Tsy Mbola Mahafantatra Kiobà Tsy Natao Fahirano Aho

 

Two perspectives on the Cuban Embargo. An Otherwords cartoon by Khalil Bendib (CC BY-NC-ND 2.5).

Fijery roa momba ny ankivy kiobàna. sariitatra teny hafa nataon'i Khalil Bendib (CC BY-NC-ND 2.5).

Amin'ny dingana rehetra nataon'i Barack Obama, ho ahy tsy misy zavatra manandanaja kokoa noho ny fahirano / ankivy ataon'i Etazonia amin'i Kiobà sy ny fampidirana indray ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin'ny firenena Amerikana roa.

Teraka sy nipetraka tany Kiobà nandritra ny 39 taona voalohany teo amin'ny fiainako aho, talohan'ny nifindrako tany Eoropa tamin'ny 2013. Tsy mahafantatra Kiobà ankoatra azy fefena [blockaded] aho (na dia diso aza ny voambolana dia izany no nampianarina ahy), dia ilay iray naorina hanoherana ireo ” lehilahy tavaratra enin-kaja imperialista”

 Nandritra ny fitomboako ny nandrenesako fa ny olana rehetra amin'ny fiaraha-monina Kiobàna, azo tsapain-tanana sy saro-takarina, dia azo alan-tsiny noho ny lisitry ny fepetra maro maneritery napetraky ny Etazonia tamin'ny 1961, izay nahatonga ny fiainanay ao amin'ny nosy ho fadiranovana.

Nanjary nazava tamiko tsara roa taona lasa izay nandritra ny fitsidihana tany London tany London, rehefa tsy navela haka vola tao amin'ny biraon'ny Western Union aho, satria “tsy hita amin'ny lisitra ny firenena iavianao (voamarina tamin'ny fampisehoana ny pasipaoro). “Toy izany koa no nitranga tamin'ny tany San zavatra José, Costa Rica.

Ka, tamin'ny 17 Desambra lasa teo, tsapako fa tsy niresaka momba ny fifanakalozana gadra ihany i Obama, fa momba ny fampiharana raisina amin'ny hoavy amin'ireo fepetra manan-danja maro ihany koa, ny sasany izay miresaka ny fahirano (na ankivy) sy ny fandravonana ny fifandraisana eo amin'ny firenena roa tonta. Niteny tamiko aho hoe: tsongoy aho, manonofy aho. Toa tsy mampino, tsy mampino tahaka ny mandeha any Kiobà amin'ny 30 Desambra. Lefy any ambadika vetivety ny tantaran ‘ny Kiobana mpitsikilo roa sy ilay AAmerikana mpiasa mpiantoka .

Mendrika homarihana fa daty manan-tantara ao Kiobà ny 17 Desambra izay hahatsiarovana ilay tafavoaka avy ao amin'ny fahagagàna San Lazaro, izay, araka ny fomba nentim-paharazana Santería kiobàna, dia i Babalú Ayé, fanahy mampifangaro zavatra sy masina izay mijery ireo ampijalian'ny aretina sy ny tsy-fisiana—fomba iray ilazana ny fifandraisana nisy hatramin'izao teo amin'i Kiobà sy i Etazonia.

Tamin'io andro io aho, raha mbola niraikitra teo anoloan'ny fahitalavitra, dia nanomboka nandefa torohay tany Kiobà, satria noho ny fahanteran'ny fotodrafitrasam-pifandraisana ao amin'ny nosy, dia tiako ny hahazo antoka fa azon'ny rehetra, tahaka ny hahazoako azy, ny tontolo ankapoben'ny toe-java-mitranga.

Natao hanamafisana ny famotsorana sy fifanakalozana gadra fotsiny ihany ny fivoahan'i Raúl Castro ho hitam-bahoaka, zavamisy izay efa fantatro mialoha. Saingy rehefa naheno an'i Obama nandraraka ny “TODOS SOMOS AMERICANOS” aho dia nitsangana ny voloko tao amin'ny hatoko. Tsy naminavina io lehilahy io hiditra ao amin'ny fanovana lalina sy manan-tantara tahaka izany aho.

Aty aminay aty Hanover, Alemaina, niaina ny karazam-pihetseham-po maro izaho sy ny sakaizako Esmeralda: faminavinana ny hoavy, fanantenana, fifaliana, fisalasalana, ranomaso, horakora-pifaliana. Tsy maintsy niaritra ny tehatehaka, ny tabataba ary ny horakora-pifaliana ireo mpifanolo-bodirindrina aminay mampalahelo. Ho an'i Esmeralda, izay, raha teraka Kiobàna, dia nihalehibe tany Alemaina Andrefana nandritra ny vanim-potoanan'ny Ady Mangatsiaka, izao toe-javatra vaovao izao dia midika ho, araka ny eritreritro, fanomezana azy ara-drariny ny fanondroana maha-Kiobàna an-tsesintany azy—zavatra izay noesorina taminy fahazaza ary nametraka azy ho “Komonista,” na dia efa nandao an'i Kiobà talohan'ny 1959 aza izy.

Raha nihaino ny filoha roa tonta aho (Raúl voalohany ary Obama avy eo), dia taitra tamin'ny fifandakan'ny hevitra sy ny takiana aho: fahazoana miditra amin'ny aterineto manerantany ao Kiobà, fanamoràna ny fahazoana pasipaoro sy fangatahana handeha lavitra, tsy heverin'ny kaonsilà Amerikana ho “mety ho mpifindra monina” intsony (voambolan'ny hazalambo ao amin'ny nosy), fifanajan-dresaka eo amin'ny mpisintaka sy ny revolisionera, ary ny zavatra maro hafa.

Fantatro fa misy ny endriky ny ankivy mbola tsy voaovan'ny Filohan'i Etazonia. Fantatro fa mbola miankina amin'ny fanapahan-kevitry ny Kongresy ny zavatra rehetra. Saingy noesorin'ilay lehilahy ny fonon-tanana, amin'izay zavatra maharesy lahatra ahy indrindra.

Ankehitriny, andro vitsivitsy taorian'ny fanambarana, mbola mitolona amin'ny fihetseham-po sy amin'ny fisainana izay alaiko sary an-tsaina mbola ho entiko ao anatin'ny fotoana lavalava aho. Ary hanaraka ny ahiahy hafa, tahaka ireo noezahiko horesena, tahaka ireo zavatra mifandraika amin'ny sisan'ny fanjanahantany mbola hita ao amin'ny kabarin'Atoa Obama :

Today, we are renewing our leadership in the Americas.  We are choosing to cut loose the anchor of the past, because it is entirely necessary to reach a better future—for our national interests, for the American people, and for the Cuban people.

Charting a New Course on Cuba

Androany isika manavao ny fitarihantsika eto [amin'ny kaontinantan'i] Amerika. Nosafidiantsika ny hanary ny vatofantsiky ny lasa, satria ilaina tanteraka ny manatratra hoavy tsara kokoa – ho amin'ny tombontsoam-pirenena, ho an'ny vahoaka Amerikana, ary ho an'ny vahoaka Kiobàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.