Ho An'ny Olon-tsotra Iray Mpanao Gazety Any Hong Kong, Nahoana No Lasa Loharanon-Tahotra Ny Hoe Lasa Malaza Be Amin'ny Aterineto

Screen capture of Hung Lai Fong's article on inmediahk.net that gives her panic attack.

Dikasarin'ny lahatsoratr'i Hung Lai Fong tao amin'ny inmediahk.net, izay ilazàny fa mahatonga azy hatahotra.

Hatry ny niantombohan'ny fihetsiketsehana itakiana rafitra fanendrena malalaka an'ireo mpirotsaka ho fidiana ho mpitondra ambony an'i Hong Kong, maro ireo  mpanao hetsi-panoherana manohitra ny governemanta sy ireo mpisera amin'ny Aterineto nenjehina. Noferan'ny governemanta Shinoa tsy hiditra ao Shina ny an-jatony amin'izy ireny, noho ny tahotra ny hitondran'izy ireo hetsi-panoherana ao amin'ny tanibe. Mihaolohaolo ao an-tanàna ny “tahotra fotsy”, hany ka matahotra ny ho ihenjehina toy ireo hafa ihany koa ireo feo mpitsikera, amin'ilay lalànan'ny heloka atao amin'ny infôrmatika, na horaràna tsy afaka mandeha any amin'ny tanibe Shina.

Mitantara ny tahony i Hung Lai Fong, mpanoratra vao tafiditra vao haingana ao amin'ny sehatra median'ny olon-tsotra inmediahk.net, raha nahita ny lahatsorany lasa malaza be ao amin'ny Aterineto any amin'ireo media sosialy ao anatin'ny lahatsoratra arahana an'ny inmediahk.net. Nalefa ny 24 Novambra 2014 ilay lahatsoratra amin'ny teny Shinoa, ary nadikan’i Cheung Choi Wan tamin'ny teny Anglisy.

Izao no niantombohan'ilay izy. Manaiky aho fa rehefa mandefa lahatsoratra amin'ny inmediahk.net, tokony hampiasa ny tena anaranao ianao, satria raha namaky ireo lahatsoratra nosoratan'i Ho Kit Wang, i Tang Man Lam ary i Ip Iam Chong aho, mipoitra tsara ao daholo ny anaran'izy ireo, ary nisy ireo lahatsoratra hafa nivoaka ihany koa, nisy anaran'ny fikambanana sy vondrona. Izany no nahatonga ahy, raha niditra tao amin'ilay sehatra dia nampiasa ny tena anarako, izay anarana Shinoa be mpanana sy tranainy ihany.

Nizara ny rohin'ny lahatsoratro tao amin'ny Facebook aho, satria tiako zaraina amin'ireo namako ny fandrosoako, na dia bitika aza, izay nataoko tao amin'ny nofinofin'ny fanoràtako. Samy tsara fanahy be daholo ireo namako. Naneho ny fanohanany izy ireo ary nilaza tamiko ny hitazonako azy io. Indray andro, nitanisa andalana iray nosoratako momba ahy ihany ny inmediahk.net, raha nizara ny lahatsoratro tao amin'ny Facebook izy ireo. Nozarazarain'ny olona ireo lahatsoratra, niaraka tamin'ilay zavatra nolazaiko ary ireo fanehoan-kevitr'izy ireo manokana. Lasa nalaza be tamin'ny Aterineto avy eo ilay lahatsortara ary nanomboka nahazo fanehoan-kevitra tamin'ny alalan'ny WhatsApp aho.

Ny zavatra resahin'ireo olona voalohany raha mifanena amin'izy ireo aho dia ilay zavatra nosoratako, milazalaza ny momba ahy: “Tonga tao Hong Kong aho fony vao 8 taona ary izao aho 23 taona.” Hatreto, mientanentana foana aho, satria amin'ny maha mpanoratra, faly ianao hoe mamaky ny asasoratrao ny olona. Avy eo naneho hevitra ny namana iray, “Be herim-po kosa ianao. Nandefa ny anaranao feno ianao ary manely io ao amin'ny Facebook mihitsy. Aza adinoina, aza manandrana miditra any amin'ny tanibe ato ho ato. XD” Nikentrona tampoka teo ny tsiky teny amin'ny tarehiko. Segondra iray taty aoriana, nitsiky aho ary niteny tsotra hoe, “nanoratra lahatsoratra iray fotsiny aho. Tsy dia zava-dehibe iny.”

Nefa avy eo indray dia lohateny maro tsy voatanisa no nandalo tao an-tsaiko: vao haingana, tsy navela niditra tao amin'ny tanibe ilay mpilatsaka an-tsitrapo avy amin'ny vondron'ny mpikatroka mafana fo anà mpianatra “Scholarism” ary mpiasanà fiaramanidina izay tao anatin'ireo voasambotra ny 2 Jolay tamin'ny hetsika fitokonana; norahonana ilay kabinetra mpihazakazaka amin'ny fifidianana karakarain'ny Fikambanan'ny Mpianatra ao amin'ny Tanànan'ny Anjerimanontolo [noho ny fironany ara-pôlitika]; olona maro no voasambotra noho ny fampiasàna tsy amim-pahamendrehana solosaina… Eny e, fantatro fa mieritreritra ianao hoe mampitombo koa aho, fa manomboka izao, niova ho tsy fahazoana aina ilay hafaliako naharitra vetivety monja. Nifoha tampoka aho ary nanontany tena hoe izany ve ilay antsoin'ny olona hoe “horohoro fotsy.”

Mampivarahontsana ilay “horohoro fotsy”, tsy hoe satria lasa tena izy ny zavatra natahoranao. Mamàka  amin'ny heriny afaka mampiditra tahotra sy manindry anao hatrany io horohoro io, ary avy eo…., ary avy eo ianao miato amin'ny dianao eo. Manomboka manao fanivanan-tena amin'ny ataonao ihany ianao sy mifehy tena, ary miafara amin'ny tsy fanaovana na inona na inona mihitsy. Ny tena marina, nijery haingana ny pejin'ny vohikala inmediahk.net aho ary, ity sy iroa, olona maro no mandefa ireo lahatsorany ary tsy manome ny tena anarany! Tsy misy fitsipika ao hoe tokony mampiseho ny ANARANAO FENO ianao! Noho izany, nanandrana nanova ny anarako aho anefa nahita fa tsy manana ny fahafahan'ny mampiasa hanova ny mobamomba azy aho!

Ankehitriny, mbola ao amin'ny inmediahk.net ilay lahatsoratra, ary tsy misy na inona na inona niova. Tsy nihaino ny torohevitr'i Chow Yung, filohan'ny vondron'olon-tsotra mpomba an'i Beijing aho, ny hanandrana ny hihoatra ny fefy ary mijery raha afaka miditra aho. Nieritreritra aho raha ny marina hoe, tokony hanohy hanoratra ve aho sa tsia? Raha mamaky ity ianao, mety hieritreritra hoe, “adala ve io vehivavy io? Zavatra kely tsy misy dikany izany kanefa matahotra mafy ery izy. Iza anefa no hahafantatra ny momba azy eo …” na hoe “Nahoana ianao no toa olona mora milefika?!” Tadidiko ireo olona niaro ny tenany, taorian'ny nidirany an-keriny ny tranoben'ny FilankevitryMpanao Lalànan'ny Hong Kong, nilaza hoe, tsy ny filohan'ny mpianatra Joshua Wong izahay, ary tsy i Alex Chow izahay, na Lester Shum, na ireo telo mpitondra tenin'ny hetsi-panoherana Occupy Central (Bodoy ny Afovoany). Tsy misy olona hiraharaha raha voasambotra izahay. Mila miaro ny tenanay samirery izahay, ary izany no nanaovanay saron-tava, ary tsy hijanona hipetraka hiandry ho samborina eto fotsiny izahay.

Raha ny marina dia tsy miombon-kevitra amin'izany hevitra izany aho. Talohan'izao, olona vitsy no nahalala an'i Wong, Chow, Shum ary ireo lehilahy telo mpitondra tenin'ny Occupy Central, fa rehefa nitolona nanohitra ny Rafitry Ny Fampianarana Nasiônaly izy ireo, niantso ny olona hitokona na nikarakara ny Occupy Central, tsy nanao saron-tava mihitsy izy ireo (raha tsy hoe narary izy ireo). Nahazo ny lazany izy ireo tamin'ny zavatra nataony sy ny herimpony. Amiko, tsy olana ny niditra an-keriny ny tranoben'ny Filankevitra Mpanao Lalàna. Ny fangalarana sady miteny ny olona hiditra ao anatiny rehefa avy niditra an-keriny tao ianao no tsy azo ekena. Izao, ny tiako tenenina dia hoe maro amin'ny olona no saron-kenatra (raha tsy izany ianao, tena deraiko marina ianao.)

Ankoatra ireo olona vitsy izay manana fahatsapàna lehibe ho manana andraikitra, maro ireo olona tsy tia hanao sorona ary tsy tia ny fiainany ho voakorontana. Tsy tia hanary ny zavatra rehetra ananany izy ireo ho an'ny ho avy mbola tsy fantatra akory. Mety tsy hanam-petra ny tahotra — tsy maninona hoe mety tsy mitombina akory io. Izany ny zava-misy marina. Tokony hekentsika hoe mety io no antony tsy hanohanan'ny vahoaka sasany ao Hong Kong ny hetsika. Aza mba henjehana ho tia tena re izy ireo azafady. Samy manana ny fomba fisainany ary ny olany manokana avy ny olona. Tsy misy tokony hitsikeràna ny hafa avy amin'ny fomba fisainana ambony kokoa. Ny tokony hataontsika dia ny manampy azy ireo hanatanteraka ny tena dikan'ilay Hetsika Elo.

Amin'ny fotoana hamakianao ito fehezanteny ito, tsy maintsy hanontany tena ianao hoe “nahoana ary ianao no manoratra raha tena matahotra tokoa?” Tsy maintsy miresaka ny mombamomba ahy hafa aho. Ankoatra ny hoe “Niditra tao Hong Kong fony 8 taona ary 23 taona aho ankehitriny,” nandeha tany ampiangonana aho tato anatin'izay sivy taona farany izay. […] Amin'ny maha Kristianina, tena mihetsi-po be amin'ilay Hetsika Elo aho. Tsy maintsy miresaka ny momba azy io aho isaky ny misy fahafahana. Na dia izany aza, tsy maintsy lazaiko ny hoe tsy tena Kristianina aho tany aloha, mieritreritra aho hoe nisafidy ny hanakimpy ny masoko aho ary hijanonana ao amin'ny toerana metimety kokoa amiko.

Miaraka amin'ireo olona marobe manerana ny tany, nahoana moa aho no tokony hitsangana? Amin'ny “psychology”, misy fomba matianina filaza manokana ho an'ity zavatra mitranga na ity fomba fisainana ity — “ny fiantraikan'ny firaisana vodirindrina.” Raha lazaina tsotsotra, rehefa maro ny olona, vitsy ny mahatsapa ho manana andraikitra. Tsy dia tena mazoto ny hanao zavatra ny tsirairay. Kanefa, Mino an'i Jesoa aho, ary milaza amintsika ny Baiboly hoe tokony hiasa amim-pahitsiana isika ary hitia ny fiantràna. Nampianatra antsika ny hanangona harena ho antsika any an-danitra i Jesoa, ary tsy hifikitra amin'ny zavatra ananantsika eto an-tany. Teo anilan'ireo mahantra sy ireo malemy hatrany Izy… […]

Tsy manana safidy aho. Na izaho mandao ny fiangonana, na manangona ny heriko ary mandeha miaraka Aminy. Fotoana indray izao hanaovana aro loha. Tsy milaza aho akory hoe tokony hiady eo anoloana daholo ny rehetra, fa tsy tokony hanodina ny lohanao any an-kafa tsy hijery ny tsy rariny ary tsy hanao na inona na inona ianao. […]

Noho ireo antony rehetra voatanisa eo ambony ireo, mbola ho hitanareo handefa lahatsoratra amin'ny tena anarako foana aho, izay efa nilaozan'ny toetr'andro tanteraka. Tsy hoe tsy matahotra aho, fa kosa tsy miantsy manao ny zavatra tokony ataoko aho. Ary azafady, ialao ilay hevitra hoe “tsy betsaka ny miampy iray, tsy hita ny anesorana iray.”

Raha afaka ianao, iangaviana mba manaova zavatra ho an'ny Hetsika Elo amin'izay fomba rehetra azonao atao. Ohatra, tsy manana tanjaka aho, ny sorona na ny fahafahana handeha isan'andro ho any amin'ireo toerana “bodoy”. Nanomboka nandeha an-tsekoly indray aho. Na dia izany aza, afaka mandalina ny Hetsika Elo aho any amin'ireo tetikasan-tsekoly, ary mitondra ilay hetsika ho any amin'ny faritry ny toram-pianarana. Afaka manoratra ihany koa aho. Ny olona sasany misafidy ny hanoratra hira, handoko, haka sary, handeha any amin'ny fiarahamonina, hanely ireo hafatra. Maro ireo zavatra azo atao, ka miangavy aza mba tsy hanary toky sy tsy hitsahatra hanao zavatra. Manana namana maro miara-mandeha ianao. Ho tsaroako lalandava ilay alina teo amin'ny Kianjan'ny Olom-pirenena. Alina tena lava iny ary tena natahotra mafy aho, fa taorian'ny niposahan'ny andro, niha-maro ireo olona tonga teny an-kianja mba haneho ny fanohanany. Tsy nahatsiaro tena ho irery intsony izahay, ary niha-nahazo hery ny fonay.

Andao hivavaka ho an'ny ampitso.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.