Dr. Mukwege avy ao RDC : ‘Ahoana no Fangina’ Rehefa Miatrika Herisetra Ara-Nofo?

Dr Mukwege contre les violences envers les femmes - Domaine public

Afisin'ny Dr. Mukwege miresaka ny fiadiana amin'ny herisetra ara-nofo  ao amin'ny RDC

Resaka fahatongavan'ny fotoana hankatoavana ny Dr. Denis Mukwege noho ny asany. Vao haingana izao no nahazo loka maro ny hafanam-po naharitra 15 taona nataon'i Mukwenge ho fanasoavana ireo lasibatry ny herisetra ara-nofo ataon'ireo mpifanandrina mitam-piadiana ao amin'ny faritanin'i Kivo ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Congo.

Raha efa nahazo ny Loka 2013 an'ny Fondation Chirac noho ny fisorohana ny fifandirana, dia nahazo ny loka Sakharov 2014 ihany koa izy tamin'ny Andro Iraisampirenena Hamongorana ny Herisetra atao amin'ny Vehivavy. Indro ny lahatsarin'ny kabariny tamin'ny lanonana fanomezan-doka tao Strasbourg, Frantsa: 

 

Nandritra ny kabarim-panekena nataony, maro tamin'ireo mpikamban'ny parlemanta eoropeana no tsy nahatana fa nirotsa-dranomaso. Indro ny nisongadina avy amin'ny kabary araka ny namadihan'ny blaogy Kôngôley Kamoto centre azy:  

Comme tout être humain, je voudrais tant ne plus évoquer ces crimes odieux dont mes
semblables sont victimes. Mais comment me taire quand, depuis plus de quinze ans, nous voyons ce que même un œil de chirurgien ne peut pas s’habituer à voir ? Comment me taire quand nous savons que ces crimes contre l’humanité sont planifiés avec un mobile bassement économique ? Chaque femme violée, je l’identifie à ma femme ; chaque mère violée à ma mère et chaque enfant violé à mes enfants.Comment pouvons-nous nous taire ?
Quel est cet être humain doué de conscience qui se tairait quand on lui emmène un bébé de six mois dont le vagin a été détruit soit par la pénétration brutale ?

Tahaka ny olombelona rehetra, ny faniriana tiako indrindra dia ny tsy hiresaka intsony ireo heloka bevava mahatsiravina, izay maha-lasibatra ny oloko. Fa hatao ahoana no fangina rehefa, nandritra ny 15 taona, no nahita zavatra fa na dia ny mpandidy aza tsy zatra mijery izany? Ahoana no fangina, rehefa fantatsika fa ireo heloka bevava atao amin'ny olombelona dia tarihin'ny fandaharam-potoana ara-toekarena bontolo? Ny vehivavy tsirairay voaolana, dia fantariko amin'ny vadiko; ny reny tsirairay voaolana dia jereko ho toy ny reniko, ary ny ankizy tsirairay voaolana tahaka ny zanako naterako. Ahoana no ahafahantsika mbola mangina?
Ahoana no ahafahan'ny olombelona nomena feon'ny fieritreretana hangina, rehefa mahita fivavian'ny enimbolana potiky ny fanaovana an-keriny?

Doctor Mukwege at the Panzi hopsital in DR of Congo

Dokotera Mukwege ao amin'ny hopitaly Panzi ao RDC

Ny asa voalohany ataon'ny Dr. Mukwege amin'ireo lasibatry ny herisetra ara-nofo dia mifototra ao amin'ny Hopitalin'i Panzi ao Bukavu, tanàna lehibe indrindra ao amin'ny faritra Kivu. Atao salan'isa dia mampiditra marary 410 isam-bolana ny Hopitalin'i Panzi izay manana farafara 200 natokana hoan'ireo lasibatry ny herisetra ara-nofo.  Iray amin'ireo mpiasa ao Panzi, Prince Muhrula,  mamelabelatra fa ao amin'ny hopitalin'i Panzi, ny vehivavy dia afa-miaina indray sy mankafy ny fiainana tsotra rehefa miverina amin'ny laoniny ny fahamendrehan'izy ireo : 

Les survivantes des violences sexuelles prises en charge à Panzi se réjouissent de l’attention portée sur elles par le Parlement européen à travers le Dr Denis Mukwege. Après la remise du Prix Sakharov au médecin-directeur de Panzi, celles-ci ont jubilé dans la cour de l’hôpital pour exprimer leur soutien au médecin. Pour ces femmes, il s’agit d’un grand réconfort : “ça prouve qu’on est pas oubliées, que le reste du monde ne ferme pas les yeux sur notre sort” a déclaré une survivante en poussant des cris de joie. Au son des tamtams et de chants de joie improvisés, ces femmes ont loué l’œuvre du Dr Mukwege qui ne se limite pas à soigner les blessures mais s’emploie aussi à faire valoir la cause de la femme pour que celle-ci recouvre sa dignité.

Nentanin-kafaliana tamin'ny nandraisana an-tanana ny fikarakaran'ny Parlemanta Eoropeana tamin'ny alalan'ny dokotera Denis Mukwenge ao amin'ny hopitalin'i Panzi ireo nahazo takaitran'ny herisetra ara-nofo. Taorian'ny loka Sakharov nomena ny tale-mpitsabo ao Panzi, dia nihorakora-pifaliana teo an-tokotanin'ny hopitaly ireo vehivavy maro ireo ho fanohanana ilay mpitsabo. Hoan'ireo vehivavy ireo dia fampaherezana lehibe izany :
 “Manaporofo io fa tsy noadinoina izahay, fa tsy manakimpy maso manoloana ny mahazo anay ny ambin'izao tontolo izao,” hoy ny vehivavy iray nahazo takaitra tanaty fifaliana. Ao anatin'ny dobodoboka sy ny hiram-pifaliana ireo vehivavy ireo no nidera ny asa vitan'ny dokotera Mukwege izay tsy mihanona fotsiny amin'ny fitsavoana rattra fa mitady ihany koa ny hanome lanja ny vehivavy mba hiverina aminy ny fahamendrehany.

Indro ny sombin'ny [lahatsary] fanadihadiana momba ny asan'i Mukwenge ao amin'ny faritra Kivu:

Tsy ankatoavin'ny rehetra anefa na izany aza ny asany. Efa imbetsaka ireo vondrona mitam-piadiana no nandrahona azy. Tamin'ny 25 Oktobra 2012, izy no nisy nanafika tao an-tranony, ary maty nandritra izany fanafihana izany ny mpiasa an-tranony. Tamin'ny Jona 2013, nisy mpanampy mpitsabo avy ao amin'ny hopitaly niasany voatafika. Indro ny antsipirihany hita ao amin'ny pejy Facebook an'ny hopitalin'i Panzi :

Madame Furaha Lugumire, infirmière à l'Hôpital Général de Référence de Panzi à Bukavu a été retrouvée la nuit du 21 au 22 Juin 2013 à minuit 3 minutes, immobilisée sur un mur d'une maison à côté de la Cité de la joie (City of Joy), toujours à Panzi. Selon l'un des policiers chargés de l'enquête, la victime a été retrouvée mains menottées derrière, elle respirait mais ne parlait pas. Il affirme qu'à côté de la victime on a retrouvé un sachet contenant de l'alcool. Madame Furaha Lugumire est présentement admise à l'hôpital de Panzi, elle est en train d'être examinée par divers médecins spécialistes de cette institution hospitalière.

Hita tsy tafahetsika eo amin'ny rindrin-trano ampitan'ny Tanànan'ny hafaliana ao Panzi ihany Rtoa. Furaha Lugumire, mpanampy mpitsabo ao amin'ny Hopitalibe Panzi ao Bukavu, ny alin'ny 21 hifoha 22 jona 2013 tamin'ny sasakalina sy telo minitra. Araka ny nolazain'ny polisy iray anisan'ny niandraikitra ny fahadihadiana dia hita nifatotra gadra-vy tanana an-damosina ilay lasibatra, niaina izy fa tsy afa-niteny. NIlaza izy fa teo anilan'ny lasibatra dia nisy harona plastika misy alikaola. Nampidirina tao amin'ny hopitalin'i Panzi moa Rtoa. Furaha Lugumire amin'izao fotoana, ary mpitsabo manokana maro avy ao amin'io sampan-draharahan'ny fitsaboana io no mitsabo mamakafaka ny momba azy.

Ao amin'ny Cafe Babel, bilaogy iraisin'ireo mpiteny frantsay, Clara Fajardo Trigueros manazava ny antony mahatonga ny faritr'i Kivu hanana loharanon-karena goavana sy miteraka fifandirana politika tahaka izany

La colombite-tantalite ou coltan est une des clefs qui expliquent ce qu'est aujourd'hui l'enfer du Congo, car le pays compte 80% de la réserve mondiale de cette ressource minière. Mais cela pourrait aussi être son salut. Un minerai qui n'était en d'autres temps qu'une curiosité géologique est devenue une pièce fondamentale de nos dispositifs technologiques.

Coltan no iray amin'ny fanalahidy manazava ny antony mahatonga ny fiainana any Congo ho lasa afobe akehitriny. Mitahiry ny 80 isanjaton'ny tahirin'ity harena ankibon'ny tany ity izy. Fa mety azo atao ho fanavotana azy ihany koa io. Ilay vato izay natao ho karazam-pahalalàna tamin'ny fotoana hafa no lasa kitro ifaharan'ny fitaovana ara-teknolojia.

Maro amin'ny mpisera aterineto no te-hahita ny asan'i Mukwege hahazo ny loka Nobel. Efa misy ny pejy Facebook, “We want a Nobel Peace Prize for Dr Denis Mukwege“, [mitaky Loka Nobel hoan'ny dokotera Denisy Mukwege izahay] natsangana ho amin'izany faniriana izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.