Tsy Maimaimpoana Ny Aterineto Rosiana. Mety Vao Mainka Hanaratsy Zavatra Ilay Hetra Vaovao.

Russians could soon find themselves paying a tax to access their favorite online content streams. Images mixed by Tetyana Lokot.

Ato ho ato dia ho hitan'ny Rosiana fa handoa hetra ry zareo vao afaka hiditra amin'ireo votoaty ankafiziny ety anaty aterineto. Sary nafangaron'i Tetyana Lokot.

Ny tantara no miteny amintsika fa tsy dia tsara loatra ny fandraisan'ny olompirenena ny hetra vaovao apetraka aminy ka mifanohitra amin'ny faniriany (tsaroanareo ny Boston Tea Party?). Raha tsy ela akory izay ny governemanta Hongroà no nanandrana nametraka hetra amin'ny aterineto tamin'ny vahoakany, an'arivony ireo Hongroà nitsangana ary nidina an-dalambe, nandrakotra ny foiben-toeran'ny antoko eo amin'ny fitondràna taminà kojakoja efa tsy miasa avy aminà solosaina.

Mety hieritreritra ianao hoe haka ohatra amin'ny nataon'i Hongria ny firenena hafa. Saingy ankehitriny dia misaina ny hetra azy manokana ny governemanta Rosiana, ary tiany hampandoavina hetran'ny aterineto daholo ny Rosiana rehetra rehefa manjifa votoaty misy zon'ny mpamorona ety anaty aterineto.

Na dia eo aza ny hoe te-hametraka hetra isaky ny gigabyte mifamezivezy ireo manampahefana Hongroà, ny hevitry ny Rosiana, navoitran'ny Fikambanana Rosiana Ho Fiarovana Ny Zon'ny Mpamorona (RUC), dia vahaolana vonjimaika hiantohana fa hoe tonga dia hiharany tsotra izao ny rehetra mpampiasa aterineto rehefa miditra aminà votoaty misy zon'ny mpamorona ety anaty tranonkala, tsy ijerena ny hoe nanjifa azy io sa tsia izy ireo.

Ny mety ho fiàsany
Ny fomba fihevitra iray vaovao fantatra amin'ny hoe “fanomezan-dàlana faobe,” natolotry ny RUC tamin'ny Oktobra, dia ahitàna karazana votoatinà rakipeo, lahatsary sy literatiora anaty aterineto ho toy ny fananana iombonana nopetahana zon'ny mpamorona, ary manolo-kevitra ny hampidiran'ireo mpanome tolotra aterineto ilay hetra ho ao anatin'ny lazam-bidin-dry zareo. Na dia mbola tsy navadika ho tolo-dalàna aza ilay fomba fihevitra, dia efa manana tranonkala milailay miezaka mandresy lahatra amin'io sahady ilay hevitra.

Amin'ny ankapobeny dia ankasitrahan'ny governemanta Rosiana ilay tolo-kevitra hanasiana hetra ny aterineto ary dia nanendry minisitra maro mba hira-miasa amin'ny fampiharana azy, saingy Leonid Levin, lehiben'ny kaomisiôna parlemantera momba ny politikan'ny fampahalalam-baovao dia niteny nanohitra an'ilay hetsika.

Sergey Fedotov, lehiben'ny RUC, nilaza tamin'ny Izvestia fa tokony ho 25 robla isam-bolana ($0.35) ilay hetra ho an'ny fitaovana tsirairay miditra amin'ny aterineto.

Стоимость лицензии для одного подключения к интернету, будь то мобильный телефон или проводной интернет, составит 25 рублей в месяц, то есть 300 рублей в год. По имеющимся статистическим данным, это около пяти процентов от средних расходов каждого абонента на интернет.

Ny vidin'ny fahazoan-dàlana iray isaky ny fidirana aterineto, na io telefôna finday na io aterineto haingam-pandeha, dia mety ho 25 robla isam-bolana, na 300 robla isan-taona. Araka ny antontanisantsika, dia manodidina ny 5% amin'izay vola efa fandoan'ny Rosiana salantsalany mpampiasa aterineto io.

Toy ny hoe tsy dia misy dikany ny robla dimiambiroapolo  (manodidina ny USD $.40), fa ho anà Rosiana miisa 130 tapitrisa mampiasa ny aterineto dia hifanampinampy ho tafakatra hanome vola be izany — ary ho vesatra ho an'ireo mpamatsy aterineto no hiafaràny. Tsy handoa mivantana ilay hetra ireo mpampiasa aterineto, fa kosa hizaka ny sarany amin'ny fanekena “ho azy amin'izao” ny fifanarahana fanomezan-dàlana sy ny sanda lafon'ny fifandraisana apetraky ny mpanome tolotra nofinidin'izy ireo.

Ny Ho Tratry Ny Hetra
Araka ny lazain'ny Ministera Rosiana misahana ny Kolontsaina, ilay “fanomezàn-dàlana faobe” dia fanomezana lisansa tokana hahabango ireo “mozika sy fandraisampeo, votoaty natao hohenoina sy hojerena ary ireo asa soratra”. Tsy ao anatin'ny resaka eto ny votoaty novokarin'ireo media sy orinasa mpanao dokambarotra, izay azo jerena maimaimpoana ety anaty aterineto na ireo vatsian'ny mpanao dokambarotra: fa kosa, ilay hetra dia ho an'ireo karazana media izay mety ho eritreretina ny handoavan'ny mpampiasa hetra mba hahazoana azy ireny, toy ny lahatsary na rakikira. Fa votoaty tsy dia mahazatra no aroson'ny RUC, toy ireo lahatsary voatapatapaka zaraina ety anaty aterineto, mety azo asiana hetra ihany koa. Amin'io lafiny io, toa tahaka ny hiadiana amin'ny fanaovana hosoka ety anaty aterineto no tanjona kendrena amin'ilay hetra vaovao, sy ho fampidiram-bola ho an'ireo tompon'ny zo, ho fanampin'ny lalàna miady amin'ny hosoka efa misy ao Rosia.

Taty aoriana ny Ministeran'ny Kolontsaina dia nandrafitra ny hevitra hanasiana hetra ho an'ny aterineto, nanolo-kevitra ny hananganana rejisitra hisy ireo votoatin'asa famoronana nametrahana zon'ny mpamorona ety anaty aterineto, hahatonga ny fanarahamaso ny fanjifàna ho mora kokoa. Nanoso-kevitra ihany koa ny ministera ny amin'ny tsy mantsy ametrahan'ireo mpanome tolotra aterineto ny  deep packet inspection (DPI), fitaovana ahafahana mamantatra hoe votoaty toy inona no jifain'ny mpampiasa ny RuNet. Ny teknolojia DPI, hoy ny manampahefana ao amin'ny ministera, dia hiantoka fitsinjarana ara-drariny ny vola azo tamin'ilay hetra amin'ireo tompon'ny zon'ny mpamorona izay manana ny zo amin'ireo asa miavaka (hetra vinavinain-dry zareo hahatratra $860 tapitrisa isan-taona).

Hoy ny tatitry ny masoivohom-baovao RBK hoe efa novelabelarin'ny orinasa iray ao an-toerana momba ny teknolojia, antsoina hoe Systematic, ho an'ny Ministeran'ny Kolontsaina sahady ny mombamomba ny teknolojia DPI. Manamafy ny Systematic fa afaka mamaky ny 90% amin'ireo angon-drakitra mifamoivoy nefa tsy misy fiarovana ny teknolojian-dry zareo, fa tsy afaka ny handalina ireo fifaneraseràna voaaro (toy ny https) na ireo angon-drakitra ampitain'ny “torrent”.

Fantatra rahateo fa ny ankamaroan'ireo mpampiasa mitroka votoaty voajirika ety anaty aterneto dia manao izany amin'ny alàlan'ireo tranonkala “torrent”, mampiasa htps, fepetran'ny VPN , na TOR mba hanafenana ny fifandraisan-dry zareo, somary kely finoana ihany ireo Rosiana manampahaizana ny amin'ny hampahomby ity teknolojia lafo vidy ity, izay soso-kevitr'ireo mpandàla ny fanomezan-dàlana faobe.

Fihetsiky ny RuNet
Notsenain'ny kiana mivaivay avy aminireo solontenan'ny indostrian'ny aterineto, ny mpanome tolotra fifandraisan-davitra, ny mpampiasa ny RuNet, ary hatramin'ny manampahefana sasany ao amin'ny governemanta ilay hevitra hametraka hetra amin'ny aterineto. Niteny nanohitra ilay “fanomezan-dàlana faobe” ny MTS, ilay mpanome tolotra antso amin'ny finday, ny Megafon sy ny Vimpelcom, ary dia narahan'ireo feo nanakiana avy ao anatin'ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny Toekarena sy ny Ministeran'ny Fifandraisana.

Marobe ireo solontenan'ny orinasa misahana teknolojiam-pifandraisana, nahitàna ny  Mail.Ru Group, Yandex sy VKontakte, namoaka taratasy misokatra navantana tamin'ny Filoha Putin, ny 1 Desambra, tamin'ny filazàna fa mety “hanohintohina be an'ireo mpanoratra, tompon'ny zon'ny mpamorona mpampiasa, ny indostrian'ny aterineto Rosiana ary ny fandraharahàna amin'ny fifandraisan-davitra” ilay rafitra vaovao. Naneho ny ahiahiny momba ny fampiasàna ny teknolojia DPI mba hanaraha-maso ireo mpampiasa ety anaty aterineto ihany koa ireo solotenan'ny orinasa, teknolojia DPI izay heverin-dry zareo ho toy ny “endrika iray amin'ny fanarahamaso manitsakitsaka ny fenitra iraisampirenena”. Vao mainka hanaratsy ny fanarahamaso efa misy sy ny fomba fanaovana sivana ao Rosia, toy ny SORM , fipaingorana fifandraisana sy ny fanatatavànana IP nampiasaina hanakànana ireo tranonkala ao anatin'ny lisitra maintin'ny RuNet amin'izao fotoana izao, ny fanerana ireo mpanome tolotra aterineto hametraka fitaovana fanarahamaso miditra lalina loatra.

Tao amin'ny tranonkala “Fandraisan Andraikitry ny Olompirenena Rosiana”, nasehon'ireo mpampiasa ny RuNet ny hadisoam-panantenany manoloana ilay hetra amin'ny aterineto, tamin'ny alàlan'ny fanangonan-tsonia ety anaty aterineto mba hanoherana ny antsoin-dry zareo hoe “saram-panoherana ny hosoka mandeha ho azy” ho an'ny rehetra mampiasa aterineto. Ilay fanangonan-tsonia natomboka tamin'ny 6 Desambra dia mitaky ireo manampahefana hanaisotra ilay hevitra hanasiana hetra ny aterineto hatao fitaovana fanolo mba hiarovana ny fanànana ara-tsaina, ary ho solony dia hijery vahaolana hafa, izay tsy hanitsakitsaka ny zon'ny olompirenena.

Большинству пользователей придётся платить за контент, который они не потребляют. Такие налоговые отчисления будут производиться не в интересах всего населения и даже не в интересах всех российских пользователей интернета, но в интересах ограниченной группы лиц. Кроме этого, не будет никакой гарантии того, что правообладатели действительно станут получать какие-либо отчисления с этого налога.

Mety handoa zavatra tsy nojifainy akory ny betsaka amn'ireo mpampiasa. Tokony ho amin'ny tombontsoan'ny olompirenena tsirairay ny fandoavana hetra tahaka izany, tsy ho amin'ny tombontsoan'ireo mpampiasa RuNet, fa mety ho amin'ny tombontsoanà vondron'olona voafetra ihany. Etsy ankilany, tsy misy antoka hoe tena handray ny vola azo avy amin'io hetra io tokoa ireo tompon'ny zon'ny mpamorona.

Tamin'ny 15 Desambra, azon'ilay fanangonan-tsonia ny 14.000 mahery tamin'ireo sonia 100.000 nilainy mba hametrahana azy ho ao anaty fifanakalozan-kevitra eny anivon'ny kaomisiona manana ny lanjany ao amin'ny parlemanta.

Raha soniavina ho lalàna, mety tsy hanome safidy ireo mpampiasa ny RunNet afa-tsy ny handoa ilay hetra ho an'ny aterineto ilay fanomezan-dàlana faobe, satria dia ho tafiditra ao anatin'ny lazam-bidin'ny aterineto nampiasainy. Mandraka ity ny androany, mbola miresaka ny tolo-kevitry ny RUC hatrany ny Ministeran'ny Kolontsaina, nefa manantena ny hiara-hiasa amin'ireo hafa mpandray anjara amin'izany mba hanangana volavolan-dalàna hatramin'ny faran'ny taona 2014. Nambaran'ny manampahefana iray avy ao anatin'ilay ministera fa mety haharitra taona iray na roa ny fifanakalozan-kevitra. Na dia toa mbola ho lavitra aza izany, ilay fanaovana lalàna fanarahamaso ny aterineto Rosiana natao vao haingana dia mihevitra fa manana ny vintana rehetra ho lasa tena zavatra iainana ilay hetra amin'ny aterineto.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.