Mitsabaka Amin'ny Fanabeazana Ny Fitondrana Mpanongam-panjakana Mba Hampianarana Ny ‘Demôkrasia Marina’

Former Thailand Prime Minister Thaksin Shinawatra. Photo from Facebook page of Yingluck Shinawatra

Ny Praiminisitr'i Thailandy Teo aloha, Thaksin Shinawatra. Sary avy ao amin'ny pejy Facebook-n'i Yingluck Shinawatra

Hatry ny nahazoany fahefana tamin'ny fanonganam-panjakana ny 22 may 2014, niezaka nametraka ny marikany teo amin'ny rafi-panabeazam-pirenena ny miaramila Thai nanongam-panjakana, izay niteraka tsikera goavana avy amin'ireo mpianatra sy mpanabe.

Ny farany indrindra izao dia ny fangatahan'ny miaramila mpanongam-panjakana ny fanaovana tsianjery sy fitadidiana ireo “Soatoavina 12″, andianà fanambarana izay manandratra ny fanajàna ny manam-pahefana sy ny fametrahana ny tombontsoam-pirenena ho eo ambonin'ny tombontsoan'ny tsirairay. Tanatinà fanambaràna iray ny 11 jolay 2014 no nisehoan'ireo soatoavina ireo voalohany, avy amin'ilay Jeneraly tamin'izany fotoana, Prayuth Chan-ocha, tanatin'ny “Tetikasa Famerenana ny Fahasambarana ho an'ny Vahoaka”. Nahitàna fanomezan-toky ara-pôlitika maro ihany koa ilay fanambarana amin'ny ankapobeny, toy ny fampihenana ny fahantrana.

Ho fanampin'izay tsy maintsy hotenenin'ireo mpianatra, nandidy ireo mpianatra ihany koa ny miaramila mpanongam-panjakana fa tsy mahazo milaza: na inona na inona mitsikera ny miaramila mpanongam-panjakana izy ireo. Mandrara ireo mpampianatra tsy handray anjara na koa hikarakara fihetsiketsehana ara-pôlitika na adihevitra io lalàna vaovao io. Araka ny tatitra dia natao “handrisika ny fampihavanana” ny didim-panjakana ofisialy avy amin'ny Biraon'ny Fanabeazana Fototra ao Thailandy.

Anatinà tanjona iray goavana kokoa ho fampianaran'ny miaramila mpanongam-panjakana ny “demôkrasia marina” ny tsy maintsy anaovana tsianjery an'ireo soatoavina ireo sy ny fandraràna ny lahateny fitsikerana. Manan-kery izany tetikasa izany amin'ny alalan'ny fampiasàna boky fampianarana Tantara izay nanàla ny anaran'ilay Praiminisitra voafidim-bahoaka, Thaksin Shinawatra. Raisina ho endrika mampiteraka adihevitra be ao amin'ny firenena i Thaksin. Miampanga azy ho mpanao kolikoly ireo mpifandrafy aminy raha teo am-perinasa izy, raha toa kosa ka manondro ny nahavitany nampisasaka ny tahan'ny fahantrana sy nampihena ny elanelana eo amin'ny fidiram-bola ireo mpanohana azy — tanjona izay raisin'ny miaramila mpanongam-panjakana ho azy amin'izao fotoana. Rehefa niakatra teo amin'ny fitondrana ny miaramila dia nanaisotra mpitarika voafidim-bahoaka iray hafa: ny zandry vavin'i Thaksin, Yingluck Shinawatra

Na eo aza ny risika mety hisian'ny tsy fitovian-kevitra lalina eo anivon'ny vahoaka, dia nampiasa ny media sosialy ireo Thai mpampiasa aterineto mba hanehoany ny ahiahiny. Nanomboka fanangonan-tsonia ao amin'ny Change.org ireo mpikatroka mafana fo avy ao amin'ny vondrona “Education Liberation of Siam”, mangataka ny governemanta hanilika ilay baiko fanaovana tsianjery ireo soatoavina 12. Nankalazaina tao amin'ny Twitter ilay fanangonan-tsonia:

Mandraisa anjara amin'ny fanangonan-tsonia hanajanonana ireo soatoavina 12

Nahazo fanamelohana avy amin'ireo Thai maro mpifanerasera izany fandraràna ny tsikera any amin'ny faritry ny anjerimanontolo izany, isan'ireo i Bangkok Pundit, izay vao haingana no nampiato ny bilaoginy noho ny tsindry ara-pôlitika anivon'ireo antony hafa. Nahazo fandinihana amin'ny antsipiriany avy amin'ny New York Times sy ny Prachtatai ao Thailandy ny fanontana ireo boky fampianarana ireo tamin'ny Septambra, izay nahatonga ny miaramila mpanongam-panjakana hanambara fa tsy misy pôlitika ofisialy fanaisorana ny anaran'i Thaksin, saingy tsy nanome fanazavàna momba ny antony nanaovana io fanovàna io izy. Mitohy mandray tsikera avy amin'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona tahaka ny “Amnesty International” io hetsika io. 

Mamafa ireo resaka rehetra ahitàna ny PM teo aloha, Thaksin, ao anatin'ireo boky fampianarana ny miaramila mpanongam-panjakana mitondra any Thailandy amin'izao fotoana izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.