Tiorkia : Miha Sarotra Afenina Ny Olan'ny Fitombon'ny Kolikoly

Screen Shot 2014-12-03 at 23.20.30

Vola ao anaty boatin-kiraro. Sary malaza be amin'ny Aterineto.

Tato anatin'ny roa ambinifolo volana farany, hita ho miha anjakan'ny kolikoly bebe kokoa ny firenena Tiorka. Izany ny hafatra navoitran'ny Tondro Fijerena ny Kolikoly farany avy tamin'ny Transparency International nivoaka ny 3 Desambra.

Tsy mahagaga ny rehetra izay niaina tao Tiorkia nandritra io fotoana io izany.

Manodidina io fotoana io, tamin'ny taona lasa, nifoha tao anatin'ny fahafaham-baràka lehibe indrindra tamin'ny kolikoly teo amin'ny tantara maoderin'ny firenena ireo olom-pirenena Tiorka.Mpanao pôlitika mitàna anjara toerana lehibe, tafiditra ao ireo minisitra amperin'asa avy amin'ny Antoko Fahamarinana sy Fampandrosoana ary ireo zanany lahy, ireo mpiandraikitra ny trano fonenana, ny Filoha Tale Jeneralin'ny banky izay an'ny fanjakàna ny ampahany betsaka, ary Iraniana iray mpandraharaha, no samy nosamborin'ny mpitandro filaminana Tiorka daholo, ary notànana noho ny fiahiahianà tsolotra, famotsiam-bola, ary fanaovana kolikoly. Mbola mandeha ny fanadihadian'ny mpitandro filaminana, ary noraràn'ny kaomisiôna parlemantera iray ireo media tsy hamoaka tatitra mikasika io, ny volana lasa teo.

Narahan'ireo sary nalain'ny mpitandro filaminana ireo fisamborana tamin'ny 17 Desambra,  sarianà vola antapitrisany dolara maro natoby tao anaty boatin-kiraro, tao amin'ny fonenan'i Suleyman Aslan, Filoha Tale Jeneralin'ny Banky Halk, ary ireo rakipeo lazaina fa mirakitra ireo resaka an-telefaona ahenoana ny Praiminisitra tamin'izany fotoana izany, Recep Tayyip Erdoğan (filoham-pirenen'i Tiorkia ankehitriny) miresaka ny paikady hanafenana lelavola be dia be miaraka amin'ny zanany lahy, i Bilal.

Anisan'ireo fiampangàna ny hoe nandray anjara tamin'ny fanosehana ny fanovàna tany anivon'ny mpitandro filaminana sy ny fitsaràna ny Antoko Fahamarinana sy Fampandrosoana, zara raha nisy fitsaràna kely iray natao.

Nampizara an'i Tiorkia ireo fisamborana, ao ireo mpanohana avy amin'ny Antoko Fahamarinana sy Fampandrosoana milaza fa hosoka ireo rakipeo, raha ny sasany kosa namafy ny hatezerany tamin'ilay heverin'izy ireo ho governemanta hita mibaribary fa feno kolikoly.

Raha jerena ny fandraisan'izy ireo azy io, toa mahatsapa ilay lazaina ho raharaham-pianakavian'ny Antoko Fahamarinana sy Fampandrosoana tamin'izany fotoana izany ireo olom-pirenena Tiorka, nanoratra izao ny mpitoraka bilaogy, Deli Gaffar:

Bu iş bir baba-oğul konusu değildir. Bakanlarla oğulları arasındaki ilişki bir baba-oğul ilişkisini aşmış, bir tür iş ortaklığı da denilebilecek çete birlikteliğine varmıştır. Genellikle oğullar babalarla aynı sosyal çevreyi soludukları için babanın pis işlerine ortak olma, ya da en azından alet olma olasılığı hayli yüksektir. Ancak tersi de olabilir, yüksek ahlaklı bir baba, oğlu yüzünden bozulabilir ya da belki sırf evladını koruma güdüsüyle ilkelerinden taviz verebilir.

Tsy raharahanà Ray sy zanaka io. Mihoatra noho ny fifandraisan'ny ray sy zanaka ny fifandraisana misy eo amin'ireo minisitra sy ireo zanany lahy, lasa fikambanan'andian-jiolahy mpandroba io, izay afaka antsoina ihany koa hoe fifanarahana ara-barotra. Matetika, raha miaina ao amin'ny tontolo sosialy mitovy amin'ny rainy ireo zanany lahy, tena betsaka ny mety hahatonga azy ireo ho toy ny rainy ihany koa. Kanefa, mety hiseho ihany koa ny mifanohitra amin'izany, noho ny zanany lahy dia mety hikorosy fàhana ny ray manana toe-tsaina ambony, na mety hivaona amin'ny idealiny izy amin'ny fitiavany hiaro ny zanany.

Ao amin'ny Twitter, nandefa bitsika amin'ny alàlan'ny tenifototra #hırsızvar (#atynympangalatra), ##17Aralık (#17desambra), ary ##yolsuzluk (#kolikoly) ny olona.

Mbola matanjaka ireo tenifototra ireo na dia roa ambinifolo volana aty aoriana aza, satria ny tondro nivoaka ny taona 2014 avy tamin'ny Transparency dia maneho an'i Tiorkia ho firenena nikorosy fahana indrindra raha oharina amin'ny hafa tao anatin'ny resaka kolikoly ny taona 2013-14 .

Mandahatra firenena 175 isa ny Tondron'ny Fahitàna ny Kolikoly, manome ny tsirairay amin'izy ireo ny isa manomboka amin'ny 0 (anjakan'ny kolikoly fatratra) ka hatramin'ny 100 (madio tsara). Araka ny tondro  nomen'ny Transparency International, any ambanin'ny 50 ny roa ampahatelon'ireo firenena maneran-tany  ary tsy misy firenena nahazo ny isa 100. Tiorkia, izay nahazo ny isa 50 tamin'ny fivoahan'ny tondro farany, dia nahazo isa 45 tamin'ity manaraka ity.

Mama a, nangalarindry zareo ny boaty ho an'ny kiraro vaovaoko #kolikoly

Nahatonga fanivànana lehibe teo amin'ny media sosialy sy nentim-paharazana ihany koa ilay tantara ratsin'ny taona 2013. Nihamafy ireo fameran'ny governemanta tao amin'ny Twitter sy Youtube nandritra ny hazakazaka amin'ireo fifidianana ny ho filoham-pirenena natao tsy ela, izay nandresen'i Erdogan, ary mijanona eo amin'ny toerana ihany. Noferana tsy nahazo nanatrika ny fakàna ambavany ary nitatitra momba ny resaka rehetra ahitàna ireo minisitra tafiditra tamin'ilay raharaha manala baràka ny 26 Novambra teo ireo gazety an-tsoratra sy fahitalavitra, taorian'ny nanapahan'ny filohan'ny kaomisiôna parliemantera iray hevitra fa ireo minisitra dia “tsy manan-tsiny mandrapahitàna porofo manohitra izany”, ary tokony tsy ho tsongolohan'ny mpanao gazety noho izany.

Kanefa araka ny nanamarihan'ny mpibitsika iray azy, tsy nanena ny fitiavan'ny vahoaka te-hahafantatra ny momba ilay raharaha izany:

Lasa vao maika niverina tamin'ny ratsy kokoa ilay fandraràna tsy mahazo mitatitra… Amin'izao, resahan'ny olona aloha ny momba ny halatra nataon-dry zareo, avy eo miresaka momba ilay fandraràna indray ry zareo.. #17desambra

Ny kaomisiôna androany #17desambra, izay mikasika ny fakàna ambavany an'ireo minisitra, dia tsy naseho. Ho ela velona anie ny finiavana nasiônaly, ho ela velona ny kolikoly nasiônaly.

Ny 3 Desambra, nandritra ny famoriana ny mpanao gazety, nanamarika ny famoahana ilay tondro, natrehan'i Oya Ozarslan, mpanoratra ho an'ny Global Voices, nampitandrina ny filankevi-pitantanan'ny Transparency International ao Tiorkia, fa “olana ara-drafitra” ny kolikoly any Tiorkia, izay mitaky “vahaolana ara-drafitra”.

Nampiany hoe, tao anatin'ny taona iray, lasa nivadika ho olan'ny zo fototry ny olombelona sy ny soatovina demôkratika ilay trangan'ny 17 Desambra.

Na izany aza, lazain'ireo fanadihadiana hafa nataon'ny Transparency International fa miitatra be mihoatra ny filoham-pirenena sy ny manodidiana akaiky azy ny kolikoly. Araka ny Fandrefesana ny Kolikoly Maneran-tany ny taona 2013 nataon'ilay fikambanana, ny 21 isan-jaton'ny olom-pirenena Tiorka nanontaniana no mino fa nandoa vola ambany latabatra farafaharakeliny indray mandeha tamin'ny andrim-panjakàna, tamin'io taona io. Fanampin'izany, 61 isan-jaton'ny olom-pirenena dia mino fa ny fahafantarana olona ao aminà andrim-panjakàna iray dia tena zava-dehibe tokoa ahazoana mahazo fikarakaràna tsara amin'ny fanaovana raharaham-panjakàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.