Tetikady Hampahombiazana Ny Any An-tanàna Ny An'ireo Shinoa Avy Amin'ny Tanibe “Ratsy Fitondran-tena” Any Ivelany

A viral photo circulated on Chinese social media on  a brawl among four women on a flight from mainland China to Hong Kong. Photo from Weibo.

Sary iray niparitaka be tao amin'ny haino amanjery sosialy shinoa ahitàna vehivavy efatra misakoroka tao anaty sidina avy any amin'ny tanibe Shina ho any Hong Kong. Sary avy ao amin'ny Weibo.

Dia nahita ny anganony tokoa indray teny anaty gazety eran'izao tontolo izao ny sarin'ireo shinoa avy any amin'ny tanibe taorian'ny sakoroka iray teo amin'ireo vehivavy tao anaty sidina avy ao Shina ho any Hong Kong, noho ny zazakely iray nitomany tsy nifandrenesana ka nahatonga ny fiaramanidina tsy maintsy niverin-dàlana tamin'ny 17 Desambra, araka ny tatitra.

Tezitra noho ny tabataban'ny zazakely iray nipetraka tamin'ny seza taorian-dry zareo ny vehivavy roa ka dia namaly bontana tamin'ny fanatogilànana ny sezany. Vaky ny taim-bava ary dia nivadika ho fifampikasihan-tànana. Efa naharitra elaela ny fifanandrinana talohan'ny firotsahana an-tsehatr'ireo avy ao amin'ny fanamoriana, izay nampitandrina fa mety hiverin-dàlana ny fiaramanidina rehefa tsy hitsahatra ry zareo.

Niseho ity tantara ity, andro vitsy monja taorian'ilay tranga iray namelezan'ny Shinoa vavy iray ny mpiasan'ny sidina taminà kaopy nisy paty mahamay teo amin'ny lalantsara iray manelanelana ireo seza tao anaty sidina ho any Thailand, ary nandrahonan'ny sipany hanapoaka ny fiaramanidina.

Tanaty fanambaràna iray masiatsiaka, nilaza ny Fitantanana ny Fizahan-tany ao Shina fa nisy mpizahatany nanakorontana ny sidina, nidaroka mpandeha hafa ary “tena nanimba be mihitsy ny endrika fahitàn'ny olon-drehetra ny vahoaka Shinoa.”

Miseho ny tranga tahaka ireny amin'ny fotoana maha-betsaka ny fivezivezen'ireo Shinoa mandray sidina, nefa koa lasa malaza amin'ny fitondran-tena mitratrevatreva. Olona mihoatra ny 100 tapitrisa avy ao Shina no nivezivezy tany ivelany tamin'ity taona ity, betsaka lavitra noho ny any amin'ny firenena hafa.

Atosiky ny fiakaran'ny vola miditra aminy, marobe ireo Shinoa no sàmbany mandeha mitsangantsangana ivelan'ny firenena niaviany. Azon'ireo Shinoa mpizahatany ny laza amin'ny fandaniana volabe amin-javatra haitraitra rehefa any ivelany, nahatonga ireo mpaninjara sasany hanaràma olona mahay ny fiteny Mandarin mba hamaly azy ireny. Ao anatin'ny fanantenana mba hisarihana Shinoa mpizahatany misimisy kokoa dia nohamorain'ireo firenena sasany ho azo atao ety anaty sera koa ny fahazoan-dàlana ho any aminy.

Fa malaza amin'ny fanaovana fitondran-tena ratsy ihany koa ireo Shinoa mpizahatany any ivelany, miainga avy any amin'ny fanoratsoratàna rangodrangotra eny amin'ireo sarivongana tranainy any Ejipta ka hatramin'ny famelàna ny zanak'izy ireo hangery eny imasom-bahaka, hatramin'ny fananganana ady any anaty sidina.

Namoaka lahatsoratra iray ny zaobao.com, tranonkalam-baovao ao Singapore, taorian'ilay “raharahanà paty iray kaopy”, izay nilazàny fa tetikady ho fampahombiazana ny any an-tanàna izao fihetsika tsy mahalala fomba ataon'ny Shinoa mpizahatany izao: rehefa toy ny olon-dia ihany ianao vao afaka manao toy izany. “Toy ny miampita arabe àny ny miaina ao Shina, vitsy ny Shinoa manara-dalàna izany. Araka izany dia mila manao fomban'olon-dia ihany koa ianao indraindray mba hahavitàna zavatra,” hoy ilay lahatsoratra. “ Na ianao mahazo zavatra noho ny herin'ny vola na ny fahefàna, na ianao mila manao henjankenjana mba hahatanteraka izany. Mety tsy hahazo valiny ianao raha tsy mampakatra ho avoavo ny fifandirana.”

Notanisain'ny iray amin'ireo mpamoaka vaovao ao Shina – National Business News- ny famintinana azy, tao amin'ny Sina Weibo, sehatra fitorahana bolongana kiritika, niteraka fifanakalozan-dresaka mafana mikasika ny toetra sy fahaizan-miainan'ireo Shinoa avy ao amin'ny tanibe. Nahazo fanehoankevitra maherin'ny arivo sy famerenana mamoaka azy efa ho an'arivony izy io.

Ye Tan, mpikirakira fanta-daza ny resaka ara-bola, dia nino fa tarazon‘ny kolontsain'ireo Shinoa avy ao amin'ny tanibe ilay fitondrantena tsy tia manaraka fifehezana :

恐惧文化,越凶越有人害怕,一村人全怕升级为村级恶霸,一县人全怕就是县级恶霸,以此类推,可得出黑社会运作规律。

Tarazon'ny kolontsaina ao Shina mifototra amin'ny tahotra io, izay midika fa rehefa lasa olon-doza be ianao, maro ny olona hatahotra anao. Lasa deban'ny vohitra izay olona mahavita mamono lolo ny iray vohitra; Lasa deban'ny firenena izay olona mahavita mamono lolo ny iray firenena. Izany no fomba fanaon'ny “mafia”.

‘Mr_MAKE_THE_CHANGE’, izay niaina tany ivelany, no nampiako/nanely ilay fanehoankevitry ny gazety Singaporeana :

回国一段时间就深深体会到这一点、要么有权、要么有钱、没权没钱的就必须凶恶、不然客客气气谨守规则的基本办不了事,要么就会被人当SB耍!

Rehefa niverina fotoana elaela tany Shina aho dia nahatsapa tsara an'io. Rehefa tsy manana fahefana na vola ianao, dia mila miova ho mpitratrevatreva mba hahavita zavatra iray. Raha hendry sy manara-dalàna ianao, dia na ianao tsy mahavita na inona na inona, na ianao lazain'ny olona hafa ho mitapy sy adala!

‘I’m Miss Nan’, mpiandraikitra tsanganan-dahatsoratra ao amin'ny Marie Claire sy ELLE, nanoritsoritra lavidavitra kokoa ny tena zava-misy:

这个倒是有可能,好好说话没人理。以前我一个朋友从悉尼回来,在上海好几次吃饭遇到好好说话没人理,得粗声粗气才上菜的遭遇。后来回悉尼也这么说话,一下子自己被自己吓到了说:啊我现在在悉尼啊,我不用这么说话了。我可以友善了!

Rehefa mahalala fomba ianao, tsy afaka ny hahazo fikarakaràna tsara. Manana namana vavy niverina avy any Sydney aho taloha. Hitany fa fony izy nandeha tamin'ireny trano fisakafoanana ireny tao Shanghai ka miseho ho mahalala fomba, tsy nahazo valiny izy. Fa rehefa injay izy manao izany an-katezerana dia tonga eo an-databatra ny loviany. Rehefa niverina tany Sydney izy, natahotra satria mbola nitondra tena nitratrevatreva toy ny tany amin'ireo trano fisakafoana ihany. Avy eo izy niteny irery, efa aty Sydney aho izao, tsy mila manao toy izany intsony. Afaka ny haneho fahatsoram-po!

Ninoan'i ‘Hyper_Emotion’ fa avy amin'ny tantara ara-politikany io toe-tsaina mivilan'ny Shinoa avy ao amin'ny tanibe io :

中国就是这样 丛林法则社会 低级社会的特点 就是暴力最强者得逞 规则都是狗屁 遵守规则的 诚信的人就吃亏 野蛮的低素质垃圾就得势 中国这个社会就是劣币驱良币的典型 终究到底 是无产阶级革命的恶果 影响至少几百年

Izany no Shina, fiarahamonina iray anjakan'ny lalànan'ny atiala / olon-dia. Ireo toerana ambany indrindra misy ny fiarahamonina dia faritàn'ny lalànan'ny hoe izay manana tanjaka kokoa no mandresy. Resaka maloto izany lalàna izany. Tsy hankaiza ireo izay manaraka ny lalàna na miseho ho mendrika, raha toa kosa ka hahazo tombony ireo manao loham-boto. Toetra miavaky ny fiarahamonina ao Shina ny hoe ‘roahan'ny ratsy ny tsara’, izay miafara amin'ny revolisiônan'ny sarangan'ny mpitrongy vao homana ary hamela dindo mandritry ny fotoana maharitra ao amin'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.