Namelona Indray Ny Adihevitra Momba Ny Zon'olombelona Ao Venezoela Ny Famonoana Ilay Mpikatroka LGBTQ

Giniveth Soto y Migdely Miranda en el acto de entrega de firmas a la AN por el matrimonio igualitario. Fotografía tomada del blog Un Pobre Peatón.

 Migdely Miranda sy Giniveth Soto (ankavanana) mitodika any amin'ny Antenimieram-pirenena mba hankatò ny fitovian-jo amin'ny fanambadiana. Sary nalaina tao amin'ny bilaogy, Un Pobre Peatón [Mpandeha tongotra iray mampalahelo].

Mankany amin'ny teny Espaniola avokoa ny rohy rehetra

Misaona an'i Giniveth Soto, Venezoeliana mpikatroka hoan'ny fitovian-jon'ny lahy sy vavy maty nisy namono tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity ireo mpiaro ny zon'ny LGBTQ. Araka ny filazan'ny loharanom-baovao tsy ofisialy, notifirina sy novonoin'ny carjacker (mpiditra an-keriny anaty fiara hangalatra) tao Caracas i Soto rehefa tsy nety nanome ny fiarany.

Iray amin'ireo fanentanana goavana ataon'i Soto ny fitovian-jo manoloana ny fanambadiana ao Venezoela. Na dia teo aza ireo fandrosoana mikasika ity raharaha ity ao amin'ireo firenena mifanolo-bodirindrina aminy, dia tsy mahazo mifanambady ireo mpifankatia mitovy taovam-pananahana ao Venezoela. Tsy nanakana an'i Soto anefa izany, izay nanambady ny olo-tiany, Migdely Miranda tamin'ny taona 2013. Nolavin’ny governemantan'i Venezoela ny fankatoavana ny lanonana ary nolavina ny rohim-pihavanan'i Soto amin'ny zanany lahy, Salvador, napetraka tamin'ny alalan'ny fampananahana tsy ara-boajanahary.

Roa farafahakeliny ny adihevitra goavana manerana ny firenena nateraky ny famonoana an'i Soto: herisetra  an-tanàndehibe sy fandrahonana atrehin'ireo mpifankatia mitovy taovam-pananahana ao Venezoela.

Un Pobre Peatón  (Mpandeha tongotra iray Mampalahelo) niresaka ireo olana roa ireo vao haingana:

En medio del robo del vehículo que usaba para hacer carreras de taxi y mantener a su familia, un delincuente le disparó y acabó con su vida (…) Todo el dolor que significa una pérdida tan trágica como ésta, parece haberse vuelto parte de la cotidianidad de Venezuela. Un país que luego de 13 Ministrxs del Interior y mas de 20 planes de “seguridad” se mantiene en los primeros lugares de muertes violentas en el mundo con decenas de miles de víctimas cada año. Aquí da la sensación de que todxs tenemos un número en la fila y estamos esperando que nos toque el turno.

Miteraka olana ara-politika ihany koa ny fandavan'i Venezoela tsy hankasitraka ireo mpifankatia pelaka nifanambady:

Como si fuese poco el riesgo al que estamos expuestxs todxs lxs venezolanxs de ser víctimas de la violencia y la impunidad, las personas LGBTI de Venezuela y nuestras familias también debemos enfrentarnos a la falta de protección legal. Luego del doloroso asesinato de su madre, el pequeño Salvador de apenas 3 meses de nacido ha quedado en situación de vulnerabilidad. Ni él ni su madre Migdely tienen el derecho de heredar los bienes que Gini deja en Venezuela, ni de recibir pensión de sobreviviente de corresponderle. Migdely no tenía derecho a decidir sobre los restos de su esposa, la persona a la que amaba y con la que soñaba pasar el resto de su vida.

Tamina fanehoan-kevitra mitovy amin'izany, mpisolovava sady mpikatroka, Tamara Adrián nandinika hoe:

In a similar tone, lawyer and activist Tamara Adrián mused online: 

Naneho hevitra ihany koa ny Fikambanana Sivily hoan'ny Fitovian-jo ao Venezoela, nandrisika ireo olom-pirenena mba hitady ny rariny mikasika ity loza mampalahelo ity, izay nantsoin'ny vondrona hoe heloka manohintohina ny fananganana ny tolona hoan'ny fitovian-jo.

El esclarecimiento del asesinato de nuestra valiente e imparable activista es urgente, no puede quedar impune un crimen y más aún si se trata de un crimen que aflige dolorosamente las bases de la lucha por la reivindicación de derechos de la población sexodiversa venezolana. Es imperante hacer justicia, pero además es neurálgico fortalecer nuestros poderes públicos para garantizar el efectivo ejercicio del derecho a la vida en libertad y equidad, sin discriminación ni estigmas basados en prejuicios atávicos judeo-cristianos, sin violencia psicológica y moral a consecuencia de una cultura heterosexista, machista y sexista…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.