Efa Mandray Toerana Sahady ny Pejin'Hetsika Facebook Vaovao Rehefa Naroson'i Kremlin Ny Famoahana Didy Hoan'i Navalny

Alexey Navalny in a Russian court. Image from Wikimedia Commons.

Alexey Navalny ao amin'ny fitsarana Rosiana iray. Sary avy ao amin'ny Wikimedia Commons.

Koa satria nahazo andian'olompirenena maro handray anjara amin'ny hetsika hotontosaina amin'ny 15 janoary hanoherana ny didy hanamelohana ilay mpitarika ao amin'ny fanoherana Alexey Navalny ireo mpikatroka Rosiana avy ao amin'ny fanoherana, dia namindra tampoka ny famoahana ny didy ho amin'ny anio 30 desambra ny fitsarana. Efa voaomana sahady an-tserasera ny hetsi-panoherana vaovao.

Hivoaka rahampitso amin'ny sivy maraina ny didy.

Niteraka resabe tokoa ny hetsika nomanina voalohany, efa voalahatra hotontosaina amin'ny 15 Janoary, fotoana heverina fa hanomezana amin'i Navalny ny didim-pitsarana, rehefa nobahanan'ny Facebook ny lanonam-pihetsehana voalohany noho ny fangatahin'ny biraon'ny fampanoavana ao Rosia tsy misy fanazavana sy fampitandremana hoan'ny mpikarakara ny hetsika. Nipongatra tsy ela taorian'izany ny pejy vaovao, nahavory fampielezana an'aliny avy amin'ny mpiseran'ny RuNet. Nilaza taty aoriana ny Facebook sy ny Twitter fa tsy hanakana pejin'hetsika ao Rosia intsony.

Tamin'ny Alatsinainy, ny lapan'ny fitsarana Rosiana iray heverina fa hamoaka ny didy no nanova tampoka teo ny datin'ny 15 Janoary ho Talata 30 Desambra, amin'ny 9 maraina oran'i Moskoa. Tampoka tamin'ny mpikatroka ao amin'ny fanoherana tokoa izany fanovana izany ary maro ireo naneso ny fitsarana tamin'izany fihetsika mivandravandra izany noho ny fahazoan-tanjaky ny hetsi-panoherana. Nanazava i Navalny tao amin'ny tranonkalany fa azo atao ny mandika ny lalàna sasantsasany noho nt raharaha miavaka manokana tahaka ny azy.

Как вы знаете, приговор по «делу Ив Роше» был назначен на 15 января. Мне несколько человек сказали «как-то это выглядит странно, могут перенести, сделать раньше и внезапнее», но мы такой вариант не рассматривали, так как он вообще в принципе невозможен.
Но, как оказывается, нет таких исключений, которых нельзя устроить хорошим людям.
5 минут назад всех нас (адвокатов, меня и Олега) уведомили, что оглашение приговора состоится завтра, 30 декабря в 9 часов утра.

Araka ny fantatrareo, nomanina hivoaka amin'ny 15 Janoary ny didy amin'ny “Raharaha Yves Rocher”. Nilaza tamiko ny tapikan'olona vitsy fa “hafahafa raha afa-manova indray ny fotoana ry zareo, mampandroso azy ho alohaloha kokoa sy amin'ny fomba tsy ampoizina kokoa,” saingy tsy nihevitra ny hanao izany safidy izany rehefa tsy azo natao mihitsy izany.
Saingy hita fa tsy misy ny maningana tsy azo atao hoan'ny olona tsara.
5 minitra izay izahay rehetra (ireo mpisolovava, i Oleg ary Izaho) no nampahafantarina fa hambara rahampitso 30 desambra amin'ny sivy maraina ny didim-pitsarana.

Ho setrin'ny fanapahan-kevitry ny fitsarana, nanangana ny pejin'hetsika Facebook vaovao hanaovana fihetsiketseha-panoherana hafa tsy nahazoana fankatoavana, izay nomanina ankehitriny ho amin'ny takarivan'ny famoahana ny didy anio [30 desambra] i Leonid Volkov, iray amin'ny mpanomana ny hetsika amin'ny 15 Janoary sy mpanorina ny pejin'hetsika Facebook izay voasakana.

Efa nihoatra ny 13 000 sahady ny nanasonia handray anjara amin'io fihetsiketseha-panoherana hotontosaina anio io. Efa nifmpizara ny sarin'ny polisy efa mikenokenona manodidina ny kianja Manezhnaya ihany koa ny mpisera ary mifanakalo hevitra amin'ny fomba hikarakarana ny hetsika raha mikasa ny hanakana ny aterineto sy ny fomba fifandraisana hafa ny manampahefana rosiana. I Navalny tenany dia efa nisioka ny ampiasana ny fampihatra FireChat, fifaningotan-tambajotra mifototra amin'ny fitaovam-pifandraisana efa nampiasain'ny mpanao fihetsiketsehana any Hong Kong talohaloha teo tamin'ity taona ity. Mbola ho hita eo moa hoe hatraiza ny fahalavirana vitan'ny fampiharana ny lalàna rosiana amin'ny fisorohana na fanakanana ity hetsika hotontosaina ity.

Ampangaina ho nanao fisolokiana orinasa frantsay iray fikojakojana tarehy i Navalny sy ny rahalahiny, saingy nolazain'izy ireo fa misy ambadika politika ny vesatra iampangana azy ireo. Nangataka tamin'ny mpitsara ny hanidiana azy ireo 10 taona sy 8 taona araka ny filaharany ny mpampanoa lalàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.