#IAm26 : Taratasy Misokatra Manome Aingam-Panahy Ny Malayziana Hanohitra Ny Tsy Fahazakana Ara-Pivavahana

The Department Complex of Malaysia's Prime Minister. Flickr photo from pratanti (CC License)

Fanorenana goavan'ny departemantan'ny Praiminisitra ao Malayzia. Sary Flickr avy amin'i pratanti (CC License)

Mpiasam-panjakana ambony teo aloha dimy amby roapolo tao Malayzia no nanasonia taratasy misokatra iray mandrisika ny governemanta mba hitarika fifanakalozan-kevitra am-pilaminana momba ny fampiharana ny lalàna islamika ao amin'ny firenena. Nahazo fanohanana nieli-patrana ny taratasy, indrindra fa avy amin'ny an'ireo izay mahatsapa fa miha-miakatra ao Malayzia, firenena anjakazakan'ny Silamo ity, ny tsy fahazakàna ara-pivavahana.

Tao anatin'ny taona vitsivitsy, mpitarika matanjaka avy ao amin'ny fiaraha-mitantana mitondra ao Malayzia no nahomby tamin'ny fametrahana ny lalàna Islamika nahitatra sy hentitra ao amin'ny firenena. Nanetsika fitaovam-panjakana ihany koa izy ireo hanoherana ny raisina ho fandrahonana ny finoana silamo.

Nanangana olana maro ny miompana amin'ny zavatra eritreretiny fa tafahoatra sy ny tsy ara-drariny amin'ny fampiharana ny lalàna Shariah amin'ny endrika maro eo amin'ny fitantanam-pitondrana ny taratasy:

We refer specifically to the current situation where religious bodies seem to be asserting authority beyond their jurisdiction; where issuance of various fatwa violate the Federal Constitution and breach the democratic and consultative process of shura [decision-making]; where the rise of supremacist NGOs accusing dissenting voices of being anti-Islam, anti-monarchy and anti-Malay has made attempts at rational discussion and conflict resolution difficult; and more importantly, where the use of the Sedition Act hangs as a constant threat to silence anyone with a contrary opinion.

Manondro manokana ny toe-draharaha ankehitriny izay ahitana rafitra ara-pivavahana hita ho mampihatra fahefana mihoatra noho ny andraikitra tantaniny izahay ; izay ahitana famoahana fatwa samihafa mandika ny Lalàmpanorenana Federaly sy manimba ny fomba demaokratika sy fakan-kevitra ny shura [fandraisana fanapahan-kevitra]; izay ahitana ny fiakaran-danjan'ny fikambanana tsy miankina mpihevitra ho faratampony  miampanga ny feo manivaka ho manohitra ny Islam, manohitra ny fitondram-panjaka ary manohitra Malay ka nanao ezaka maro hanasarotra ny fifanakalozan-kevitra sy ny famahana ny fifandirana; ary ny tena zava-dehibe, izay ahitana ny fampiasana ny lalànan'ny fikomiana mihantona ho toy ny loza mitatao lalandava hampanginana na iza na iza manana hevitra mifanohitra.

Niangavy ny Praiminisitra Najib Razak ry zareo “hijoro amin'ny fomba fitarihany manokana” ka “hampajaka ny adihevitra misokatra sy kabary mirindra momba ny fitantanana ny lalàna Islamika ao amin'ity firenena ity.” Nampian'izy ireo:

As Muslims, we want Islamic law, even more than civil law, to meet the highest standards of justice precisely because it claims to reflect divine justice. Therefore, those who act in the name of Islam through the administration of Islamic law must bear the responsibility of demonstrating that justice is done, and is seen to be done.

Amin'ny maha-miozolomana anay dia tianay kokoa ny lalàna islamika noho ny lalàna sivily, mba hahazoana ny fenitra ambony indrindra amin'ny rariny satria io no lazaina fa taratry ny rariny araka an'Andriamanitra. Noho izany, hoan'ireo izay miasa amin'ny anaran'ny Islamo amin'ny alalan ‘ny fitantanana ny lalàna Islamika dia tsy maintsy hitondra ny andraikitra mampiseho fa tontosa ny rariny, ary hita fa vita.

 Nalaza vetivety ilay taratasy ary nanome aingam-panahy ireo feon'ny “tony fihetsika” hafa sahy nitabataba nanameloka ny fanavakavahana ara-pivavahana sy ara-poko. Miisa 93 ny fikambanana tsy miankina nanambara fanohanana ny mpiasam-panjakana ambony 25 efa misotro ronono. Nanatevin-daharana azy ireo ihany koa ny Filankevitra Bodisma, Kristiana,  Hindoisma, Sikhisma ary Taoisma Malayziana, izay nidera ny vondrona tamin'ny fandrafetana ny taratasy.

Nampiasain'ny Malayziana maro ho fanehoana firaisankina amin'ny “25 miavaka” ny diezy Twitter #KamiJuga25 (izahay koa 25) . Nisy fanangonan-tsonia # KamiJuga25 ihany koa mivezivezy ao amin'ny Change.org:

We cannot and must not stand silently by and allow faith to be misused as a weapon to suppress peaceful dissent, intellectual discourse and opinions and to oppress those who would challenge and support contrarian positions. It is unjust and we should never tolerate the use of faith to divide us.

Tsy afaka ary tsy mahazo mijoro amim-pahanginana izahay ka hamela ny fampiasana diso ny finoana ho fitaovam-piadiana mba hanafoanana ny tsy mitovy hevitra milamina, lahateny sy hevitra ara-tsaina ka hampahory ireo izay mihaika sy manohana fijoroan-kevitra mifanohitra. Tena tsy ara-drariny ary tsy tokony andeferana na oviana na oviana handefitra ny fampiasana ny finoana hampisarahana antsika.

Misy fanangona-tsonia iray an-tserasera malaza kokoa nampiasa ny diezy “I am #26” [izaho no faha-26] ho fanohanana ny fijoroana noraisin'ny vondron'ny 25 “amin'ny fijoroana miaraka ho firaisankina ho toy ny #26 [faha-26].”

Avy ao amin'ny ‘izaho no faha-26′ mankany amin'ny ‘#KamiJuga25′,  Mierona mafy kokoa ny Feon'ny Fampitoniana

Justin Ong avy ao amin'ny gazety an-tserasera Malay Mail Online namahavaha ny nataon'ny vondrona ho be herim-po sy mety indrindra:

Brave because it comes at a time when anything and everything is considered seditious or insensitive, when people go out of their way to see offence where none is intended or, worse, exists.

Appropriate because there are sections of the country that appear intent on embracing ever more strict rules on religion for hardly pious reasons and without regard for the possible consequences.

Be herimpo satria tonga amin'ny fotoana iheverana ny fotoana sy ny zavatra rehetra ho mandrisika hampikomy, na tsy miraharaha, rehefa miala amin'ny lalany ny olona ka mahita fanafintohinana amin'izay tsy niniana, na ny ratsy kokoa, tsy misy akory.

Mety satria misy ampahany ao amin'ny firenena izay hita mikasa na manaiky fitsipika hentitra kokoa momba ny fivavahana noho ny antony zara raha mifandraika amin'ny fitiavana fivavahana ka tsy miraharaha izay mety ho vokany hafa.

Zurairi AR, avy ao amin'ny Malay Mail Online ihany koa, nanome ako ny fanontaniana natsangan'ny Malayziana sasantsasany tamin'ny vondron'ny 25:

Why now? Why not before Malaysia went down this route?

How much did they do when they were in the system? Were they speaking from a position of regret?

Nahoana no ankehitriny? Nahoana no tsy talohan'ny nivoahan'i Malayzia tamin'io lalana io?

Saingy mankatoa ihany koa izy amin'ny maha-zavadehibe sy ny fiantraikan'ny taratasy nalefa tany amin'ny governemanta :

Not only are they contributing by providing alternative views against the conservatives, but they are also making their views prominent by virtue of their standing.

When someone like the prominent 25 speak up, they send a message that not only are those views acceptable, but there are decent people backing them.

Tsy vitan'ny hoe mandray anjara amin'ny fanomezana ireo fomba fijery hafa manohitra ny mpandala ny mahazatra ry zareo, fa manao ny heviny ihany koa hampisongadina ny fijeriny noho ny sata ijoroan'izy ireo.

Rehefa misy olona toy ny olona ambony 25 sahy miteny, dia mandefa hafatra izay tsy vitan'ny hoe azo ekena ny fomba fijery, fa misy ihany koa ireo olona mihaja ao ambadik'izy ireo.

Niteraka adihevitra momba ny anjara toeran'ny fivavahana sy ny fitantanam-pitondrana ao amin'ny fiaraha-monina ilay taratasy misokatra. Antenaina fa handrisika ny fandaniana ny fanavaozana amin'ny fampiharana ny lalàna Islamika ao Malayzia izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.