Tsy Mahalala Firy Ny Momba An'i Filipina ? Ireo Tsara Ho Fantatra Ho An'ireo Vao Sambany Hitsidika Anay

A statue of Christ on the cross is carried through the streets of Manila during the Black Nazarene Festival (Pista ng Itim na Nazareno). The Philippines is one of only two predominantly Catholic countries in Asia. Photo by Denvie Balidoy (CC BY 2.0)

Sarivongan'i Kristy eo amin'ny hazo fijaliana, lanjalanjaina manerana ny làlana any Manila mandritra ny fankalazàna ny fetibe “Black Nazarene” (Pista ng Itim na Nazareno). Ny Filipina dia iray amin'ireo firenena roa be Katolika indrindra any Azia. Sary nalain'i Denvie Balidoy (CC BY 2.0)

Misy hetsika lehibe telo hitranga any Filipina amin'ny volana Janoary 2015 : Ny fahatongavan'ny papa ray masina François any Manila sy Leyte; ny fankalazàna ny fetibe Sinulog any Cebu; ary mazava ho azy, ny Vovonanana Iraisam-pirenena ataon'ny Global Voices any Cebu ihany koa.

Mety ho maro ireo mpandray anjara amin'ny vovonamben'ny GV no tsy mahalala tsara ny tantara sy kolontsain'i Filipina, ary raha mety hanome andinindininy mahaliana sy azo antoka momba ny fireneko ny aterineto, dia tiako hasongadina ihany ireto manaraka ireto izay mety ho ilain'ireo izay sambany vao mitsidika anay:

1. Ny Filipina dia andia-nosy any atsimo-atsinanan'i Azia. Nosikely 7.107 no mamorona azy, ary anisan'ny manana morontsiraka lava indrindra maneran-tany izy. Misy vondrona nosy telo lehibe ao : Luzon, izay misy ny renivohitra Manila; Visayas (Cebu dia ao afovoan-tanin'i Visayas); ary Mindanao, nosy any atsimo izay silamo ny ankamaroany. Maro ireo gazetiboky no nandahatra an'i Boracay sy Palawan ho anisan'ireo nosy tsara indrindra maneran-tany.

2. Ankoatra an'i Timor atsinanana dia ny Filipina irery no firenena be Katolika indrindra any Azia. Ny fivavahana Katolika dia lova avy amin'i Espana, satria ny Filipina dia zanatany espaniôla nandritra ny 300 taona mahery. Rehefa nahazo ny fahaleovanteny nandritry ny fotoana fohy izy tamin'ny taona 1898, dia lasa zanatany Amerikana indray hatramin'ny taona 1946. Araka ny lazain'ny Filipiana sasany mba hanazavàna ny fanjakàn'ny fivavahana Katolika sy ny lazan'ny teny Anglisy any amin'ny nosy: Nandany 300 taona tany amin'ny masera izahay ary 50 taona tany Hollywood”!

Noho ireo mponina sy mpitarika mafy finoana amin'ny fivavahana Katolika, dia ny Filipina irery ihany —ankoatra an'i Vatican— no firenena tsy manana lalàna momba ny fisaraham-panambadiana maneran-tany.

Miandry mafy ny fahatongavan'ny papa amin'ny volana ambony any Manila sy Leyte ireo Filipiana katolika. Efa nanambara sahady Manila fa andro tsy fiasàna ny 15-19 Janoary any an-toerana, ary nanipy teny koa ny fitondràna fa mety hamoaka andro tsy fiasàna koa izy mba hahafahan'ireo Filipiana mijery sy mandray anjara amin'ny hetsika iarahana amin'ny Papa.

3. Manila no tanàn-dehibe voalohany sy renivohitra politikan'ny Filipina. Anatin'ny Metro Manila izy, izay ahitàna tanàn-dehibe sy faritra 17. Ny tanànan'i Makati indray no renivohitra ara-bolan'ny firenena.

Any Visayas, Cebu no foibe ara-toekarena lehibe. Iray amin'ireo faritany 80 any amin'ny firenena izy, ary anisan'ireo be mpizahatany. Any Cebu City, renivohi-paritr'i Cebu no hatao ny vovonana iraisam-pirenen'ny GV.

Cebu no fantatra ho toerana nahaterahan'ny finoana Katolika tany Filipina. Malaza noho ny nahandrony, fankalazàna ara-pivavahana, fiangonana, ireo toerana masina ho an'ny vorona, ary ireo nosy virijiny. Ny seranam-piaramanidin'i Cebu dia ao amin'ny nosy Mactan, izay ahitàna toeram-pialan-tsasatra malaza misy tora-pasika fotsy ihany koa.

Iray amin'ireo mahery fo any Filipina i Lapu-Lapu (misy tsangambato fahatsiarovana azy ao Mactan), mpitarika tany an-toerana izay maty noho ny fanoherany ireo espaniôla mpanjanaka nandritra ny taonjato faha-16.

4. Noho izy ao amin'ilay antsoina hoe Faribolan'ny Afon'ny Pasifika (Ceinture de Feu), matetika tratry ny rivodoza mahery, horohorontany, ary fipoahan'ny volokano ny Filipina. Nalaza eran-tany ny nosy Leyte sy Samar tamin'ny taon-dasa noho izy ireo tratran'ny rivomahery Haiyan (fantatra any an-toerana amin'ny anarana hoe Yolanda), rivodoza tropikaly mahery indrindra tamin'ny tantaran'izao tontolo izao.

Aza manahy anefa fa zara raha tratran'ny rivo-mahery ny Filipina mandritra ny volana Janoary. Vanim-potoana milamina tsara hitsidihana ny firenena io satria mbola mangatsiaka ny andro. Mangatsiaka ahoana ? Tsy dia mangatsiaka firy raha avy amin'ny tany mafàna ianao, ka hoy aho hoe ento ny akanjo maivana rehetra ary hajanony any an-trano ny akanjo matevina. Nefa aza adino ny elo !

5. Tsy misy atahorana ny fitsidihana an'i Cebu. Misy taxi soa aman-tsara (tsy misy fiara an-dalamby ao Cebu) manerana ny tanàna. Ary aza adino ny mitaingina ny jeepney, fiara fitateram-bahoaka malaza sy  mampiavaka ny firenena.

Ary vantany vao migadona ao Manila na Cebu ianao, dia mahazoa fahafinaretana satria izay no teny filamatry ny firenena amin'ny lafiny fizahantany: #mahafinaritrakokoa any Filipina. Amin'ny volana ambony mihaona e!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.