,他们的特权就会失去。

Tsy lalàna hafahafa any amin'ny oniversite ve ny fandrarana ny tanora hifaly amin'ny krismasy? Tsia, hetsika politika hanoherana ny fironan'ny maro io. Ny tena marina ny tian-dry zareo atao ankivy dia tsy ny krismasy fa ny fisainana tandrefana. Satria raha vao eken'ny mpianatry ny oniversite ny fisainana kristiana momba ny fitoviana sy ny firahalahiana, dia tsy handaitra intsony ny fanasana atidohan'ny fanhefana mpandala ny nentin-drazana. Raha vao manana hevitra mahaleotena ny mpianatra, dia tsy ho fitaovana ampiasain'ny fahefana nentin-drazana intsony. Ka dia ho very tombondahiny ny fahefana nentin-drazana.

Zhao Xiao, mpahay toekarena sady Kristiana, naneho ny ahiahiny amin'ny fanjakazakan'ny kolontsaina materialista manodidina ny krismasy ary nanandratra ireo misionera nampiely ny sivilizasiona maoderina tao Shina:

其实更应该探讨的是圣诞节该怎么过的问题。所有传统的节日其实都有一定的宗教性,而现在这些节日已经越来越物质化商业化,以致脱离了节日本身神圣的含义。但不管怎样,希望圣诞带给人们的不是狂欢,而是平安。

Ny tokony hiadian-kevitra kokoa dia ny fomba handalovana ny krismasy. Manana dika ara-pivavahana avokoa ny fety nentin-drazana rehetra. Ankehitriny lasa mirona tafahoatra amin'ny materialy sy amin'ny ara-barotra ireo fety ireo ka manalavitra azy ireo amin'ny dikany masina ara-pivavahana.

Nohazavainy avy eo ny tantaran'ny Kristianisma tao Shina:

基督教传入中国正值西方殖民主义扩张时期,从而和殖民主义、帝国主义的关系于「斩不断、理还乱」之中。总体来看,绝大多数传教士是抱着为了信仰而来中国的。公道地讲,正是这群“境外势力”因着对上帝的爱,对中国人的爱,不断地“渗透”,最终为中国带来了现代文明。

Tafiditra tao Shina ny Kristianisma rehefa nivelatra ny fanjanahantany tandrefana, noho izany dia misy ifandraisany amin'ny kôlônialisma sy ny imperialisma izy io. Amin'ny ankapobeny, tonga tao Shina tamin'ny finoany ny ankamaroan'ireo misionera. Tsorina, io vondrona ‘hery ivelany’ izay tsy nitsaha-niditra tao Shina io, noho ny fitiavana an'Andriamanitra sy fitiavana an'i Shina, no nitondra ny sivilizasiona maoderina tamin'i Shina.

Lei Yi, malaza amin'ny fahaizana tantara mpikambana ao amin'ny Akademia Shinoa amin'ny Siansa Sosialy, naneso ireo antokon'n'ny mpanohitra tandrefana:

还真有些人不知道“星期天”原来是“礼拜天”。这根本不是中国传统,应坚决抵制,天天上班上课,对吧?呵呵。有兴趣者可写论文:从星期天的实行看西方文化对中国传统的侵入、殖民文化……

Misy olona dia tsy mahalala fa ny dikan'ny ‘Alahady’ tamin'ny voalohany anie ka hoe ‘andro andehanana any am-piangonana’. Andao hotoherina fa tsy fomban-drazana shinoa io. Tokony hiasa sy hianatra isan'andro isika, sa tsy izay? Afa-manoratra fanohanan-kevitra ny olona sasany liana aminy : Famakafakana ny fifaningoran'ny kolontsaina tandrefana sy ny kolontsaina kôlônialy: Ahoana ny fomba nampidirana ny fomban'ny ‘Alahady’ teto Shina.

Zhang Ming, politisiana malaza ao amin'ny Oniversite Renmin, nitsikera fa toa tsy manahy akory amin'ireo mpiasampanjakana ambony mpanao kolikoly izay mety hampidaraboka an'i Shina ny manampahefana, fa ny ataony dia ny manao lasibatra ireo izay mety ho fahavalon'izany :

扳倒中国的武器,不是周永康,也不是徐才厚,更不是令计划,却是一个演员孙海燕?他演的激情燃烧的岁月,不是主旋律吗?写了几条微博,就把中国扳倒了?你是在污蔑中国是弱不禁风的林黛玉?

Mpiantsehatra iray ve no mety ho fitaovam-piadiana hanjera an'i Shina, fa tsy [lehiben'ny mpitandro ny filaminana teo aloha] Zhou Yongkang, [filoha lefitry ny Tafi-Panafahana teo aloha] Xu Caihou, na [ny dekàn'ny (mpanolo-tsaina) Sekretera Jeneraly Hu Jingtao, teo aloha] Ling Jihua? Fa angaha tsy ao anatin'ny ideolojian'ny fitondrana sosialista amin'izao fotoana ilay sarimihetsika amin'ny fahitalavitra “Ny Fotoam-Pitiavana Lalina” nolalaoviny? Afa-manjera an'i Shina amin'ny alalan'ny famoahana bolongana bitika ve izy? Henonao ho malemy tokoa ve ny governemanta Shinoa ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.