Mampahafantatra Ireo Zava-Mahagaga Momba An'i Afrika, Tetikasa ‘Africa Facts Zone’

Professional wresting known as Laamb in Senegal is more popular than football. Photo released under Creative Commons by Wikipedia user Pierre-Yves Beaudouin.

Malaza kokoa noho ny lalao baolina kitra ny ady tolona matihanina fantatra amin'ny anarana Laamb ao Senegaly. Sary navoakan'ilay mpisera Wikipedia Pierre-Yves Beaudouin tamin'ny alalan'ny Creative Commons.

Fantatrao ve fa i Rwanda no manana taha ambony indrindra amin'ny isan'ny vehivavy ao amin'ny antenimieram-pirenena? Ary ny tononkiram-pirenen'i Nizeria  “Arise, O Compatriots (Mitsangana, Ry Mpiray Tanindrazana)”, dia fangaron'ireo voambolana nalaina tamin'ireo dimy tsara indrindra tamin'ny fifaninanam-pirenena? Manana ny maha-izy azy ireo firenena mandrafitra ny kaontinanta Afrikana fa tsy zavatra ratsy arantirantin'ny fampahalalam-baovao tandrefana foana, saingy maro amin'ireo zava-misy ireo no tsy mba voatantara amin'ny fampahalalam-baovao.

Mpianatra Nizeriana 17 taona, Isima Odeh (@IsimaOdeh) iray mikasa hanova izany amin'ny alalan'ny Africa Facts Zone (Faritry ny Zava-misy ao Afrika) , zavamisy marina hanomezana olona vatomamy manala hetaheta momba an'i Afrika sy ny Afrikanina. Nanangana ny Africa Facts Zone izy tamin'ny taona 2013, ary manana mpanjohy maherin'ny 55 000 ao amin'ny Twitter sy “tiako” maherin'ny 124 ao amin'ny pejy Facebook.

Nandritra ny resadresaka fohy tamin'ny mailaka, nilaza tamin'ny Global Voices i Odeh fa nitsiry tao aminy ny hevitra tamin'ny taona 2013 raha nanapa-kevitra handany ny sasany amin'ny fotoanany amin'ny Aterineto izy mba hilaza amin'ny olona mikasika ny kaontinantany mahafinaritra. Naharay ireo zavamisy tamin'ny alalan'ny gazety, boky tantara sy vaovao avy amin'ny habaka azo antoka sy fijerena vaovao izy. Nolazainy fa ny zavatra tsy fantany talohan'ny nanombohany ny tetikasa dia: i Afrika no manana taha ambany indrindra amin'ny fisaraham-panambadiana manerana izao tontolo izao.

The founder of Africa Fact Zone

Isima Odeh, mpanorina ny Africa Fact Zone. Nahazoan-dalana avy aminy ny sary.

Ireto ambany ireto hatramin'izao ny vaovao sasany izay efa nozarain'ny Afrika Facts Zone tamin'ireo mpanjohy azy:

Mpanjaka mpila ravinahitra any Ghana

Mpanjaka Togbe Ngoryifia Céphas Kosi Bansah ao Hohoe, Ghana mitantana ny fanjakany amin'ny alalan'ny antso Skype & finday avy ao Alemaina.

Nanapa-kevitra hipetraka ao Alemaina ny mpanjaka Bansah taorian'ny fahatongavany tao nandritra ny fifanakalozana mpianatra tamin'ny taona 1970.

Mpitsabo nify Ejypsiana teo aloha

Avy ao Ejypta teo aloha ny Mpitsabo nify voalohany fantatra manerantany, Hesi-Re no anarany. 

Hesy-Ra no mpivaro-panafody ofisialy sy mpandika soratra (scribe) niaina nandritra ny tarana-panjaka Fahatelo tao Ejypta. Nitondra ny anarana ho “Lehiben'ny Mpitsabo nify sy Mpivaro-Panafody”.

CV (mombamomba) isan-karazany an'ny filoha teo aloha ao Madagasikara

 DJ (mpampandihy) ny filohan'i Madagasikara teo aloha, Andry Rajoelina.

Mpampandihy no asan'i Andry Rajoelina tany amboalohany mba ahazoany vola tamin'izy mbola mpianatra teny amin'ny lisea.

Fandehanana an-tsambo tsy nahomby an'i Marco Polo

Nahazo ny anarany ny firenena Madagasikara raha nihevitra am-pahadisoana i Marco Polo fa tonga tao Mogadishu, Somalia.

Noraketina voalohany ny anaran'i Madagasikara , fandisoam-pandikana ny anarana Mogadishu, seranana Somali, nafangarony tamin'ny nosy (Madagasikara), ho fahatsiarovana ilay mpizaha tany Venetiana (Venise) tamin'ny taonjato faha-13, Marco Polo.

Fahafatesana am-perinasa

Afrika no manana Filoham-pirenena betsaka indrindra namoy ny ainy am-perinasa tao anatin'ny taonjato faha-21

Filoham-pirenena Afrikanina 10 no namoy ny ainy am-perinasa teo anelanelan'ny taona 2008 sy 2012 raha telo monja izany any amin'ny faritra hafa ankoatra azy.

Fanomezana goavana hoan'i Ogandà

Tamin'ny taona 2014, nitaraina ireo solombavambahoaka tao Oganda fa kely loatra ny fimailo mahazatra hoan'ny lehilahy Ogandey

Nanambara ny solombavambahoaka Ogandey, Tom Aza tamin'ity taona ity fa ny fitsidihan'ny Komitin'ny Solombavambahoakan'i Oganda an'ireo faritra voakasiky ny aretina VIH/SIDA indrindra dia ahitana ireo lehilahy manana filahiana ngeza kokoa ka tokony hosoloina lehibe kokoa ireo kapaoty.

Zanabolana voalohany an'i Afrika

Tamin'ny taona 2011, nandefa ny NigeriaSat-X i Nizeria, zanabolana voalohany natokana sy namboarin'ny Afrikanina, hiditra amin'ny orbita.

Nametraka tamin'ny orbita ny zanabolana voalohany izay novolavolaina sy narafitry ny Afrikanina, NigeriaSat-X, tamin'ny Aogositra 2011, i Nizeria.

Hazon-tavoahangy goavana ao Nizeria

Ao amin'ny Fitantanan'i Lagos, Nizeria no misy ny hazon-tavoahangy goavana indrindra manerantany. Namboarina tamin'ny tavoahangy miisa 8000 izany

Hazo tavoahangy lava indrindra manerantany, namboarin'ilay labiera indizeny ao Nizeria Star Larger, manamarika ny halebiazana sy ny fandraisana an-tanana Nizeriana tia manangana orinasa. Natao handresy ilay zavabita tsara indrindra manerantany tamin'ny tavoahangy labiera 1000 hita ao an-tanànan'i Shangai ao Shina izany.

Ireo lehilahy sy vehivavy mahery fo miady amin'ny Ebola

Mpiasan'ny fahasalamana misahana ny Ebola  (Sierra Leoneana, Nizeriana, Gineana, Liberiana, Kiobàna, mpiasan'ny fahasalamana avy ao amin'ny OMS (sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Fahasalamana), sns. no nosafidian'ny (gazetiboky) TIME ho Olon'ny taona 2014.

Tonian-dahatsoratry ny gazetiboky Time Nancy Gibbs  nanazava ny antony mahatonga ireo Mpiady ny aretina Ebola ho safidin'ny gazetiboky TIME ho Olon'ny Taona 2014.

Fitehirizan-drano Egg-cellent

Mampiasa atodina Aotrisy alevina amin'ny tany ireo Khoisan mpihaza mba hitehirizana rano eny amin'ny lalam-pihazana.

 

Ny Khoisan na Vahoaka San dia fantatra amin'ny fandevenana atodina Aotrisy mihidy mafy feno rano mandritra ny vanim-potoanan'ny orana ary maka izany mandritra ny vanim-potoana maina.

Ny fodian'i Miriam Makeba

Niverina tao Afrika Atsimo i Miriam Makeba tamin'ny10 Jiona 1990 taorian'ny fotoana nandràran'ny governemanta mpanavakavam-bolokoditra tsy hahazo miditra ao aminy ny fampiasainy ny pasipaoriny Frantsay tamin'ny taona 1963

Mpihira Afrikanina Tatsimo nahazo ny loka Grammy sy mpikatroka ny zon'olombelona i Miriam Makeba. Noho ny asany manohitra ny fanavakavaham-bolokoditra, nolavin'ny governemantan'ny mpanavakavam-bolokoditra ao Afrika Atsimo ny pasipaoriny tamin'ny 1960 sy ny maha-olom-pirenena sy ny zony hody an-tanindrana tamin'ny 1963. Nahazo pasipaoro sivy sy fanondroana am-boninahitra mahaolompirenena tamin'ny firenena 10 izy.

Tia (taranja) tolona i Senegaly

Malaza kokoa noho ny baolina kitra ny (taranja) tolona matihanina ao Senegaly.

Nanjary fanatanjahantenam-pirenena ny tolona matihanina Senegaley fantatra amin'ny anarana hoe Laamb.

Fifanandrinana baolina kitra Ejypsiana

Ny klioba mpifanandrina goavana indrindra amin'ny baolina kitra ao Afrika dia ireo klioba roa samy Ejypsiana (Al-Ahly sy Zamalek).

Ny Cairo Derby misy ny Al Ahly sy ny Zamalek no mpifanandrina maherisetra sy tsy mifampitsitsy indrindra ao Afrika.

Vola haingana ao Somalia

On October 7, 2014, Somalia got its first ATM.

Tamin'ny 7 Oktobra 2014, nahazo ny ATM (milina fangalana vola voalohany i Somalia 

Nametraka ny milina fakana vola voalohany tao Mogadishu, Somalia ny banky Salaam Somali tamin'ity taona ity., 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.